2014
Afaka Mandrakizay, Hihetsika ho Azy
Nôvambra 2014


Afaka Mandrakizay, Hihetsika ho Azy

Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hahatonga antsika ho lehilahy sy vehivavy mahaleo tena afaka manakatra tanteraka ilay tena maha-izy azy antsika na ara-nofo na ara-panahy.

Ilay tantara an-tsehatra nosoratan’i William Shakespeare hoe The Life of King Henry V (Ny fiainan’ny Mpanjaka Henri Fahadimy) dia ahitana sehatra iray mitranga amin’ny alina ao amin’ny tobin’ny miaramila Anglisy ao Agincourt, mialoha kelin’ny adin’izy ireo tamin’ny tafika frantsay. Nandehandeha teny anivon’ireo miaramilany ny Mpanjaka Henri ka tsy fantatr’izy ireo noho ny andro maizimaizina sy noho izy nanova endrika. Niresaka tamin’izy ireo izy ka niezaka nanombantombana ny tokinain’ireo miaramila izay vitsy an’isa raha oharina amin’ny fahavalo. Ary satria tsy tsikaritr’izy ireo hoe iza izy dia tsy nihafahafa izy ireo teo amin’ny fanehoany hevitra. Nandritra ny ady hevitra dia niresaka izy ireo momba ny hoe iza no tompon’andraikitra amin’izay mitranga amin’ny olona any an’ady—ny mpanjaka sa ny miaramila tsirairay.

Nisy fotoana nanambaran’ny Mpanjaka Henri hoe: “Raha ny hevitro dia mahafaly ahy kokoa ny hoe maty ato anivon’ny tafiky ny mpanjaka toy izay any amin’ny toerana hafa satria rariny ny foto-kevitra ijoroany.”

Namaly i Michael Williams hoe: “Mihoatra noho ny zavatra fantatray izany.”

Niombon-kevitra taminy ny namany ary nilaza hoe: “Eny, na mihoatra noho ny zavatra tokony hezahinay ho fantarina; satria ampy ho anay ny mahafantatra fa mpanompon’ny mpanjaka izahay. Raha diso ny foto-keviny dia tsy meloka amin’izany izahay satria mankatò azy fotsiny.”

Nampian’i Williams hoe: “Raha tsy marina ny foto-keviny dia ny mpanjaka ihany no tompon’andraikitra amin’izay rehetra natao hanatanterahana izany.”

Tsy nahagaga raha tsy niombon-kevitra ny Mpanjaka Henri. “Manana adidy amin’ny Mpanjaka ny mpanompony tsirairay; saingy ny olona tsirairay dia tompon’andraikitra amin’ny fanahiny ihany.”1

Tsy nanandrana namaha io ady hevitra io i Shakespeare ao amin’io tantara an-tsehatra io, ary na amin’ny endriny manao ahoana na manao ahoana dia ady hevitra mbola mitohy izy io hatramin’izao androntsika izao—iza no tompon’andraikitra amin’izay mitranga eo amin’ny fiainantsika?

Rehefa miharatsy ny toe-draharaha dia misy fironana hanome tsiny ny hafa na an’Andriamanitra mihitsy aza. Indraindray dia manomboka mahatsapa ny olona hoe misy mikarakara izy ary miezaka ny manilika andraikitra amin’olon-kafa na amin’ny fanjakana mikasika izay hahatsara ny fiainany. Eo amin’ny resaka ara-panahy dia misy ny mihevitra fa tsy ilain’ny lehilahy sy ny vehivavy ny mikatsaka izany fahamarinan’ny tena manokana izany satria tian’Andriamanitra isika ary vonjeny “fotsiny araka izay toetra ananantsika eo.”

Saingy ny tanjon’Andriamanitra dia ny hiasan’ireo zanany araka ny fahafahana misafidy izay nomeny azy ireo, ka ny olona tsirairay dia ho azo ampamoahina ny amin’ny fahotany amin’ny andro fitsarana.”2 Ny tanjony sy ny faniriany dia ny mba hihazonantsika ilay anjara milalao ny mpandray fanapahan-kevitra voalohany eo amin’ny tantaran’ny fiainantsika. Tsy haka ny toerantsika mba hiaina ny fiainantsika Andriamanitra na hifehy antsika toy ny mariônety, izay zavatra efa naroson’i Losifera tamintsika indray mandeha. Ary na ireo mpaminany aza dia tsy hanaiky izany anjara asa hoe “mpampihetsika mariônety” eo amin’ny toeran’Andriamanitra izany. Nilaza i Brigham Young: “Tsy tiako ho afa-po amin’izay zavatra ataoko ny Olomasin’ny Andro Farany eto amin’ity izao tontolo izao ity na any an-danitra raha tsy hoe ataon’ny Fanahin’i Jesoa Kristy Tompo—ilay fanahin’ny fanambarana, afa-po izy. Tiako izy hahafantatra ho an’ny tenany manokana sy hahazo fahatakarana ho an’ny tenany manokana.3

Noho izany dia tsy mamonjy antsika “araka izay toetra ananantsika eo,” Andriamanitra satria raha “izay toetra ananantsika eo” no jerena dia tsy madio isika ary “tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra … eo anatrehany; fa amin’ny fitenin’i Adama dia Lehilahin’ny Fahamasinana no anarany ary ny anaran’ny Lahitokany dia Zanak’Olon’ny Fahamasinana.”4 Ary faharoa, Andriamanitra dia tsy hanao izay hahatonga antsika amina zavatra iray izay tsy nosafidiantsika akory tamin’ny alalan’ny fanaovantsika asa mba hahatongavana any amin’izay tiantsika hahatongavana. Tena tia antsika Izy ary noho izay fitiavany antsika izay dia tsy mba manery na manary antsika Izy. Fa manampy sy mitantana aza Izy. Raha ny marina ny fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany dia ny didiny.

Tokony hifaly isika (ary tena mifaly) amin’ilay drafitra napetrak’Andriamanitra izay ahafahantsika manao safidy mba hihetsika ho an’ny tenantsika sy hiaina ny vokany, na araka ny filazan’ny soratra masina azy hoe “manandrana ny mangidy mba hahaizantsika mankamamy ny tsara.”5 Velom-pankasitrahana mandrakizay isika fa nandresy ilay fahotana tany am-piandohana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ka nahafahantsika ho teraka eto amin’ity izao tontolo izao ity kanefa tsy ho saziana noho ny fandikan-dalàn’i Adama.6 Rehefa navotana tahaka izany tamin’ny Fahalavoana isika dia manomboka ny fiainana tsy manan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ary “tonga afaka mandrakizay, mahalala ny tsara sy ny ratsy; mihetsika ho azy fa tsy etsehina.”7 Afaka misafidy ny ho lasa izay tiantsika hahatongavana isika, ilay karazan’olona hahatongavantsika ary noho ny fanampian’Andriamanitra aza dia afaka ny ho tonga tahaka Azy mihitsy.8

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no manokatra ny lalana ho an’izay mety ahatongavantsika. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fahasoavany no ahafahan’ny tsy fahombiazantsika eo amin’ny fanarahana tanteraka hatrany ny lalàna selestialy eto an-tany ho voafafa ka dia afaka mahazo toetra iray tahaka ny an’i Kristy isika. Ny fahamarinana anefa dia mitaky ny tsy hitrangan’izany rehetra izany raha tsy misy ny fanekentsika an-tsitrapo sy ny fandraisantsika anjara. Efa toy izany hatramin’izay. Ny fahatongavantsika eto ambony tany amin’ny maha-olombelona manana vatana antsika dia vokatry ny safidy iray izay nataontsika mba handray anjara amin’ny drafitry ny Ray.9 Noho izany ny famonjena dia tsy vokatry ny haitraitran’Andriamanitra nefa tsy zavatra izay tanteraka araka ny sitrapon’Andriamanitra fotsiny ihany koa izany.10

Ny fahamarinana dia toetra manan-danja iray an’Andriamanitra. Afaka mino an’Andriamanitra isika satria azo itokisana tanteraka Izy. Mampianatra antsika ny soratra masina hoe “Andriamanitra tsy mandeha amin’ny lalana miolikolika, ary tsy mitodika any ankavanana na any ankavia Izy ary tsy mivadika amin’izay efa nolazainy, koa mahitsy ny lalany ary hodina mandrakizay ny diany”11 ary koa hoe “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”12 Miantehitra amin’ilay toetra maha-araka an’Andriamanitra ny fahamarinana isika mba hananana finoana sy fahatokiantena ary fanantenana.

Saingy noho ny maha-marina tanteraka an’Andriamanitra dia misy zavatra sasany izay tsy azon’Andriamanitra atao. Tsy azony atao kisendrasendra ny hoe hamonjena ny sasany ary hanamelohana ny hafa. “Tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra”13 Izy. Tsy afaka mamela ny famindrampo Izy hanitsakitsaka ny fahamarinana.14

Porofo mandresy lahatra ny maha-marina an’Andriamanitra ny nametrahany ny fitsipiky ny famindram-po. Noho Izy marina no nametrahany fomba ahafahan’ny fahamarinana hampiasa ny anjara asany tena ilaina indrindra eo amin’ny anjarantsika mandrakizay. Koa ankehitriny “ny fahamarinana dia mampihatra ny fitakiany rehetra, ary ny famindrampo koa dia mitaky izay rehetra azy.”15

Fantatsika fa “ny fijaliana sy ny fahafatesan’ Ilay tsy nanota, izay nankasitrahan’ [ny Ray] tokoa; … ny ran’ny Zana[ny] izay nalatsaka”16 no manefa ny fitakian’ny fahamarinana sy manolotra famindrampo ary manavotra antsika.17 Noho izany, “araka ny fahamarinana, ny drafitry ny fanavotana dia tsy ho azo notanterahina, raha tsy noho ny fibebahana.18 Ny fepetra takian’ny fibebahana sy ny fahafahana mibebaka no ahafahan’ny famindrampo hampihatra ny asany kanefa tsy mandrava ny fahamarinana.

Maty i Kristy tsy hoe mba hanavotra ny olona araka ny kisendrasendra fa mba hanolorana fahafahana mibebaka. Isika dia miantehatra “tanteraka amin’ny fahamendrehan’ilay Mahery ka mahavonjy”19 ao anatin’ny fizotran’ny fibebahana saingy ny firosoana hibebaka dia fiovana an-tsitrapo. Noho izany rehefa nanao ny fibebahana ho toy ny fepetra takina mba handraisana ny fahasoavana Andriamanitra, dia manome fahafahana antsika hitazona ny andraikitra amin’ny tenantsika Izy. Ny fibebahana dia manaja sy manohana ny fahafahantsika misafidy: “Ary araka izany, ny famindram-po dia afaka manefa ny fitakian’ ny fahamarinana sy mamihina azy ireo amin’ ny sandrin’ ny fiantohana, fa izay tsy mampihatra finoana ho amin’ ny fibebahana kosa dia mankahala ny lalàna manontolon’ ny fitakian’ ny fahamarinana; koa amin’ izay manana finoana ho amin’ ny fibebahana ihany no tanterahina ny drafitry ny famonjena lehibe sy mandrakizay.”20

Zavatra iray ny tsy fahatakarana ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny famindrampony; zavatra iray hafa ny fandavana ny fisian’Andriamanitra sy ny maha-fahefana faratampony Azy, saingy tsy dia hitondra vokany izany—indraindray aza zara raha hitondra vokany—raha oharina amin’ilay hery anaty ananantsika. Ny Andriamanitra iray izay tsy mitaky na inona na inona dia tsy misy hafa amin’ny Andriamanitra iray izay tsy misy. Ny tontolo iray izay tsy manana Andriamanitra, ilay Andriamanitra velona izay nametraka lalàna ara-pitondrantena hitantanana sy handavorariana ny zanany, dia tontolo izay tsy misy fahamarinana sy rariny mitombona. Tontolo izay anjakan’ny hoe samy manana ny tsara sy ny ratsy aminy ny tsirairay.

Izany hoe samy manana ny ratsy sy ny tsara aminy izany ny tsirairay dia midika fa ny olona tsirairay no fahefana faratampony mifehy ny tenany ihany. Mazava ho azy fa tsy ireo izay manda an’Andriamanitra fotsiny ihany no manohana izany fotokevitra izany. Misy olona sasany izay mino an’Andriamanitra kanefa dia mino fa izy tenany no manapa-kevitra hoe ity no marina ary ity no diso. Toy izao no fomba nanambaran’ny tanora iray an’izany: “Heveriko fa ny tenako dia tsy afaka milaza hoe diso ny Hindoisma na hoe diso ny finoana Katôlika na diso ny Episkôpalianina—Miankina fotsiny amin’izay inoanao io araka ny eritreritro. … Tsy mino aho hoe misy ny marina sy ny diso.”21 Ny iray hafa indray raha nanontaniana mikasika izay fototry ny zavatra inoany momba ny fivavahana dia namaly hoe: “Ny tenako ihany no inoako—tena izay mihitsy no hiafarany. Ny tiako ho lazaina dia hoe ahoana no hisian’ny fahefana iray izay hifehy ny zavatra inoanao?”22

Ho an’ireo izay mino fa mety ho marina daholo ny zava-drehetra na inona na inona, dia miendrika ho fanerena ny fahamarinana tsy mitongilana sy mafy orina ary manan-kery amin’izao rehetra izao—“Tsy tokony ho terena aho hino zavatra iray ho marina kanefa tsy tiako.” Saingy tsy manova ny zava-misy izany. Ny fankahalana ny lalàn’ny herintsinton’ny tany dia tsy hanakana ny olona iray hianjera raha mitsambikina amin’ny hantsana izy. Marina koa izany ho an’ny lalàna mandrakizay sy ny fahamarinana. Tsy ny fanoherana ny lalàna mandrakizay sy ny fahamarinana no ahazoana ny fahafahana fa ny fampiharana azy. Fototra manan-danja iorenan’ny herin’Andriamanitra izany. Raha tsy noho ny fisian’ireo fahamarinana mafy orina sy tsy miovaova, dia ho tsy misy dikany ny fanomezan’ny safidy satria tsy ho vitantsika mihitsy ny hahita mialoha sy ny hitsinjo ny vokatry ny zavatra ataontsika. Araka ny nanambaran’i Lehia azy hoe: “Raha milaza ianareo fa tsy misy lalàna, dia milaza koa ianareo fa tsy misy ota. Raha milaza ianareo fa tsy misy fahotana, dia milaza koa ianareo fa tsy misy fahamarinana. Ary raha tsy misy fahamarinana dia tsy misy fahasambarana. Ary raha tsy misy na fahamarinana na fahasambarana, dia tsy misy famaizana na fahoriana. Ary raha tsy misy ireo zavatra ireo, dia tsy misy Andriamanitra. Ary raha tsy misy Andriamanitra, dia tsy misy na isika na ny tany; satria tsy ho nisy ny fahariana ny zavatra na ny mihetsika na ny hetsehina izany; noho izany dia tsy maintsy ho nanjavona ny zava-drehetra.”23

Na eo amin’ny resaka ara-nofo na ny resaka ara-panahy, ny maha-tompon’andraikitra amin’ny tenantsika dia fanomezana avy amin’Andriamanitra izay raha tsy nisy dia tsy ho afaka isika hahatratra ny fahafenoan’ny hery anatintsika amin’ny maha-zanakavavy sy zanakalahin’Andriamanitra antsika. Ny maha-tompon’andraikitra ny tena dia lasa sady zo no adidy izay tsy maintsy arovantsika hatrany hatrany; notafihana hatrany izany efa hatrany alohan’ny Fahariana. Tsy maintsy miaro ny maha-tompon’andraikitra ny tena isika eo anatrehan’ireo olona sy ireo zavatra aroso (indrindra omban’ny faniriana tena tsara) izay manao izay hampiankin-doha antsika amin’izy ireny. Ary tokony harovantsika izy io eo anatrehan’ny fironan’ny tenantsika ihany hiala amin’ny asa takina mba hikolokoloana ireo talenta sy fahaiza-manao ary toetra tahaka ny an’i Kristy.

Misy tantara iray voalaza momba ny lehilahy iray izay tsy te hiasa tsotra izao. Tiany hoe hisy olon-kafa foana hikarakara ny zavatra rehetra ilainy. Araka ny fiheviny dia manana adidy ny Fiangonana na ny fanjakana, na izy roa tonta ireo, hiantoka ny fiainany satria hono izy nandoa ny hetrany sy ny fahafolonkarenany. Tsy nanana hanin-kohanina izy saingy nandà tsy hiasa hikarakarana ny tenany. Kivy sy rikoriko ireo izay niezaka nanampy azy ka dia nanapa-kevitra, noho izy tsy te hanao na dia ezaka kely monja aza hikarakarana tena, fa azon’izy ireo atao koa ny milanja azy ho eny am-pasana ary hamela azy ho faty ho azy. Teny an-dalana ho eny am-pasana, dia nisy olona iray niteny hoe: “Tsy azontsika atao izao. Manana katsaka aho ao homena azy.”

Ka dia nohazavain’izy ireo tamin’ilay lehilahy izany ary nanontany izy hoe: “Efa nesorina ve ny hodiny?”

Dia namaly ireo hoe: “Tsia.”

“Raha izany,” hoy izy, “dia tohizo ny dia.”

Sitrak’Andriamanitra ny haha-lehilahy sy vehivavy afaka antsika, afaka manakatra tanteraka ilay tena maha-izy azy antsika na ara-batana izany na ara-panahy, mba ho afaka amin’ireo fetra mahamenatry ny fahantrana sy ny famatoran’ny fahotana, mba hananantsika hajan’ny tenantsika manokana sy fahaleovantena, ka ho vonona amin’ny zava-drehetra ny hiaraka Aminy ao amin’ny fanjakana Selestialiny.

Tsy inoako ilay hevi-diso hoe azo tratrarina amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika samirery izany, tsy mila fanampiana mivaingana sy tsy tapaka avy Aminy. “Fantatsika fa noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.”24 Ary tsy mila maneho fahaiza-manao kely na hatsaram-panahy kely akory isika dia efa tonga ny fanampian’Andriamanitra—fanampiana avy Aminy izay afaka ny ho azontsika isan’andro isan’ora, na aiza na aiza misy antsika eo amin’ilay lalan’ny fankatoavana. Saingy fantatro fa ankoatra ny faniriantsika hahazo ilay fanampiany, dia tsy maintsy miezaka, mibebaka, ary misafidy an’Andriamanitra isika mba hahafahany miasa eo amin’ny fiainantsika araka ny rariny sy ny fahafahantsika misafidy. Ny fiangaviako dia ny hoe ho tompon’andraikitra fotsiny ary mandeha miasa mba hisy hahafahan’Andriamanitra manampy antsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra Ray, fa i Jesoa Kristy Zanany no Mpanavotra antsika ary miaraka amintsika ny Fanahy Masina. Azo antoka fa maniry hanampy antsika Izy Ireo, ary tsy misy fetra ny fahafahan’izy ireo manampy. Aoka isika “hifoha ary hiarina avy ao amin’ny vovoka, … mba hahazoana manatanteraka ny fanekempihavanan’ny Ray Mandrakizay, izay efa nataony tamin[tsika].”25 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.