2014
Moa tsy mpangataka avokoa va isika?
Nôvambra 2014


Moa Tsy Mpangataka Avokoa Va Isika?

Na manan-karena isika na mahantra dia tokony “hanao izay azontsika atao” rehefa sahirana ny hafa.

Mahatalanjona izao zava-baovao nampidirina tato amin’ny fihaonambentsika maneran-tany izao. Bien hecho, ry Eduardo.

Tamin’ilay fotoana nahatalanjona indrindra teo amin’ny asa fanompoana nataon’i Jesoa teto an-tany dia nitsangana tao amin’ny synagoga tao Nazareta izay nahalehibe azy Izy ka namaky ireto teny naminanian’i Isaia ireto ary voarakitra ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka izany: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra, … [ary] hanafaka izay nampahoriana.”1

Tamin’ny alalan’izany no nanaovan’ny Mpamonjy fanambarana ampahibemaso voalohany momba ny asa fanompoany amin’ny maha-Mesia Azy. Manazava ihany koa anefa ity andininy ity fa teny an-dalana nitondra nankany amin’ilay sorompanavotany tsy manam-petra sy ny Fitsanganany amin’ny maty, dia ny hitahy ny mahantra, ka anisan’izany ireo mahantra ara-panahy, no adidin’i Jesoa voalohany sy manan-danja indrindra amin’ny maha-Mesia Azy.

Hatrany am-piandohan’ny asa fanompoany dia nitia ireo mahantra sy sahirana tamin’ny fomba niavaka i Jesoa. Nateraka tao an-tranon’ny roa tamin’ireny Izy ary lehibe teo anivon’ny maro tamin’izy ireny. Tsy fantatsika ny ambangovangon’ny fiainany teto an-tany, saingy niteny Izy indray mandeha hoe: “Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.”2 Toa tsy nanan-kialofana ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany “sy ny zava-drehetra eo aminy, farafaharatsiny aloha nandritra ny fiainany tamin’ny naha-olon-dehibe Azy.”3

Tao anatin’ny tantara rehetra hatrizay ka hatramin’izao dia ny fahantrana no anisan’ny olana lehibe sy mihanaka indrindra atrehin’ny olombelona. Ny olana aterany hita mazava dia mazàna ara-batana, kanefa mety handrendrika bebe kokoa aza ny fahasimbana ara-panahy sy ara-pihetsehampo entiny. Na manao ahoana na manao ahoana dia tsy nanao antso maharitra kokoa noho ny fiantsoana antsika hiara-hanaisotra Aminy ity enta-mavesatra ity eo amin’ny olona ilay Mpanavotra lehibe. Amin’ny maha-Jehovah Azy dia nilaza Izy fa hitsara an’i Isiraely amim-pahasiahana tokoa satria “ao an-tranonareo ny fananan’ny [mahantra].”

“Ahoana ny hevitrareo” hoy ny Tompo “no dia hosihosenareo ny oloko, ary torotoroinareo ny tavan’ny malahelo?”4

Nilaza izany tamin’ny fomba tena mazava tsara ny mpanoratra ny Ohabolana: “Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy” ary “izay manetsin-tadiny amin’ny fitarainan’ny malahelo dia mba hitaraina [ihany koa] izy, fa tsy hohenoina.”5

Amin’izao androntsika izao, raha mbola tsy feno herintaona akory ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia efa nandidy ireo mpikambana tao ny Tompo mba “hikarakara ny mahantra sy ny sahirana … ka hisahana ny fanampiana azy ireny mba tsy hijaliany.”6 Mariho ilay fomba fiteny mibaiko ao amin’io andininy io—mba tsy hijaliany.” Toy izany no firesaky ny Tompo rehefa hentitra mikasika ny zavatra iray.

Eo anatrehan’ny fanamby goavana amin’ny fandresena ny tsy rariny eto amin’izao tontolo izao dia inona no azon’ny lehilahy iray na ny vehivavy iray atao? Ilay Mpampianatra mihitsy no nanolotra valinteny. Rehefa nohosoran’ i Maria diloilo lafo dia lafo fanao amin’ny fandevenana ny lohan’i Jesoa, mialohan’ny namadihana Azy sy ny nanombohana Azy, dia tsy nankasitraka ity fampiasana diloilo lafo vidy ity i Jodasy ka “tezitra taminy.”7

Fa hoy i Jesoa:

“Nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko. …

“Efa nanao izay azony natao izy.”8

“Efa nanao izay azony natao izy”! Fanazavana fohy sady mahery vaika izany! Nisy mpanao gazety indray andro nanontany an’i Mère Teresa avy any Calcutta mikasika ny asa fanavotana tsy nisy fanantenana nataony tamin’ireo mahantra tao amin’io tanàna io. Hoy izy hoe, raha tarehimarika no jerena dia tsy misy dikany ny zavatra vitan’i Mère Teresa. Namaly mafy ity vehivavy mahatalanjona ity hoe fitiavana no tanjon’ny asany, fa tsy tarehimarika. Na dia teo aza ireo olona tsy tambo isaina tsy azony nampiana dia nilaza izy fa afaka nitandrina ny didy hoe ho tia an’Andriamanitra sy ny namany tamin’ny alalan’ny fanompoana ireo izay azony nampiana tamin’izay mba teo am-pelatanany. “Tsinontsinona ny zavatra ataontsika fa toy ny rano indray mitete ao anatin’ny ranomasina,” hoy izy indray mandeha. “Saingy raha tsy nataontsika anefa izany dia ho tsy ampy rano indray mitete ny ranomasina.”9 Tamim-pahamatorana no namaranan’ilay mpanao gazety fa tsy asa fanenjehana isa no ataon’ny Kristianina. Nambarany fa raha toa ka hisy fifaliana lehibe kokoa any an-danitra noho ny mpanota iray izay mibebaka toy izay noho ny olona sivy amby sivifolo, izay tsy misy tokony hibebahany, dia tsy resaka isan-jato izany no zava-dehibe ho an’Andriamanitra raha ny marina.10

Koa ahoana izany no ahafahantsika “manao izay azontsika atao”?

Voalohany indrindra dia tsy tokony hofihinintsika intsony ny fanampiana eo am-pelatanantsika araka izay nampianaran’ny Mpanjaka Benjamina, noho ny fiheverantsika fa ny olona no nahatonga ny fahantrany teo amin’ny tenany ihany. Angamba ho an’ny sasany dia ny tenany ihany no efa niteraka ny olana mianjady aminy, saingy tsy efa mba nanao izany zavatra izany mihitsy ve isika rehetra? Tsy izany ve no antony anontanian’ity mpanapaka feno famindrampo ity hoe: “Moa tsy mpangataka avokoa va isika?”11 Tsy mitalaho mba hahazo fanampiana sy fanantenana ary valim-bavaka avokoa va isika? Tsy mangataka mba hahazo famelana ireo hadisoana nataontsika sy ireo olana vokatry ny nataontsika avokoa ve isika? Tsy mitalaho avokoa ve isika mba ny famindrampo no hanonitra ny fahalementsika, mba ny famindrampo no handresy ny rariny na dia eo amin’ny zava-mitranga amintsika fotsiny aza? Tsy mahagaga izany raha niteny ny Mpanjaka Benjamina hoe mahazo famelana ny fahotantsika isika amin’ny alalalan’ny fitalahoana amin’Andriamanitra, izay mamaly amin’ny indrafo, kanefa mitana ny famelana ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny famaliana amim-pangorahana ny fitalahoan’ireo mahantra amintsika.12

Ankoatra ny fanehoana fihetsika feno indrafo amin’izy ireo, dia tokony hivavaka ho an’ireo izay sahirana koa isika. Nisy andiana Zôramita izay noraisin’ireo mpiara-mivavaka aminy ho “fahalotoana” sy toy ny “tain-drendrika”—teny ao amin’ny soratra masina ireo—ka noroahina hiala ny trano fivavahan’izy ireo “noho ny fitafiany maraorao.” Hoy i Môrmôna hoe “nahantra izy ireny raha ny amin’ny zavatr’izao tontolo izao; ary nahantra am-po koa”13—toe-javatra roa izay saika tafaraka hatrany. Notoherin’i Almà sy Amioleka izay misiônera mpiara-mitory io fanilikilihana an’ireo izay ratsy fitafiana io tamin’ny filazana tamin’izy ireo fa afaka mivavaka foana izy ireo—any an-tsahany sy any an-tranony, ary ao amin’ny ankohonany sy ao am-pony.14

Saingy niteny tamin’ity andian’olona izay voaroaka ity mihitsy i Amioleka avy eo hoe: “Rehefa avy [nivavaka] ianareo, raha manosi-bohon-tanana ny mahantra sy ny mitanjaka ianareo, ary tsy mamangy ny marary sy ny ory, ary tsy mizara amin’ny fanananareo nefa manana[izany] ianareo, ho an’ireo izay mila izany—lazaiko aminareo, … zava-poana ny vavakareo sady tsy mahasoa anareo na amin’inona na amin’inona izany, ary ianareo dia tahaka ny mpihatsaravelatsihy izay mandà ny finoana.”15 Fampahatsiahivana mahery vaika tokoa izany hoe na manan-karena isika na mahantra dia tokony “hanao izay azontsika atao” rehefa sahirana ny hafa.

Ankehitriny, sao dia enjehina aho hoe manolotra fandaharan’asa ara-piarahamonina goavambe nefa tsy azo tanterahina, na koa hoe manambara fa asa tsara ny fangatahana eny an-dalana, dia aleoko manome antoka anareo indray fa ny fanajako ireo fitsipiky ny fahazotoana, sy ny fitsitsiana, sy ny fizakan-tena ary ny faniriana hahita fahombiazana dia mafy orina toy ny an’ny lehilahy na vehivavy velona na iza na iza izany. Takina hatrany isika hanampy ny tenantsika mialohan’ny hikatsahantsika hanampy ny hafa. Ankoatra izany dia tsy fantatro mazava tsara hoe ahoana no fomba tokony hanatanterahan’ny tsirairay aminareo ny adidinareo amin’ireo izay tsy manampy na tsy afaka manampy ny tenany. Kanefa fantatro fa mahafantatra izany Andriamanitra, ary hanampy sy hitarika anareo Izy amin’ireo asa feno famindrampo atao amin’ny maha-mpianatra rehefa vonona sy mivavaka mafy ianareo ka mikatsaka fomba hitandrovana didy iray izay naverimberiny nomena antsika.

Takatrareo fa eto aho dia miresaka momba ireo zavatra ilain’ny fiarahamonina izay tena manahirana ka tsy ny mpikamban’ny Fiangonana ihany akory no voakasik’izany fa ny rehetra. Soa ihany fa tsotra kokoa ny fomba entin’ny Tompo manampy ireo mpikambana ato amintsika: izay rehetra afaka mitandrina ny lalàn’ny fifadian-kanina dia tokony hitandrina izany. Nanoratra i Isaia hoe:

“Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako? …

“Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka … ? [ny] hanabora[hanao] ny fehin’ny zioga, sy [ny] handefa[sanao] ny ampahorina ho afaka… ?”16

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ireo fahagagana na ara-panahy na ara-batana izay tonga amin’ireo izay miaina ny lalàn’ny fifadian-kanina. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ireo fahagagana izay tonga teo amiko. Tena marina, araka ny noraketin’ i Isaia, fa mihoatra ny indray mandreha no nanandratra ny feoko nandritra ny fifadian-kanina ary tena namaly tokoa Andriamanitra hoe “Inty Aho”.17 Ankafizo io tombontsoa masina io farafaharatsiny isam-bolana, ary aoka ianao ho malala-tanana araka izay azonao atao rehefa manolotra fanatitra amin’ny fifadian-kanina sy mandrotsaka anjara biriky natokana ho an’ny asa fanasoavana sy ny fianarana ary ny asa fitoriana. Mampanantena anareo aho fa ho malala-tanana aminareo Andriamanitra, ary ho ataon’ireo izay nahita fanampiana avy tamin’ny tananareo hoe sambatra mandrakizay ny anaranareo. Mpikambana mihoatra ny dimy alina sy fito hetsy no nahazo fanampiana tamin’ny alalalan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina tamin’ny taon-dasa, izay notanterahina tamin’ny alalan’ireo eveka sy filohan’ny Fikambanana Ifampiana feno fanolorantena. Olomasin’ny Andro Farany marobe feno fankasitrahana izany.

Ry rahalahy sy anabavy isany, ny toriteny toy izany dia mitaky ahy hiaiky ampahibemaso momba ireo fitahiana tsy novidiam-bola, tsy mendrika ho ahy sy tsy misy fiafarany eo amin’ny fiainako, na ara-batana izany na ara-panahy. Toa anareo dia nisy fotoana aho niahiahy mikasika ny lafiny ara-bola, saingy tsy mbola nahantra aho hatramin’izay, ary tsy mahafantatra akory hoe toy ny ahoana izany mahantra izany. Ankoatra izany dia tsy fantatro ny antony rehetra hisian’ny fahasamihafana lehibe eo amin’ireo toe-javatra iainana mahakasika ny fahaterahana, ny fahasalamana, ny fianarana sy ireo fahafahana mihary ara-bola eto amin’ny fiainana an-tany, kanefa rehefa mahita ny zavatra tsy ampy eo amin’ny olona maro tokoa aho dia fantatro fa raha tsy noho ny famindrampon’Andriamanitra dia mety ho toy izany koa ny toe-javatra nisy teo amiko.18 Fantatro ihany koa anefa fa na tsy voatery ho mpiahy ny rahalahiko aza aho, dia rahalahin’ny rahalahiko, ary satria “nomena betsaka aho, dia tokony hanome ihany koa.”19

Mikasika an’izany no hanomezako voninahitra manokana ny Filoha Thomas Spencer Monson. Nitondra fitahiana ho ahy ny niarahako niasa tamin’io lehilahy io nandritra ny 47 taona izao ary ny sary hotsaroako foana mandra-pahafatiko momba azy dia ilay izy nandeha fiaramanidina hody avy tany Alemana Atsinanana izay nianjadian’ny fitotonganana ara-toekarena, niaraka tamin’ny kapany satria tsy ny palitao sy ireo lobaka fanampiny nananany fotsiny ihany no nomeny olona fa ilay hany kiraro teny an-tongony koa. “Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ erỳ an-tendrombohitra sy [notaritarihina koa teny amin’ny seranam-piaramanidina] izay an’ilay mitondra teny mahafaly sady mitory fiadanana.”20 Izaho mahafantatra mihoatra noho ny olon-kafa, fa ny Filoha Monson dia “nanao izay rehetra azony natao” hatrany, ho an’ireo reny mananotena sy ireo kamboty ray, ho an’ireo mahantra sy ireo ory.

Tao amin’ny fanambarana nomena ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1831 dia nilaza ny Tompo fa ny mahantra dia hahita ny fanjakan’Andriamanitra ho avy mba hanafaka azy ireo “amin-kery sy voninahi-dehibe.”21 Enga anie isika mba hanampy hanatanteraka izany faminaniana izany amin’ny alalalan’ny fahatongavana ao amin’ny hery sy voninahitra amin’ny maha-mpikambana antsika ato amin’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy ka hanao izay azontsika hatao rehetra mba hanafaka izay rehetra azontsika hafahana ao amin’ny fahantrana izay mamatotra azy ireo sy mandrava ireo nofinofiny maro tokoa. Izany no vavaka ataoko amin’ny anarana feno famindrampon’i Jesoa Kristy, amena.