2014
Tanan’ny Tompo Isika
Aprily 2014


Tanan’ny Tompo Isika

Tena zava-dehibe ao anatin’ny atao hoe mpianatr’i Jesoa Kristy ny fitadiavana ny mahantra sy ny fanompoana an’ireo izay mijaly.

Tany am-piandohan’ilay Olana Lehibe Ara-toekarena nianjady tamin’i États-Unis tamin’ny taona 1929 ka hatramin’ny 1940 dia niara-nivondrona ireo filohan’ny tsatòka enina avy tany Salt Lake Valley mba hiatrika ilay rahona maintin’ny fahantrana sy ny hanoanana izay nanambana ny hamely mpikamban’ny Fiangonana maro.1 Na dia nisy fiantraikany tamin’ny olona tany amin’ny toerana samihafa rehetra aza ilay olana ara-toekarena dia tena voa mafy manokana i Utah.2

Kely ny teo am-pelatanan’ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana tamin’izany mba hanampiana ny sahirana. Mazava ho azy fa afaka nampiasa ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina izy ireo saingy tena lehibe lavitra noho izay efa niainan’izy ireo hatramin’izay ilay filana nihanaharitra. Naorina teo ambany fitarihan’ny Episkôpà Mpiahy tany am-piandohan’ny taona 1900 ny Deseret Employment Bureau. Kanefa tsy nanana ny ampy tanteraka izany mba hiatrehana ilay filana goavana toy izany.

Fantatr’ireo mpitarika enina tao amin’ny fisoronana ireo fa raha toa ka mila fanampiana ny olona ao amin’ny tsatòkany dia tsy afaka miandry izy ireo. Tsy maintsy mandray fepetra eo no ho eo ihany izy ireo. Nanomboka nampiasa ny olona izy ireo. Nozarain’izy ireo andraikitra ny lehilahy ka nentiny teny an-tsaha izay toerana ahafahany mioty vokatra. Ho tambin’ny asa nataon’izy ireo dia nomen’ireo mpiompy sy mpamboly malala-tanana sakafo ireo lehilahy ireo. Ny ambin’izany dia nentina tany amin’ny trano fanobiana ary nozaraina tamin’ny hafa izay noana. Rehefa nitombo ireo fanomezana dia nanomboka nanao sakafo am-bifotsy ny Olomasina mba hitehirizana izany. Io no niantombohan’ilay hoe fandaharan’asa fanasoavana ao anatin’izao vanim-potoana izao.

Valopolo taona taty aoriana dia miahy ireo mpiangona iandraiketany ireo mpitarika amin’izao fotoana izao ary manana ilay fahavononana nitovy tamin’izany fotoana izany mba hanampy izay sahirana.

Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana volana Ôktôbra 2011: “Matetika loatra isika no mahatsikaritra ireo filana manodidina antsika ary manantena fa hisy olona avy lavitra any hiseho amim-pahagagana mba hanome ireo zavatra ilaina ireo. Angamba isika miandry matihanina manana fahalalana manokana mba hamaha olana miavaka tsara. Rehefa manao izany isika, dia manaisotra amin’ny namantsika ilay asa fanompoana izay azontsika atao, ary manaisotra amin’ ny tenantsika ny fahafahana manompo. Marina fa tsy misy maharatsy ny maha-matihanina, fa ndao hatrehina izany: tsy ho ampy mihitsy izy ireny hamaha ny olana rehetra. Kanefa ny Tompo dia nametraka ny fisoronany sy ny fikambanany eo amin’ ny tokonam-baravarantsika any amin’ny firenena rehetra izay misy ny Fiangonana.”3

Ity antso ho an’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana sy ny mpikambana ity mba handray andraikitra araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia nitarika olona maro manerana an’izao tontolo izao mba “[handray an-tanana] manokana izany” araka ny filazan’ny Filoha Uchtdorf.4 Nampiakarin’izy ireo ny tanan’akanjony ary nanapa-kevitra izy ireo fa “[h]ahatsiaro amin’ny zavatra rehetra ny mahantra sy ny sahirana, ny marary sy ny ory” (F&F 52:40).

Équateur

Rehefa nandinika ireo mpikambana tao amin’ny paroasiny ny Eveka Johnny Morante any Guayaquil, Équateur dia tena feno ahiahy izy. Maro loatra ireo fianakaviana no miady mafy vao mba mahazo ireo zavatra farany ambany ilaina mba hahavelomana. Te hanampy azy ireo izy ka dia nifampiresaka tamin’ireo mpitarika tao amin’ny paroasy ary nanolotra tamin’ny Tompo izany toe-javatra izany.

Noho ny fahavitsian’ny asa tao amin’ilay faritra dia nanomboka niaraka niasa tamin’ny andian-drahavavy niisa 11 izy ka namporisihany izy ireo mba hitady izay fomba ahafahana manokatra orinasa madinika. Nahatsikaritra ireo rahavavy ireo fa nilaina teo amin’ny tanànan’izy ireo ireo kojakoja fanadiovana ao an-tokantrano izay tsara kalitao nefa mora ary nanana eritreritra izy ireo hoe sao dia afaka mamokatra sy mivarotra izany ao amin’ilay tanànany. Saingy ahoana no ahafahan’izy ireo mianatra manamboatra ireo kojakoja ireo?

Tonga tao an-tsain’ny Eveka Morante tamin’izay fotoana izay ny rahavavy iray tao amin’ny sampany izay efa mpahay simia nisahana fanaovana fanafody. Rehefa nanontanian’ireo rahavavy 11 izy raha toa afaka manampy dia tena faly ny hampianatra azy ireo ny fomba fanaovana kojakoja azo antoka sy tsara izy.

Nandrafitra lamin’asa izy ireo ary namaritra ireo faritra izay hiandraiketan’ny rahavavy tsirairay ary nisafidy ireo kojakoja hovokarin’izy ireo ary naminavina ny endrik’ilay famonosana entana sy ny mari-tsoratra famantarana an’izany.

Tao anatin’ny volana vitsivitsy dia nahavita nanorina toerana ho an’ny mpanjifa izy ireo ary nampiditra vola ampy hanamaivanana ny fahantrany sy hividianana ireo zavatra ilain’ny fiainakaviany.

Rehefa nahafantatra ny fisian’io orinasa io ireo lehiben’orinasa mpanao fanafody dia lasa liana tamin’ny tantaran’ilay mpahay simia nisahana ny fanaovana fanafody izay tsy nanan’asa izy ireo. Dia nantsoiny hanao dinidinika tamin’izy ireo izy tamin’ny farany ary nampidiriny hiasa mba hitantana ny famokaran’izy ireo.

Russie

Nagorisan’ny ranomandry i Galina Goncharova avy ao amin’ny Paroasin’i Rechnoy Moscou, Russie, izay mpahaitantara tao amin’ny paroasy, ka dia tapaka ny tanany. Nentina tany amin’ny hopitaly izy ka nasiana plâtre ny sandriny. Tsy afaka namahana na nampiakanjo ny tenany izy. Tsy afaka nibango ny volony izy na mba namaly antso an-tariby.

Rehefa naheno ny zavatra nitranga ireo mpikambana namany tao amin’ny paroasy dia nandray andraikitra avy hatrany izy ireo. Nanome tsodrano azy ireo mpihazona ny fisoronana ary niaraka niasa tamin’ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mba handrindra fandaharam-potoana hamangiana io rahavavy io ary hanomezana izay zavatra ilainy.

Hoy i Vladimir Nechiporov, mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy hoe: “Tsaroanay ny lahateny iray nozaraina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana mikasika ilay sarivongan’i Kristy tsy nisy tanana.5 Nisy olona iray nametraka takelaka iray teo ambanin’izany izay mivaky hoe, ‘Ianareo no tanako.’ Nandritra ny herinandro vitsivitsy tsy nahafahan’io rahavavy io nanao zavatra maro dia nahatsapa ho toy ny akaikin’ny fon’ireo mpikambana tao amin’ny Paroasin’i Rechnoy izany tantara izany. Lasa tanany tanteraka izahay.”

Philippines

Rehefa namely an’i Philippines ny Rivo-doza Washi tamin’ny 2011, dia nofafazan’izany rano mandifotra azy sy rivotra ilay faritra. Trano teo amin’ny 41.000 no rava ary olona miisa 1200 no namoy ny ainy.

Talohan’ilay tondradrano, dia nisy nanosika an’i Max Saavedra, filohan’ny Tsatòkan’i Cagayan de Oro Philippines mba hanangana vondron’olona izay hisahana ny famonjena maika raha sendra loza tampoka. Nanorina kômity izay hanatanteraka asa isan-karazany izy—ary ny zavatra rehetra dia avy amin’ny fikarohana sy famonjena ao anatin’ny fanomezana fitsaboana tsotsotra voalohany ka hatrany amin’ny fanomezana sakafo sy rano ary akanjo.

Rehefa nidina ny rano ka tsy nisy hatahorana intsony dia nandeha nandray andraikitra ireo mpikambana sy mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Nojeren’izy ireo hoe nanao ahoana ny mpikambana tsirairay ary inona avy no simba. Nisy mpikambana iray nanolotra zahatra vita amin’ny caoutchouc mba hitaterana ireo mpikambana tafahitsoka ho any amin’ny toerana azo antoka. Nosokafana ireo trano fiangonana mba hanomezana toeram-pialofana an’ireo rehetra nila sakafo, fitafiana, bodofotsy ary toerana vonjy maika hipetrahana. Tena nilaina ny rano madio ka dia niresaka tamin’ny orinasa iray teo an-toerana izay nanana fiarabe iray mpamono afo ny Filoha Saavedra ary nitatitra rano madio tany amin’ny trano fiangonana natao toerana fandefasana olona. Nanampy ireo izay naratra ireo mpikambana manana traikefa ara-pitsaboana.

Rehefa hita daholo ny mpikambana rehetra dia namangy ireo toerana hafa nandefasana olona teo amin’ilay tanàna ny Filoha Saavedra sy ny ekipany ary nanolo-tena hanampy. Nitondrany sakafo sy kojakoja hafa izy ireo. Maro ireo mpikambana izay na dia tsy nanan-trano intsony aza no tonga dia nanompo tamim-pitiavana ny hafa taorian’ilay tafio-drivotra. Rehefa nijanona ny orana ary maina ny tany dia nisy mpanao asa an-tsitrapo an’ny Môrmôna Manome Tanana avy amin’ny tsatòka telo nandeha nizara kojakoja ilaina ary koa nanampy tamin’ny fanadiovana.

Brésil

Ao anatin’ny tanànan’i Sete Lagoas, Brésil, dia misy toerana iray ipetrahan’ireo vehivavy manan-kilema izay simban’ny fidorohana zava-mahadomelina ny fiainany. Niady mafy izy ireo isan’andro mba hahavelona azy ireo. Nanana fata-mihiboka kely iray izay nampiasainy mba hanamboarana mofo 30 isan’andro izy ireo. Na dia nahazo fanampiana avy amin’ny fikambanana iray teo an-toerana manampy olona aza ireo vehivavy ireo, dia zara raha nanana ny ampy hamelomana ny tenany. Rehefa henon’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany amin’ny Tsatòkan’i Sete Lagoas Brésil ny zavatra ilain’ireo vehivavy ireo dia naniry ny hanampy izy ireo.

Niara-niresaka tamin’ireo vehivavy ireo mikasika ny zavatra ilainy izy ireo. Nilaza ireo vehivavy ireo fa raha afaka mamokatra mofo bebe kokoa izy ireo dia tsy hoe ho afaka hamelona ny tenany fotsiny fa angamba ho afaka ny hivarotra mofo kely koa ary hampidi-bola kely izay tena ilaina mafy tokoa.

Niara-niasa tamin’ireo mpitandro filaminana sy ny sekoly teo an-toerana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ny mpikambana mba hampivoarana ny toe-piainan’ireo vehivavy ireo. Tamin’ny alalan’ny fanampiana ara-bola avy amin’ny sampana misahana ny fanampiana olona ato amin’ny Fiangonana sy ireo mpanao asa an-tsitrapo avy amin’ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina dia afaka nanangana fanaova-mofo vaovao izy ireo—izay nanome fahafahana azy ireo hamokatra mofo 300 isan’andro.

Noho ireo fanampiana azon’izy ireo dia afaka nampiditra ny mpiasany voalohany ireo vehivavy ireo—iray tamin’ireo vehivavy tao amin’ilay toeram-pialofana.

Ny Asa Fifanampiana

Toy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana nentanin’ny Fanahy am-polotaonany maro lasa izay, izay nahita ny fahasahiranana lehibe nanodidina azy ireo ary tsy nanaiky ny hiraviravy tanana dia manao zavatra mitovy amin’izany koa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy mpikambana ankehitriny any amin’ny faritra misy azy manokana ary amin’ny fombany manokana.

Raha niresaka tamin’ny Fiangonana momba ny fikarakarana ny hafa ny Filoha Uchtdorf dia hoy izy hoe: “Ny fomban’ny Tompo dia tsy ny mijanona eo amoron’ny koriandrano ary miandry ny rano ho tapitra izay vao miampita. Fa miara-miasa kosa, mampiakatra ny tanan’ akanjo, mandeha miasa, ary manamboatra tetezana na sambo hahafahana miampita ny ranon’ ny fanambintsika.”6

Tena zava-dehibe ao anatin’ny atao hoe mpianatr’i Jesoa Kristy ny fitadiavana ny mahantra sy ny fanompoana ireo izay mijaly. Asa nataon’i Jesoa Kristy izany fony Izy nanompo ny olona tamin’ny androny. “Ity asa fanomezana araka ny fomban’ ny Tompo ity dia tsy hoe singa iray ao anatin’ ny fandaharan’ asan’ ny Fiangonana fotsiny.” Hoy ny Filoha Uchtdorf namarana azy. “Tsy azo atao tsinontsinona na atao an-jorombala izany. Ivon’ny fotopampianarantsika izany; ary tena manan-danja ao anatin’ny fivavahantsika.7

Fanamarihana

  1. Ny efatra tamin’ireo filohan’ny tsatòka ireo—Hugh B. Brown, Harold B. Lee, Henry D. Moyle, ary Marion G. Romney—dia nantsoina ho Apôstôly taty aoriana ary samy nanompo tao amin’ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana izy efatra ireo taty aoriana. Lasa Filohan’ny Fiangonana faha-11 i Harold B. Lee.

  2. I Utah dia nanana ny tahan’ny tsy fisian’ny asa faharoa ambony indrindra nanerana an’i États-Unis tamin’ny 1930. Jereo ny Garth L. Mangum sy Bruce D. Blumell, The Mormons’ War on Poverty: A History of LDS Welfare 1830–1990 (1993), 95.

  3. Dieter F. Uchtdorf, “Manome araka ny Fomban’ny Tompo,” Liahona, Nôv. 2011, 54.

  4. Dieter F. Uchtdorf, “Manome araka ny Fomban’ny Tompo,” 54.

  5. Jereo Dieter F. Uchtdorf, “Ianareo no Tanako,” Liahona, Mey 2010, 68.

  6. Dieter F. Uchtdorf, “Manome araka ny Fomban’ny Tompo,” 54.

  7. Dieter F. Uchtdorf, “Manome araka ny Fomban’ny Tompo,” 55–56.