2011
Tao Anatin’ny Tsodrano Nomena Ahy Ny Valiny
Aprily 2011


Avy any amin’ny Sahan’ny Fitoriana

Tao Anatin’ny Tsodrano Nomena Ahy Ny Valiny

Nanompo tany amin’ny Misiônan’i Texas Houston Atsimo toy ny misiônera nitory tamin’ny teny espaniôla aho. Indray andro izaho sy ny namako dia nandondom-baravarana, niezaka nitady olona ho ampianarina. Tonga teo amin’ny trano iray izahay ka nisy lavaka lehibe teo amin’ilay lavarangany vita hazo efa simba.

Ramatoa efa antitra no nanokatra ny varavarana ary nampiditra anay. Tsy fantatro raha tena fantany hoe iza izahay sy ny zavatra nataonay fa tena nahalala fomba be izy. Nanomboka nampianatra azy ny lesona voalohany izahay, ary toa nandeha tsara ny zava-drehetra. Kely sisa dia anjarako ny mampianatra mikasika an’i Joseph Smith sy ny Fahitana Voalohany. Hitako fa toa nihananeho fisavorovoroan-tsaina ny endrik’ilay ramatoa. Nazava be fa tsy tena nanaraka izay zavatra noezahiko nohazavaina taminy izy.

Rehefa avy nanontany fanontaniana vitsy mikasika ny zavatra nianaranay hatreo sy mikasika ny zavatra azony aho dia nahatsapa ny tenako ho tsy afaka manao na inona na inona aho noho izy tsy nahazo ny foto-kevitry ny Fahitana Voalohany. Tena lava ilay andro, ary ny zavatra tsy mba hirian’ny misiônera iray dia ny tsy fahatakaran’ny olona ny zavatra izay tena iriany ho fantratry ny olona fa marina.

Nandritra ny segondra vitsy dia nahatsapa ho saika tezitra aho, ary dia tonga tao an-tsaiko ny andalana avy ao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy. Ampahany mikasika ny fianakaviako ho amin’ny hoavy ilay izy izay nanoro hevitra ahy hampianatra ny zanako ireo foto-kevitry ny filazantsara. Ary raha tonga tao an-tsaiko io andalana io dia fantatro fa ny Fanahy dia nilaza tamiko mba hampianatra ity vehivavy manetry tena ity amin’ny fomba fampianarako ankizy iray.

Nanomboka nampianatra azy tamin’ny fomba tsotra sy feno fitiavana kokoa aho. Nalaiko sary an-tsaina ireo zanako izay mipetraka manodidina ny efitrano fandraisam-bahiny, mijery ahy, rain’izy ireo, mandritra ny ampianarako azy ireo mikasika ny Mpaminany Joseph Smith. Nahagaga ny nahita ny fiovana teo amin’ny endriny. Tsy ela dia niakatra ny volomasony ary nanomboka namiratra ny masony. Ilay endrika naneho fisavorovoroan-tsaina dia lasa liana sy talanjona. Rehefa nilaza ny tantaran’ny fisehoan’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’i Joseph Smith aho, dia nanganohano ary nitsotsorika tamin’ny takolany ny ranomasony. Nameno ny efitrano ny Fanahy ary ilay fahasorenako dia nivadika ho fifaliana.

Tsy hohadinoiko na oviana na oviana io zavatra niainako io. Ankehitriny dia tsy andriko ny hampianatra ireo fitsipika ireo ihany amin’ireo zanako indray andro ary hahatsapa izany fifaliana lehibe izany indray.

Sary nataon’i Brian Call

Hamoaka printy