2011
I Jesoa Kristy Ilay Mpanalalana
Aprily 2011


I Jesoa Kristy Ilay Mpanalalana

Avy tamin’ny “The Mediator,” Ensign, Mey 1977, 54–56.

I Jesoa Kristy, ilay Mpanalalana antsika, dia nanonitra ny sarany izay tsy ho voaloantsika velively mba hahafahantsika miverina miaina miaraka amin’ny Raintsika any an-danitra.

President Boyd K. Packer

Mamelà ahy hitantara aminareo tantara iray—izay fanoharana iray.

Nisy lehilahy iray izay naniry mafy hahazo zavatra anankiray. Toa zavatra manan-danja kokoa mihoatra noho ny zavatra hafa teo amin’ny fiainany izany. Mba hahatanterahan’ny faniriany dia nanapa-kevitra ny hitrosa vola be izy.

Efa nampitandremana izy mba tsy hitrosa be loatra ary indrindra amin’ity mpampindram-bola iray ity, ilay iray izay nampindrana vola azy. Kanefa toa manan-danja kokoa aminy ny manana ny zavatra tiany izao ankehitriny izao. Natoky izy fa afaka ny hamerina izany any aoriana.

Dia nanao sonia ny taratasy fifanekena izy. Tsy maintsy hamerina ilay vola izy rehefa mandeha eny ny fotoana. Tsy niraharaha loatra momba izany anefa izy, satria toa mbola lavitra ilay fe-potoana hamerenana azy. Nahazo izay notadiaviny izy izao ary izay no toa tena nanan-danja taminy.

Tsy niala tao an-tsainy mihitsy ny endrik’ilay mpampindram-bola, ary namerina vola [kely] teny izy tsindraindray, nieritreritra fa tsy ho tonga velively ilay andro famerenan-trosa [andro izay tsy maintsy hamerenany ny vola rehetra].

Fahamarinana ve sa Famindram-po?

Nefa toy ny mahazatra, dia tonga ilay andro ary tapitra ny fe-potoana. Tsy voaloa tanteraka ny trosa. Tonga ilay mpampindram-bola ary nangataka ny handoavana ny vola rehetra.

Tamin’izay fotoana izay vao tsapany fa tsy hoe manana ny fahefana ny haka ny fananany rehetra fotsiny ilay mpampindram-bola fa manana fahefana handefa azy any am-ponja ihany koa.

Nibaboka izy hoe: “Tsy afaka ny handoa ny volanao aho satria tsy manam-bola,”

“Dia,” hoy ilay mpampindram-bola hoe: “hampihatra ny ao anatin’ny fifanekena isika ka dia halaina ny fanananao ary hampidirina am-ponja ianao. Nanaiky izany ianao. Safidinao izany. Nanao sonia ny fifanekena ianao ary tsy maintsy ampiharina izany izao.”

“Tsy mba azonao halavaina ve ny fotoana handoavana izany na mba ho fafana ilay trosa?” hoy ilay mpitrosa. “Mitadiava fomba mba hahafahako mitazona ny fananako kanefa tsy handeha any am-ponja. Fantatro fa mino ny famindram-po ianao? Tsy mba haneho famindram-po ve ianao?”

Namaly ilay tompom-bola hoe: “Tombontsoa ho an’ny olona iray foana ny famindram-po. Ianao irery ihany no hahazo tombontsoa amin’izany. Raha maneho famindram-po aminao aho dia tsy ho azoko ny volako. Ny rariny no angatahako. Mino ny fahamarinana ve ianao?”

“Nino ny fahamarinana aho tamin’ny fotoana nanaovako sonia ilay fifanekena,” hoy ilay mpitrosa. “Niaraka taminy aho tamin’izany fotoana izany satria nihevitra aho fa hiaro ahy izy. Tsy nila ny famindram-po aho tamin’izany ary tsy mba nieritreritra akory fa hila izany indray andro any.”

“Ny fahamarinana no mangataka anao mba handoa ny vola ao anatin’ny fifanekena na hanaiky ny sazy,” hoy ilay mpampindram-bola namaly. “Izay ny lalàna. Nanaiky izany ianao ary izay no tsy maintsy arahana. Tsy afaka mandroba ny fahamarinana ny famindram-po.

Dia teo izy ireo: Ny iray mampihatra ny fahamarinana ary ny iray mitalaho famindram-po. Tsy nisy afaka nahazo fahafaham-po ny roa tonta raha tsy hoe mizaka ny vokatra nateraky ny nataon’ny andaniny ilay ankilany.

“Raha tsy manadino ilay trosa ianao dia tsy hisy ny famindram-po,” hoy ilay mpitrosa nitalaho.

“Raha manao izany aho dia tsy hisy ny fahamarinana,” hoy ny navaliny.

Toa tsy azo ampiharina miaraka ireo lalàna roa ireo. Fotokevitra roa mandrakizay izay toa mifanohitra izy ireo. Tsy misy fomba ve ahafahana sady manome fahafaham-po ny fahamarinana no manome fahafaham-po ny famindram-po koa?

Misy fomba ka! Azo omena fahafaham-po tanteraka ny lalàn’ny fahamarinana ary azo omena tanteraka ny famindram-po—saingy mitaky ny fandraisan’anjaran’ny olona iray hafa izany. Ary dia nitranga izany tamin’io fotoana io.

Ny Mpanalalany

Nanana namana ilay mpitrosa. Tonga mba hanampy izy. Fantany tsara ilay mpitrosa. Nihevitra izy fa tena adala ilay mpitrosa noho ny firobohany tao anatin’izany toe-javatra sarotra izany. Na dia izany aza dia te-hanampy izy satria tia azy. Nanelanelana azy roa ireo izy, niatrika ilay mpampindram-bola ary nanolotra vahaolana hoe: “Honerako ny trosany ka hafahanao amin’ny fifanekena izy ka hotazoniny ny fananany ary tsy ho any am-ponja izy.”

Raha teo am-pandinihina ilay sosokevitra ilay mpampindram-bola, dia niteny indray ilay mpanalalana hoe: “Nitaky ny fahamarinana ianao. Na dia tsy afaka mandoa ny volanao aza izy dia haloako izany. Hahazo ny fahamarinana ianao amin’izay ary tsy afaka ny hangataka mihoatra izany. Tsy ho rariny kosa raha hanao izany ianao.”

Ary dia nanaiky ilay mpampindram-bola.

Nitodika tany amin’ilay mpitrosa indray ilay mpanalalana. “Raha toa ka haloako ny trosanao, moa ve ianao hanaiky ahy ho toy ny mpampindram-bola anao?

Nihiaka ilay mpitrosa hoe: “Eny dia eny tokoa!” “Nanavotra ahy mba tsy higadra ianao ary nampiseho famindram-po tamiko.”

“Dia izao no izy,” hoy ilay olona malala-tanana [ilay iray nanampy], “Haloanao aty amiko ilay trosa ary izao no mametraka ny fepetra. Tsy ho mora izany saingy azo hatao. Hanome fomba hanaovana azy aho. Tsy mila mandeha any am-ponja ianao.”

Tamin’izay fomba izay dia azon’ilay mpampindram-bola daholo ny volany. Nahazo ny fahamarinana izy. Tsy nisy fifanekena tsy voahaja. Nomena famindram-po kosa ilay mpitrosa. Samy tanteraka ilay lalàna anankiroa. Satria nisy ny mpanalalana dia nahazo ny fahafaham-po tanteraka ny lalàn’ny fahamarinana ary nahazo ny fahafaham-po koa ny famindram-po.

Ny Mpanalalantsika

Miaina ao anatin’ny trosa ara-panahy isika tsirairay avy. Indray andro dia hifarana ny fotoam-pifanekena ary hotakiana ny fanamarinana. Na dia tsy hitantsika miharihary loatra aza izany ankehitriny, rehefa tonga izany andro izany ary rehefa akaiky ny fe-potoana farany, dia hitodika hijery amim-pitaintainana mafy eo amin’ny manodidina isika hitady olona iray izay mba hanampy antsika.

Noho ny lalàna mandrakizay dia tsy azo omena fahafaham-po ny famindram-po raha tsy hoe misy olona iray izay sady vonona sy afaka ny hanonitra ny trosantsika sy handoa ny sarany ary handamina ireo fifanekena ho an’ny fanavotana antsika.

Raha tsy misy ny mpanalalana, raha tsy misy ny namana iray, dia hihatra tanteraka amintsika ny fepetra takian’ny fahamarinana. Ny fanonerana feno ireo fandikan-dalantsika rehetra, na kely izany na be, dia ho tò [tontosa] amintsika tanteraka.

Kanefa fantaro ity: Ny fahamarinana, fahamarinana be voninahitra dia milaza fa misy ny Mpanalalana. “Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona” (1 Timoty 2:5). Tamin’ny alalany dia azo omena antsika tsirairay tanteraka ny famindram-pony kanefa tsy mandika ny lalàna mandrakizain’ny fahamarinana izany.

Tsy ho tanteraka amin’izao fotsiny anefa ny fanomezana ny famindram-po. Amin’ny alalan’ny fanekempihavanana atao Aminy no hahatanteraka izany. Araka ny fepetra apetrany, ilay fepetrany izay feno falalahan-tanana, izay ahitana, ny zavatra manan-danja indrindra dia ny batisa asitrika ho amin’ny famelan-keloka.

Afaka ny ho voaro amin’ny lalàn’ny fahamarinana ny olombelona rehetra, ary ao anatin’ny fotoana iray ihany dia azo omena ilay fitahian’ny famindram-po izay manavotra sy manasitrana isika tsirairay avy.

Sary nataon’i Dan Burr