2011
J. Reuben Clark Jr.: Lehilahy iray Manana Fanomezam-pahasoavana Miavaka
Aprily 2011


Tsaroana ireo Olona Nanana ny Naha-izy Azy

J. Reuben Clark Zanany: Lehilahy iray Manana Fanomezam-pahasoavana Miavaka

Joshua Reuben Clark Zanany dia teraka tao Grantsville, Utah tamin’ny volana Septambra 1871. Na dia tsy nandia fianarana be aza izy ary tsy afaka nianatra tamin’ny sekoly ambaratonga faharoa, dia nampianatra azy ny reniny ary tia nianatra izy. Nitana ny laharana voalohany izy tao amin’ny kilasiny tao amin’ny Oniversiten’i Utah niaraka tamin’ny mari-pahaizana lisansa ary nanohy ka nahazo diplaoma mikasika ny lalàna avy amin’ny Oniversite fianarana lalàna tao Columbia any New York City.

Nanambady an’i Luacine Annetta Savage ny rahalahy Clark ny taona 1898 tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake ary dia lasa ray aman-drenin’ny ankizy efatra.

Niaraka tamin’ny diplaoma mikasika ny lalàna sy saina matsilo, i J. Reuben Clark Zanany dia nanohy nanao asa miavaka teo amin’ny lalàna sy ny fanompoana ny fiaraha-monina izay niafara tamin’ny fanendrena azy ho ambasadaoron’i Etazonia tany Mexique ny taona 1930. Kanefa dia nifarana izany asa izany rehefa notohanana ho Mpanolotsaina Faharoan’ny Filoha Heber J. Grant tao amin’ny Fiadidiana Voalohany izy ny 6 Aprily 1933. Na dia mpisorona avo aza izy tamin’izany dia tsy Manampahefana Ambony. Notokanana ho Apôstôly izy rehefa notohanana ho Mpanolotsaina Faharoan’ny Filoha Grant tamin’ny volana Oktôbra 1934. Ny Filoha Clark dia nanohy nanompo tamin’ny naha-mpanolotsaina ny Filoha George Albert Smith sy David O. McKay azy.

Tao anatin’ireo fandraisany anjara maro teo amin’ny Fiangonana dia nisy iray izay tena niavaka, dia ny ohatry ny fanetren-tena izay nasehony rehefa lasa Filohan’ny Fiangonana i David O. McKay. Niantso ny Filoha Clark mba ho Mpanolotsainy Faharoa izy. Noho ny Filoha Clark nanompo toy ny Mpanolotsaina Voalohany nandritra ireo Fiadidiana Voalohany teo aloha dia toa nisy olona sasany nihevitra fa nohamaivanina izy, saingy nanazava ny Filoha Clark hoe: “Eo amin’ny fanompoana ny Tompo dia tsy ny toerana hanompoana no zava-dehibe fa ny fomba fanompoana. Ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mandray ny toerana izay niantsoana azy ny olona iray, izay toerana sady tsy katsahina no tsy lavina.”1

Maty tamin’ny 6 Ôktôbra 1961 ny Filoha Clark.

Fanamarihana

  1. J. Reuben Clark Zanany, tao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Apr. 1951, 154.

Ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny taona 1945 (avy any ankavia): J. Reuben Clark Zanany sy Heber J. Grant ary i David O. McKay.

Ny Filoha Clark (ankavia) miaraka amin’i Lamont Toronto, filohan’ny misiôna.

Hamoaka printy