2011
‘Ankehitriny, Tsarovy ny Mpahary Anao amin’ny Andron’ny Fahatanoranao’ (Mpitoriteny 12:1)
Aprily 2011


“Ankehitriny, Tsarovy ny Mpahary Anao amin’ny Andron’ny Fahatanoranao” (Mpitoriteny 12:1)

Ny soratra masina dia mitantara ny asa fanompoan’ireo mpaminany sy ireo apôstôly. Maro amin’ireo mpitarika ireo no nahafantatra an’Andriamanitra hatramin’ny fahatanorany. Ireto misy tantara dimy avy ao amin’ny soratra masina izay mitanisa ny zavatra niainan’ny sasany tamin’ireo ho lasa mpitariky ny hoavy ireo.

  • I Jaona Mpanao Batisa izay nantsoina hanomana ny vahoaka ho amin’ny “fiavian’ny Tompo” dia “natokan’ny anjelin’Andriamanitra, tamin’ny fotoana nahafeno valo andro azy, ho amin’ity hery ity” (F&F 84:27–28).

  • Ny Mpanjaka Josia, izay nandray ny fanjakana tamin’ny fahavalo taonany sy nandany ny 31 taona nanjakany teo amin’ny fanompoana ny Jiosy dia lasa niova fo tao amin’ny filazantsara (jereo ny 2 Mpanjaka 22).

  • Teo amin’ny fahafolo taonany i Môrmôna rehefa nisafidy azy i Amarôna mba ho mpitahiry ireo rakitsoratra (ireo takelak’i Nefia). Teo amin’ny faha-enina ambin’ny folo taonany i Môrmôna no nitarika ny tafika Nefita. (Jereo ny Môrmôna 1:2–4; 2:1–2.)

  • I Davida dia “zatovo” tsotra tamin’izy namono an’i Goliata, angamba nitovy taona tamin’ireo miaramilan’ny tafik’i Helamana (jereo ny 1 Samoela 17:49–56; Alma 53:22).

  • I Josefa dia 17 taona tamin’izy namidy ka nentina tany Egypta, ary ny “Tompo dia nomba an’i Josefa” (jereo ny Genesisy 37:2, 27–28; 39:2).

Hamoaka printy