2014
Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe
Nôvambra 2014


Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Neil L. Andersen

(28) Nanamafy ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ny misiônera efa tafaverina iray momba an’i Jospeh Smith i Neil L. Andersen.

M. Russell Ballard

(89) Nampitandrina ireo mpandeha an-tsambo kely mba “[h]ijanona ao anaty sambo” ilay mpitari-dia an-drenirano iray teo am-piomanan’izy ireo handeha hamakivaky ny renirano mahery fikoriana iray.

David A. Bednar

(107) Nizara tamin’ireo namany ny fitsaboana natao taminy ny zanakalahin’i David A. Bednar taorian’ny nitsaboana azy vokatry ny ratra kely nahazo azy.

Linda K. Burton

(111) Nahazo fanahy voatefy tsara ny mpitory filazantsara iray rehefa nahavita ny asa fitoriany izay nanolorany ny fony, ny heriny, ny sainy ary ny tanjany ho an’ny Tompo.

Tad R. Callister

(32) Nanova tanteraka ny fiainan’i Ben Carson ny reniny. Nampianarin’ny reniny ny filazantsara ilay zazavavy kely Libaney. Nampianarin’ny ray aman-dreniny ny filazantsara i Tad R. Callister.

Craig C. Christensen

(50) Nizara ny zavatra tian’izy ireo momba ny Filoha Monson ireo diakona maromaro. Nahazo fijoroana ho vavolombelona tamin’ny alalan’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna i Craig C. Christensen.

D. Todd Christofferson

(16) Nilaza tamin’ny mpanompony ny Mpanjaka Henry V fa samy tompon’andraikitra amin’ny fanahiny ny tsirairay. Nanaiky ny halevina any amin’ny fasana ny lehilahy iray izay mihevitra ny tsy hikarakara ny tenany.

Quentin L. Cook

(46) Nanamarin-tena tamin’ny tsy fahazoany ireo baolina nisidina ambony i Lucy ao amin’ilay sary miaina mampihomehy Peanuts. Nanao safidy izay tsy mifanaraka amin’ireo tanjony dia ny hitory ny filazantsara sy hanambady any amin’ny tempoly ny zazalahy iray. Nanamafy ny tokony hanarahan’i Quentin L. Cook ny torohevitry ny rainy ny firesahana tamin’ilay mpanazatra baolina tao amin’ny lycée.

Dean M. Davies

(53) Namonjy ireo mpikambana sy tsy mpikamban’ny Fiangonana ny Fiangonana sy ireo mpikambana tao Filipina taorian’ilay rivo-doza nandravarava.

Cheryl A. Esplin

(12) Nianatra momba ilay hery manafaky ny fanasan’ny Tompo ny mpitarika iray ao amin’ny Zatovovavy. Mankany am-piangonana ny lehilahy iray 96 taona mba hahafahany mandray ny fanasan’ny Tompo.

Henry B. Eyring

(59) Nanampy an’i Henry B. Eyring kely sy ny rahalahiny hiomana amin’ny asa fanompoana ao amin’ny fisoronana ny mpikambana vaovao iray. Naneho fahatokiana tamin’i Henry B. Eyring ny rainy sy ny evekany tamin’ny fangatahana ny fanampiany. Naneho fahatokiana tamin’ny zanakalahin’i Henry B. Eyring ny mpiara-mamangy zokiny iray.

(70) Nivavaka ny renin’i Henry B. Eyring mba handrenesan’ity farany ny tenin’Andriamanitra tamin’ny torohevitra nomeny. Nandray fanambarana hanampiana ireo niharam-boina tamin’ny tondra-drano ireo mpitondra ny Fiangonana tany Idaho, Etazonia. Nahafantatra tamin’ny alalan’ny fanambarana ny vadin’ny lehilahy iray izay nandray ny fahefana hanaovana famehezana fa voantson’Andriamanitra ny vadiny.

Eduardo Gavarret

(37) Nianatra lesona mikasika ny fanarahana ny feon’ny Mpamonjy i Eduardo Gavarret fony izy mpitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno. Nanaraka ny ohatra nasehon’ny zatovovavy 14 taona ny ray aman-dreniny sy ireo iray tampo aminy ka tonga mpikamban’ny Fiangonana. Nanaiky ny handray ireo misiônera sy ny hafany ny ray amand-renin’i Eduardo Gavarret.

Carlos A. Godoy

(96) Nandranto fianarana fanampiny i Carlos A. Godoy, niaraka tamin’ny fanampian’ny vadiny, mba hahazoana ireo fitahiana nampanantenaina tao amin’ny tsodranony avy amin’ny patriarika.

Robert D. Hales

(80) Nahazo fijoroana ho vavolombelona momba Ny Andriamanitra avy amin’ny ray aman-drenininy, ny mpampianatra azy, sy ny soratra masina ary ny Fanahy Masina i Robert D. Hales fony tanora.

Jeffrey R. Holland

(40) Niverina avy any Alemana tamin’ny kapany i Thomas S. Monson rehefa nomeny olona ny kirarony sy ny palitaony ary ny lobany.

Larry S. Kacher

(104) Voasariky ny sinto-dranomasina i Larry S. Kacher sy ny vadiny kanefa afaka namonjy ny moron-dranomasina noho ny fanampiana avy amin’Andriamanitra. Nitarika ny fianakaviany hiala ny Fiangonana ny lehilahy roa vokatry ny safidy nataony. Nitondra fitahiana ho an’ireo taranany ny ray aman-drenin’ny vadin’i Larry S. Kacher tamin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara sy fampianarany an’izany tamin’ireo zanany.

Jorg Klebingat

(34) Nanoro hevitra ny rahavavy iray tao amin’ny Misionan’i Kiev Ukraine i Jörg Klebingat mba tsy hanome tsiny be ny tenany noho ireo fahalemeny.

Neill F. Marriott

(117) Nandao ny tempoly niaraka tamin’ny fahalalana fa afaka mahatoky ny Mpamonjy i Neill F. Marriott. Taorian’ny fahaverezan’ny zanakalahy kelin’i Neill F. Marriott dia namporisika ny fianakavian’izy ireo hivavaka ny zanakavaviny. Nitanisa ny “Ilay Kristy Velona” ireo zatovovavy miisa sivin-jato tany Alaska.

Hugo E. Martinez

(102) Nanampy ilay ray izay nanana zanakavavy marary ny Filoha Monson. Nitatitra rano ho an’ny fianakaviana Martinez ireo rahalahy taorian’ny rivo-doza.

Thomas S. Monson

(67) Voan’ny torpille ny familiana ilay sambo mpiady Bismarck ka nahatonga azy tsy afaka nanaraka ny lalana voasoritra.

(86) Mitsidika ny tokantranon’ny mpivady mpifindra monina Alemana ireo mpikamban’ny Fiangonana any Kanada mba hahafahan’izy ireo mahatsapa ny fanahy feno fiadanana ao amin’ilay trano.

Russell M. Nelson

(74) Taorian’ny fandidiana nataony tamin’ny Filoha Spencer W. Kimball dia nandray fijoroana ho vavolombelona i Russell M. Nelson fa ho lasa mpaminany ny Filoha Kimball.

Dallin H. Oaks

(25) Natao batisa ilay vady iray tsy mpikamban’ny Fiangonana vokatry ny faharetana sy ny hatsaram-panahin’ilay vehivavy vadiny.

Allan F. Packer

(99) Noho ny fifantohan’i Allan F. Packer kely tamin’ny fanapahana hazo dia hadinony ny nanala ny fonon’ny famakiny.

Boyd K. Packer

(6) Takatry ny vehivavy iray fa efa nanonitra ireo zavatra tsy rariny natao taminy ny Mpamonjy.

L. Tom Perry

(43) Nampahatsiahy ny reniny ny maha-zava-dehibe ny vavaka atao alohan’ny hatory ny zafikelilahin’ny Filoha Harold B. Lee.

Lynn G. Robbins

(9) Nanontany an’i Lynn G. Robbins ny Filoha Boyd K. Packer hoe aiza no itodihany mba hampahatsiahivana aminy fa misolo tena ny mpaminany eo anatrehan’ny olona izy.

Jean A. Stevens

(114) Nihazona mafy tamin’ireo fanekempihavanany sy ny fitiavany ny Tompo ny ray aman-drenin’i Jean A. Stevens. Niomana ho amin’ny fanekempihavanan’ny tempoly ireo zatovovavy.

Dieter F. Uchtdorf

(56) Nanahiran-tsaina ity lehilahy iray ny voninkazo pisanilia mavo iray teo amin’ny tokotanin’ilay mpifanolobodirindrina aminy. Nohosoran’ny mpamaky banky iray voasary makirana ny tarehiny satria nino izy fa tsy ho hitan’ny caméras raha manao izany. Nifarana tamin’ny fisaraham-panambadiana ny tokantrano 11 tao amin’ny paroasy iray izay toa hita matanjaka izany ety ivelany.

(120) Tonga nanampy ity reny tokan-tena izay sahirana tamin’ny zanany roa marary ireo mpamangy isan-tokantrano.

Hamoaka printy