Raha Tsy Mibanjina Afa-tsy ny Voninahitro ny Masonareo
I Katherine Nelson dia mipetraka any Utah, États-Unis. I Heidi McConkie dia mipetraka any Delaware, États-Unis.
Ahoana no ahafahan’ny fananana fomba fiteny sy fihetsika ary endrika ivelany maotina manampy antsika hampiely fahazavana sy hankalaza an’Andriamanitra?
Nandritra ny Filankevitry ny Lanitra talohan’ity fiainana ity, rehefa nanolo-tena ho Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy, dia hoy Izy tamin’ny Ray hoe: “Hatao anie ny sitraponao, ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay” (Mosesy 4:2).
Ny Tompo dia naneho ohatra foana ny amin’ny fankalazana ny Ray. Nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany, dia tsy nisarika ny fijerin’ny olona ho any Aminy mihitsy Izy fa nampitodika kosa ireo mpanara-dia Azy ho any amin’ny Ray, ka nampianatra hoe: “Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy” (Jaona 12:44).
Ao anatin’ny fanoloran-tenany hanaraka ny Mpamonjy, ireo tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony izay voalaza ao amin’ity lahatsoratra ity dia miresaka momba ny fampisehoany ny fahamaotinana any anatiny sy ety ivelany ary mizara ny fomba nahafahan’ny fanoloran-tenany hankalaza an’Andriamanitra namolavola ny toetrany sy nitarika ny zavatra ataon’izy ireo.
Mankalaza an’Andriamanitra ary Aelezo ny Fahazavana
Mahatakatra bebe kokoa ny fomba hankalazan’ny fahamaotinana an’Andriamanitra isika rehefa mahatakatra ny tena atao hoe fahamaotinana. Ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana dia manazava hoe: “Ny fahamaotinana dia toetra feno fanetren-tena sy fanajana aseho eo amin’ny fitafiana, ny bika aman’endrika, ny fiteny, ary ny fihetsika. Raha maotina ianao dia tsy manao zavatra diso tafahoatra izay mampisarika ny fijerin’ny hafa ho any aminao. Fa ianao kosa dia hikatsaka ny ‘hankalaza an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vatanao, sy amin’ny alalan’ny fanahinao’ (1 Korintiana 6:20).”1
Rehefa miezaka mampiseho ny fahamaotinana tahaka ny nataon’ny Mpamonjy isika, dia manasa ny Fanahy Masina ho ao amin’ny fiainantsika, ka manatanteraka ilay fampanantenana fa “raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’[Andriamanitra] ny masonareo, dia ho feno fahazavana ny vatanareo manontolo” (F&F 88:67). Eo am-pamakianao ny fomba fahatakaran’ny tanora hafa ny fahamaotinana dia azonao atao ny misaintsaina ny fomba hampitomboanao ny fahazavana ara-panahinao manokana amin’ny alalan’ny fanisiana fiovana mba hampivoatra ny fanoloran-tenanao any anaty mba ho maotina sy ny fanehoanao izany ety ivelany.
Aoka Ianao mba ho Maotina amin’ny Fiteny sy ny Fihetsika
“Misy fiantraikany lalina eo aminao sy ireo hafa ny fiteninao sy ny fihetsikao. Mampiasà fiteny madio, sy mifono zavatra tsara ary mampivoatra ary manehoa koa fihetsika izay mitondra fifaliana ho an’ireo izay manodidina anao. Ny ezaka ataonao mba ho maotina eo amin’ny fiteny sy ny zavatra atao dia mitondra any amin’ny fahazoana fitarihana sy fankaherezana avy amin’ny Fanahy Masina izay tsy mitsaha-mitombo.”2
Manazava i Dar’ja Sergeevna Shvydko avy any Volograd, Russie, fa maotina amin’ny fiteny isika rehefa manaja ny hafa sy mampiasa “feo malefaka sy maneho amim-pahatoniana ny eritreritsika ary tsy mampiasa teny manafintohana na tsy mendrika.” Ny fiteny maotina dia tsy ahitana fifosana, fandrabirabiana, fanesoana, ary fanebahana. Tsy manambany ny hafa na manandratra ny tena na oviana na oviana izany; fa maneho hatsaram-panahy tsotra izao amin’ireo zanaky ny Ray any an-danitra rehetra sy manaiky ny maha avy amin’Andriamanitra azy ireo.
Ny teny ataontsika koa dia tokony haneho koa fanajana ho an’ny Andriamanitra: “Ialao ny fiteny maloto sy ny fampiasana tsy am-pitandremana sy tsy amim-panajana ny anaran’ny Tompo izay tena fahita matetika eo amin’izao tontolo izao. … Manakana anao tsy hanana ny fahafahana handray ny bitsika malefaky ny Fanahy Masina ny endrika tsy maotina asehon’ny fiteny … toy izany.3
Tahaka ny fiteny tsy maotina toy ny fifosana sy ny fandrabirabiana izay manimba ny fifandraisana, dia mampitombo fanoloran-tena lalina kokoa ho an’Andriamanitra ny fiteny maotina ary, araka ny hazavain’i Kellly Prue avy any Utah, États-Unis, hoe: “mampitombo ny fahafahantsika manorina fifandraisana mahafinaritra amin’ny hafa. Ny fiteny maotina ataontsika dia mamporisika ny hafa hamoaka ny tena tsara indrindra avy aminy.”
Ny fahamaotinana amin’ny fiteny sy amin’ny fihetsika dia miara-miasa. “Zava-dehibe ny maotina amin’ny fiteny sy ny fihetsika satria izany no maneho ny maha-ianao anao sy mampisy lanja anao,” hoy i Mike Olsen avy any Utah. Tsikaritry ny olona rehefa tsy mifanaraka ny teny sy ny fihetsika. Ny fitenintsika izay mankahery ny hafa sy mankalaza an’Andriamanitra dia tokony hampiarahana amin’ny asa mifanaraka amin’izany. Amin’ny alalan’ny fanaovantsika asa fanompoana sy fanehoantsika fahatsaram-panahy, dia asehontsika fa ny fanoloran-tenantsika hankahery ny hafa sy hanaja an’Andriamanitra dia lalim-paka kokoa noho ny teny ataontsika. Ny ohatra maneho ny maha-mpianatra antsika amin’ny fiteny sy ny atao dia afaka mitaona ny hafa hanao ny tsara.
“Tena tiako ny fahamaotinana amin’ny fihetsika sy ny fiteny,” hoy i Carrie Carlson avy any Colorado, États-Unis. “Misy zavatra mahafinaritra ao amin’ny olona iray izay manetry tena sy tsy manao ny zavatra mba hisarihana ny fijerin’ny hafa. Ireo izay miteny amim-pahamaotinana dia tonga fanaka mahery ho an’ny Tompo.”
Aoka Ianao ho Maotina amin’ny Fitafiana sy ny Endrika Isehoana
“Ny fahamaotinana [amin’ny fitafiana] dia manampy amin’ny famoahana ny tsara indrindra amintsika amin’ny fanampiana antsika hifantoka amin’ny ara-panahy fa tsy amin’ny olona araka ny nofo,” hoy i Paul Cave avy any Utah. Rehefa manao fitafiana maotina isika dia mamporisika ny hafa hahafantatra antsika sy ho tia antsika amin’ny maha-isika antsika sy amin’ny toetrantsika fa tsy amin’ny endrika isehoantsika.
Ny fomba fitafiantsika dia tsy vitan’ny hoe milaza amin’ny hafa ny fomba tokony handraisany antsika, fa misy fiantraikany ihany koa amin’ny fomba fijerintsika sy fandraisantsika ny tenantsika. “Ny filazantsara dia mampianatra antsika fa ny vatantsika dia fanomezana avy amin’Andriamanitra,” hoy i Luis DaCruz Junior avy any Brésil. “Ny vatantsika dia manampy antsika hivoatra ka ho tonga tahaka ny Raintsika any an-danitra.” Noho izany dia zava-dehibe ny fanaovana fitafiana maotina. Rehefa manao izany isika, dia mampiseho amin’Andriamanitra sy ny hafa fa manaja izany fanomezana izany isika sy manaja ny hafa.”4
Manazava i Carrie hoe: “Ny fitafiana tsy maotina dia natao hanehoana fa ny vatana dia zavatra iray tafasaraka tanteraka amin’ny fanahy izay manana ny maha-izy azy sy ny toetrany. Ny fahamaotinana, na dia nandaniako vola bebe kokoa aza indraindray ary nandaniako fotoana bebe kokoa indrindra indrindra, dia nanampy ahy hianatra fa ny vatako dia fanaka natao hitoeran’ny fanahy sarobidy iray izay manana fahafahana hivoatra sy manana anjara araka an’Andriamanitra, izay nateraka sy notaizan’ny Ray aman-dreny any an-danitra. Mendrika fikarakarana sy fanajana bebe kokoa noho izay omen’izao tontolo izao izany.
Ny Miorim-paka amin’ny Finoana dia mampianatra hoe: “Ankoatra ny fialana amin’ny [fitafiana tsy mendrika], dia tokony hiala amin’ny fitafiana sy endrika ety ivelany ary taovolo mihoatra ny mety ianao. Aoka ianao hilamina sy hadio hatrany eo amin’ny fitafy, eo amin’ny bika aman’endrika ary amin’ny fihetsika atao, ka tsy hisarita-pitafy na hanao fiakanjo tsy mendrika na oviana na oviana.”5 Maneho ny fanajantsika an’Andriamanitra sy ny tenantsika ary ny hafa isika amin’ny fomba fitafiantsika sy ny endrika isehoantsika ety ivelany.
Manolora tena fa tsy Hiovaova
Rehefa miezaka ny hanaraka ireo fenitry ny filazantsara momba ny fahamaotinana isika, dia maneho ny fanoloran-tenantsika amin’ny alalan’ny tsy fiovaovana, sy tsy fialana amin’ireo didin’ny Tompo amin’ny fotoana rehetra fa tsy amin’ny fotoana mety amintsika fotsiny ihany.
Ny fanoloran-tena marina dia mifototra tanteraka foana amin’ireo fitsipiky ny filazantsara. Manazava i Anthony Roberts avy any Utah hoe: “Ny fahamaotinana dia toe-tsaina, faniriana handeha isan’andro amin’ny lalana izay mifanaraka amin’ny fahatakarana ny filazantsara sy ny drafitry ny famonjena.” Rehefa tafalatsaka ao anatin’ny filazantsara isika, dia afaka ny hihalalina sy hampitombo ny faniriantsika hiaina ny fitsipiky ny filazantsara ny fiovam-pontsika.
Takaro ny Maha-avy Any an-danitra Anao
Ny fijanonana ho maotina hatrany dia manampy antsika hahatakatra sy ho tia ny zo azontsika amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, ary ny fahafantarana ny maha-avy any an-danitra antsika dia afaka hitaona antsika ho tonga maotina kokoa. Manazava i Raffaella Ferrini avy any Florence, Italie hoe: “Ny fahamaotinana dia mitahy ny fiainako satria manampy ahy hahatsapa fa zanaka vavy tena hafa kelin’ny Raiko any an-danitra aho, ary izany fahafantarana izany indray, dia mahatonga ahy haniry ny ho maotina.”
Ny famelantsika izao tontolo izao hamaritra ny maha-izy antsika dia mety hanimba ny fomba fijerintsika ny tenantsika. Milaza momba ny zavatra niainany i Julianna Auna avy any Utah: “Talohan’ny nahazoako fijoroana ho vavolombelona momba ny fitsipiky ny fahamaotinana, dia nitoetra tao anatin’ny tsy fifaliana sy voahodidina loza ara-panahy aho. Ny famelako izao tontolo izao hamaritra ny maha-olona ahy dia nahakivy sy nanimba ahy ara-panahy satria masiaka sady tsy an-kiato ny fitadiavan’izao tontolo izao ny zavatra ara-nofo sy ireo zavatra ara-batana. Vao nanapa-kevitra ny tsy hihaino izao tontolo izao aho fa hamela kosa ny fifandraisako amin’Andriamanitra hamaritra ny maha-olona ahy, dia lasa mora kokoa ny fiainana ary nahitana fahalalahana ary fifaliana bebe kokoa.” Rehefa mikatsaka ny fankatoavan’ny Ray any an-danitra isika fa tsy ny an’izao tontolo izao, dia hahita fifaliana lehibe kokoa amin’ny fiainana ary fahazotoana bebe kokoa mba ho maotina.
Fiainana Tsotra no Hiaino
“Ny fahamaotinana dia miseho amin’ny zavatra rehetra ataontsika: ny fitenintsika, ny endrika isehoantsika ety ivelany, ny fitondrantenantsika, eny fa na ny toerana alehantsika aza,” hoy i Galina Viktorovna Savchuk avy any Novosibirsk, Russie. Ny fananana fiainana tsotra dia mifamatotra akaiky amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’ny filazantsara sy amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.
Ny tena fahamaotinana marina dia ny fikambanan’ny fitondrantena sy ny fihetsika. Ny fiezahana hanatsara na ny fitondrantenantsika na ny toe-tsaintsika dia hanampy antsika hanatsara ny fihetsitsika. Ny fahamaotinana amin’ny fitondrantena sy ny endrika ety ivelany izay tsy arahan’ny fananana fiainana feno fanoloran-tena dia misakana antsika tsy handray ireo fitahiana fenon’ny fananana fiainana tsotra. Ny fieritreretantsika fa olon-tsotra isika kanefa tsy manao izay zavatra mifanaraka amin’izany dia famitahan-tena.6
Raha ny fahamaotinana no resahana, ny filazana hoe tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’Andriamanitra ny masontsika dia midika hoe manolo-tena isika ety ivelany sy any anatiny mba hanana fiainana tsotra. Tahaka ny maso tokony hibanjina an’Andriamanitra, dia tokony hifanaraka amin’ireo fitsipiky ny fahamaotinana ny endrika isehoantsika ety ivelany sy ny fihetsika ataontsika. Ny fampitodihana ny maso ho any amin’Andriamanitra fotsiny dia tsy ampy hahatonga azy tsy hibanjina afa-tsy ny voninahiny. Tokony hifantoka any Aminy izany. Toy izany koa, ny fitafiana maotina sy ny bika aman’endrika dia tokony hampiarahana amin’ny fifantohana amin’ireo fitsipika mandrakizay.
Rehefa atodintsika any amin’Andriamanitra ny masontsika, dia ho afaka ny hifantoka moramora kokoa any Aminy ny fijerintsika. Tahaka izany koa, rehefa mifantoka any amin’Andriamanitra ny fijerintsika, dia ho lasa voasarika hitodika mankany Aminy ho azy ny masontsika.
Rehefa miezaka ny hanana fiainana tsotra isika, dia hahatsapa ny fitombon’ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika. Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe: “Ny fahamaotinana dia tena ilaina mba hahatongavana ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina. Ny olona maotina dia olona manetry tena, ary ny fanetren-tena dia manasa ny Fanahy Masina hiaraka amintsika.”7 Rehefa mitarika ny eritreritsika sy ny asantsika ny Fanahy Masina, dia tsy hibanjina afa-tsy ny voninahitr’Andriamanitra ny masontsika ary ho feno fahazavana isika.