2014
Ny Fiainana Mandrakizay—ny Mahafantatra ny Raintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany
Nôvambra 2014


Ny Fiainana Mandrakizay—ny Mahafantatra ny Raintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany

Andriamanitra sy i Kristy dia tena Ray sy Zanaka ara-bakiteny— olona misaraka, sy miavaka, ary mitokana izay tafaray tanteraka amin’ny Tanjona ananan’Izy ireo.

Tombontsoa ho ahy taona maro lasa izay ny nandalinako ireo fijoroana ho vavolombelona farany nataon’ireo mpaminany isaky ny fotoampitantanana. Samy nanao fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba an’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany izy rehetra.

Rehefa namaky ireo fijoroana ho vavolombelona ireo aho—sy maro hafa mitovy amin’izany nandritra ny taona maro—dia nampihetsi-po ahy hatrany ny nahatsapa ny halalin’ny fitiavan’ny Ray any an-danitra ny Zanany Lahimatoa sy ny fanehoan’i Jesoa ny Fitiavany amin’ny fankatoavany ny sitrapon’ny Rainy. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa ataontsika izay zavatra ilaina mba hahafantarana Azy ireo sy hahafantarana ny Fifankatiavan’Izy ireo, dia ho azontsika “ilay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’Andriamanitra rehetra”—dia ny fiainana mandrakizay.1 Fa “izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao.”2

Ahoana no hahazoantsika ny fanomezan’ny fiainana mandrakizay? Tonga amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izany, izay noresahina sy nampianarina tamin’ity maraina ity.

Tsaroanao ve ny nahafantaranao voalohany hoe misy Andriamanitra sy ny nahafahanao nahatsapa ny Fitiavany? Fony aho mbola zazalahy kely, dia fanaoko ny nibanjina ny lanitra feno kintana sy nisaintsaina ka nahatsapa fa teo Izy. Nampientanentana ny foko ny nizaha ny hakanton’ny faharian’Andriamanitra—hatramin’ny bibikely ka hatramin’ny hazo mijoalajoala. Rehefa mankasitraka ny hatsaran’ity tany ity aho, dia fantatro fa tia ahy ny Ray any an-danitra. Nahafantatra aho fa tena zanaka ara-panahy ara-bakiteny ny tenako, ary isika rehetra dia zanak’Andriamanitra avokoa.

Mety manontany tena ianareo hoe ahoana no nahafantarako izany. Mampianatra ny soratra masina hoe: “Ireo sasany dia omen’ny Fanahy Masina ny hahafantatra fa i Jesoa Kristy no zanak’Andriamanitra, … ny hafa dia omena hino ny tenin’izy ireo, mba hahazoany koa manana ny fiainana mandrakizay raha mitoetra ho mahatoky izy.”3 Araka ny fahitako azy dia tsy midika izany fa ny olona sasany dia hiankin-doha foana amin’ny fijoroan’ny hafa ho vavolombelona.

Nitombo ny fijoroako ho vavolombelona rehefa nianatra momba ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy aho tamin’ny alalan’ny fampianarana sy ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo ray aman-dreniko, sy ireo mpampianatra ahy, sy ny soratra masina—izay novakiko tamim-pahazotoana—ary indrindra fa ny Fanahy Masina. Rehefa nino sy nankatò ireo didy aho, dia nijoro ho vavolombelona tamiko ny Fanahy Masina fa marina ny zavatra izay nianarako. Izay no fomba nahazoako fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenako.

Ao anatin’izany zotran-javatra izany dia ny fikatsahana fanambarana ho an’ny tena manokana no tena zava-dehibe. Manasa antsika i Nefia mba “[hivoky] amin’ny tenin’ i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’ i Kristy.”4

Talohan’ny nahafeno valo taona ahy, dia nikatsaka ny hahafantatra bebe kokoa momba ny batisa aho. Namaky soratra masina sy nivavaka aho. Nianarako fa hahazo ny fanomezan’ny Fanahy masina aho rehefa raisina ho mpikambana. Nanomboka nahatakatra ihany koa aho fa Andriamanitra sy i Kristy dia tena Ray sy Zanaka ara-bakiteny—olona misaraka, sy miavaka, ary mitokana izay tafaray tanteraka amin’ny Tanjona ananan’Izy ireo. “Isika tia [Azy ireo], satria [Izy Ireo] efa tia antsika taloha.”5 Niverimberina ny fahitako ny fifankatiavan’Izy Ireo sy ny fiaraha-miasan’Izy Ireo mba hahasoa antsika. Henoy anie ny santionany vitsy amin’ireo soratra masina maro izay mampianatra izany fahamarinana izany e!

Raha nampianatra ny fiainana talohan’izao fiainana izao ny Ray any an-danitra dia toy izao no nilazany an’i Jesoa Kristy “ny Zanaka Malalako, izay Malalako sy nofidiko hatrany am-piandohana.”6 Raha namorona ny tany ny Ray, dia “tamin’ny alalan’ny Lahitoka[ny]” no nanaovany izany.7

I Maria renin’i Jesoa dia notenenina fa izy no hitondra “ny Zanaky ny Avo Indrindra.”8 Ary fony Jesoa mbola zatovolahy, dia nilaza tamin’ny Reniny Izy fa tsy maintsy “ho eto an-tranon’ny [Rainy] Izy.”9 Taona maro taty aoriana, rehefa natao batisa ny Mpamonjy, dia niteny avy any an-danitra ny Ray any an-danitra nanao hoe: “Ity no Zanako malalako, Izay sitrako.”10

Niteny toy izao i Jesoa mba hampianarany ireo Mpianany hivavaka:

“Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.

“Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany, tahaka ny any an-danitra.”11

Nampianatra an’i Nikodemosy Izy hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zananilahy Tokana.”12 Ary nanazava ireo fahagagana nataony Izy ka nilaza hoe: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray: fa na inona na inona no ataon’ [ilay Ray], dia toy izany koa ny ataon’ny Zanaka.”13

Rehefa nanakaiky ny fotoana hanatanterahana ny Sorompanavotana, dia nivavaka i Jesoa hoe: “Ray ô, tonga ny fotoana. … Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin’ny tany: Vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.”14 Avy eo, rehefa nianjady Taminy ny havesatry ny fahotantsika, dia nitalaho Izy hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity: nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”15 Nandritra ny fotoana farany niainany teo ambony hazo fijaliana, dia nivavaka i Jesoa hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony; fa tsy fantany izay ataony” ary avy eo Izy nihiaka mafy nanao hoe: “Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko.”16

Avy eo dia namangy ireo fanahin’ireo izay efa nodimandry tao amin’ny tontolon’ny fanahy Izy mba “[hanome] hery [azy] ireo mba hivoaka aorian’ny fitsanganany amin’ny maty ka hiditra ao amin’ny fanjakan’ny Rainy.”17 Taorian’ny nitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia niseho tamin’i Maria Magdalena Izy ary niteny hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy [any amin’ny] Rainareo Aho.”18

Rehefa nankany amin’ireo vahoaka tany amin’ny kaontinanta Amerikana Izy, dia nampahafantatra Azy ny Rainy tamin’ny filazana ny hoe: “Indro ny Zanako Malalako, izay ao Aminy no tena ifaliako, izay tao Aminy no efa nankalazako ny anarako.”19 Rehefa nidina ho eo anivon’ny vahoaka teo amin’ny tempoly i Jesoa, dia toy izao no nampahafantarany ny Tenany: “Indro, Izaho no Jesoa Kristy. … efa … nankalaza ny Ray [Aho] tamin’ny nitondrako teo Amiko ny fahotan’izao tontolo izao.”20 Raha nanazava ny fotopampianarany Izy dia nanazava hoe:

“Izany dia fotopampianarana izay efa nomen’ny Ray Ahy; ary izaho dia vavolombelona manambara ny Ray, ary ny Ray dia vavolombelona manambara Ahy.”21

“Marina tokoa [fa] … ny Ray sy Izaho dia iray.”22

Moa ve ahitantsika zavatra ao amin’ireo soratra masina ireo izay mijoro ho vavolombelona fa ny Ray sy ny Zanaka dia olona tsirairay avy izay miavaka tsara sy mitokana? Ahoana ary no maha “iray azy ireo”? Tsy hoe satria Izy Ireo dia olona iray ihany fa satria kosa Izy Ireo dia manana tanjona iray, mitovy ny fanolorantenany mba “[h]anatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”23

I Jesoa dia Andriamanitra, kanefa avahany hatrany hatrany ny Tenany ho olona tafasaraka sy mitokana rehefa mivavaka amin’ny Rainy Izy sy amin’ny filazany fa manao ny sitrapon’ny Rainy Izy. Nandritra ny asa fanompoana nataony teo anivon’ireo Nefita, dia nitalaho Izy hoe: “Ray ô, tsy mivavaka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’ireo izay efa nomenao Ahy kosa avy amin’izao tontolo izao, … mba ho ao aminy Aho, tahaka Anao Ray ato Amiko, mba ho iray ihany isika, mba hankalazana Ahy ao aminy.”24

Raha izany no jerena, dia tsy mahagaga raha toa ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ka nosantarina tamin’ny fisehoan’olon’ny lanitra anankiroa fa tsy iray. Mijoro ho vavolombelona momba izany Fahitana Voalohany izany ny Mpaminany Joseph Smith manao hoe: “Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako, sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Itỳ no Zanako Malalako. Henoy Izy!25

Ilay mpaminany mbola kely, izay nankao amin’ilay alakely mba hamantatra hoe iza tamin’ireo fiangonana no tokony hidirany, dia nandeha tamim-pinoana ary tsy nihanahana, ka nivoaka avy tao niaraka tamin’ny fahafantarana sy ny fijoroana ho vavolombelona momba an’ilay Andriamanitra tokana sady marina sy i Jesoa Kristy, izay efa nirahin’Andriamanitra. Noho izany i Joseph, tahaka ireo mpaminany izay nialoha azy, dia lasa fitaovana nentina namerina ho eo amin’izao tontolo izao ny fahalalana izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Ianao koa dia afaka mikatsaka ny Raintsika any an-danitra sy “ity Jesoa ity izay efa [nijoroan’ny] mpaminany sy ny apôstôly [ho vavolombelona] ny Aminy,”26 ao amin’ny soratra masina sy mandritra ity fihaonambe ity. Rehefa mikatsaka fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana ianao—ny fanambarana ho an’ny tenanao manokana—dia ho hitanao fa nanome fomba miavaka ny Ray any an-danitra mba hahafantaranao ny fahamarinana ho an’ny tenanao manokana: amin’ny alalan’ilay mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra, izay manana vatana Fanahy ka antsointsika hoe Fanahy Masina.

“Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo”—anisan’izany ny zavatra nozaraiko androany—“Ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy, amin’ny herin’ny Fanahy Masina.

Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”27

Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona aho fa tian’ny Raintsika any an-danitra ny hikatsahantsika izany fahalalana izany ankehitriny. Miantsoantso avy ao amin’ny vovoka ny feon’ny mpaminany Helamàna manao hoe: “Tsarovy, tsarovy fa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo … , fototra izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy.”28 Mazava ho azy fa hahomby isika.

Io fototra azo antoka io dia i Jesoa Kristy. Izy no “ilay Vatolampin’ny Lanitra.”29 Rehefa manorina ny tranontsika eo Amboniny isika, ka na ho avy aza ilay oran’ny andro farany, na ho avy aza ny safodrano, ary na hitsoka aza ny rivotra, dia tsy hianjera isika. Hahomby isika satria miorina eo ambonin’i Kristy ny tokantranontsika sy ny fianakaviantsika.30

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny tokantrano toy izany dia “tranon’ny voninahitra.”31 Mivory ao isika mba hivavaka amin’ny Raintsika any an-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany Malalany. Ao no hanomezantsika voninahitra sy fankasitrahana ho Azy Ireo. Ao no handraisantsika ny Fanahy Masina sy “ilay fampanantenana izay [Omeny antsika] ny amin’ny fiainana mandrakizay, dia ny voninahitry ny fanjakana selestialy.”32

Mijoro ho vavolombelona manokana aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika, fa velona Izy, fa tia antsika sy mikarakara antsika ny Raintsika Mandrakizay any an-danitra, fa manana mpaminany isika amin’izao fotoampitantanana izao—dia ny Filoha Thomas S. Monson—mba hitondra sy hitarika antsika. Mijoro ho vavolombelona ny Fanahy Masina fa marina izany ho an’ny olona tsirairay izay mandeha sy mikatsaka ilay fahalalana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.