2011
Herin’ny Soratra Masina
Aprily 2011


Herin’ny Soratra Masina

Niova ny fiainan’ireo zatovo Tahisiana roa rehefa nanome lanja ny soratra masina izy ireo.

Tsy te-handalina ny soratra masina i Rooma. Tsy te-handeha hanatrika seminera i Vaitiare. Ary tsy voatery hanao izany izy ireo. Kanefa rehefa nisafidy ny hanao izany izy ireo dia niova ny fiainany.

Koa maninona moa?

Inona no antony isafidianan’ny zatovo iray handany adiny roa isaky ny Alakamisy alina handalina ny soratra masina miaraka amin’ny reniny? Herintaona lasa izay dia mety nanontany tena toy izany koa i Rooma Terooatea avy ao Tahiti.

Ankehitriny dia manontany tena izy hoe nahoana no tsy misafidy ny hanao izany ny tanora.

Nandritra ny telo taona nanaovana seminera dia tsy niraharaha ireo soratra masina nasain’ny mpampianany vakiana ho an’ny lesona manaraka i Rooma. “Tsy te-hamaky izany aho,” hoy izy. “Tsy dia nahasarika ahy ny soratra masina.”

Kanefa nahavariana ahy ny antony ampiasain’ireo mpitariky ny Fiangonana ao amin’ny paroasy sy tsatòka hatrany ny soratra masina ao amin’ny lahateniny sy ireo lesony. Nojereny tsara ireo mpitarika azy. Tsikariny fa dia mora tokoa ho an’ny filohan’ny tsatòkany ny milaza zavatra avy ao amin’ny soratra masina.

Ka rehefa nizara ireo mpianatra seminera ho vondrona hanao fifaninana hanao tsianjery soratra masina ny Tsatòkan’i Faaa Tahiti mandritra ny taonany farany ao amin’ny seminera dia nanapa-kevitra i Rooma fa hanome lanja ny soratra masina hahitany izay ho vokany.

Tamin’izay no nanombohan’ny fandalinany isan-kerinandro niarahany tamin’ny reniny. Isaky ny Alakamisy alina dia niara-nandalina izy ireo mba hiomanana amin’ny fifaninana atao any an-dakilasy ny ampitso, ka nianatra nikaroka ireo andinin-tsoratra masina manan-danja izy ireo sy nanao tsianjery ny ankamaroan’izy ireo.

Ary izany no niantombohan’ny fiovana teo amin’i Rooma. Nanamafy orina ny fifandraisany tamin’ny reniny ny fandalinany ny soratra masina. Nanomboka nahita ny fifanandrifian’ny zavatra ampianarina ao amin’ny soratra masina sy ny zava-mitranga eto amin’izao tontolo izao ankehitriny izy. Rehefa nivavaka mahakasika ny zavatra novakiany izy dia nahita fa avy amin’Andriamanitra izany.

Nanampy azy hitarika ny ekipany tamin’ny fandresena tamin’ny fifaninana fanaovana tsianjery soratra masina teo amin’ny tsatòka koa izany.

Tsapan’i Rooma fa tao anatin’ilay fitahiana voarainy dia nandray lesona iray izay nianarany tao anatin’ny fandalinany izy. “Ao amin’ny Môsià 2:24 dia nampianatra ny Mpanjaka Benjamina fa rehefa misafidy ny hanao ny zavatra angatahin’ny Tompo isika, dia mandray fitahiana eo no ho eo,” hoy i Rooma. Iray tamin’ireo fitahiana lehibe voarainy dia ny “fahafantarako fa marina ny Bokin’i Môrmôna taorian’ny fandalinana ny soratra masina tamin’ity taona ity.”

Aza Miteny Ahy izay Tokony Hataoko

Tamin’ny fiantombohan’ny taom-pianarana dia mbola tsy mpikamban’ny Fiangonana akory i Vaitiare Pito. Ka tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny mpikambana vaovao iray izay tsy mbola nanao seminera mihitsy taloha hanampy ny ekipany handresy tamin’ny fifaninana manao tsianjery ny soratra masina teo amin’ny tsatòkan’i Faaa?

“Tsy nampisalasala ahy ny tsy fananako traikefa,” hoy izy. “Nianatra ny ankamaroan’ireo soratra masina ireo aho nandritra ny fampianaran’ny misiônera.”

Lasa mpikamban’ny Fiangonana ny ankamaroan’ny fianakavian’i Vaitiare taorian’ny nahafatesan’ny rainy tampoka ary ny tompon’andraikitra misahana ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy no nitondra ireo misiônera tao an-tokantranon-dry Vaitiare. Niresaka nikasika ny firaisan’ny fianakaviana sy ny fiarahana mandrakizay izy ireo. “Nitondra fiovana teo amin’ny fianakaviako tokoa izany,” hoy izy.

Na dia izany aza dia tsy voatery nanova ny toetra mahaleo-tenan’ilay zatovovavy 17 taona izany. “Taorian’ny nahavitan’ny batisako dia niteny tamiko ny rehetra fa tokony handeha hanatrika seminera aho,” hoy izy. “Tsy tiako loatra ny baikoina amin’ny ataoko ka dia naka fotoana elaela aho vao nandeha.”

Nanapa-kevitra irery ny handeha ihany izy ary nahita fahafinaretana tamin’izany. Natokana ho isan’ny tao amin’ny ekipa manao tsianjery soratra masina nisy an’i Rooma izy.

Tamin’ny voalohany dia tsy dia nanao ezaka firy izy mba hamakiana ireo soratra masina nasaina novakiana. Kanefa raha vao nanapa-kevitra ny hanao izany izy dia nahita fitahiana maro.

“Nanampy be dia be ahy ny soratra masina,” hoy izy. “Nianatra zavatra maro avy tamin’ny soratra masina aho,” isan’izany ny maha-zava-dehibe ny vavaka sy ny hoe hamaly ireny vavaka ireny ny Ray any an-danitra.

Nianatra koa izy fa rehefa manapa-kevitra ny hanolo-tena amin’ny zavatra iray toy ny fandehanana manao seminera na mamaky ny soratra masina, dia mora kokoa ny mitandrina ny fanoloran-tena toy izay manao izany satria voatery na “tsy maintsy” manao.

Ankehitriny rehefa tapitra ny taom-pianarana dia feno fankasitrahana i Vaitiare tamin’ny fisafidianany handeha hanatrika seminera sy handalina ny soratra masina: “Fantatro fa rehefa mamaky ny soratra masina isika dia voatahy.”

Rehefa nanao dia niaraka tamin’ny mpiara-mianatra seminera aminy tany Moorea (ankavia) i Rooma Terooatea (eo ambany) mba hitsapana ny fahaizan’izy ireo ny soratra masina, dia tsy nanan-danja loatra izay vokatra azo—satria efa nandresy sahady i Rooma.

Raha vantany vao nanapa-kevitra ny handalina ny soratra masina i Vaitiare Pito avy any Tahiti dia nanomboka tsapany ireo fitahiana.

Sary nalain’i Adam C. Olson, afa-tsy ireo misy fanamarihana; eo ambony: sary © iStock; sarim-boninkazo © iStock

Hamoaka printy