2014
Voatarika ka Tody Soa any An-trano
Nôvambra 2014


Voatarika ka Tody Soa any An-trano

Mangataka ny fanampian’ny any ambony isika mba hahazoantsika ilay toromarika mahomby mikasika izay lalana tokony hitodihantsika, mba hahafahantsika manoritra sy mandeha amin’ny lalana iray izay voasaintsaina tsara sy tena izy.

Ry Rahalahy, tafavory eto amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe isika sy any amin’ireo toerana maro manerana izao tontolo izao amin’ny maha-vondrona matanjaky ny fisoronana antsika. Voninahitra ho ahy kanefa mampanetry tena ahy koa ilay andraikitro mba hilaza teny vitsivitsy aminareo. Mivavaka aho mba hanampian’ny Fanahin’ny Tompo ahy eo am-panaovana izany.

Dimy amby fitopolo taona lasa izay, tamin’ny 14 Febroary 1939, tao Hambourg any Allemagne, dia nisy andro tsy fiasana iray izay nankalazaina. Nandritra ireo kabary natao tamim-pientanentanana sy ny horakora-pifalian’ireo vahoaka ary ny fitendrena ireo hira maneho fitiavan-tanindrazana, dia namonjy ranomasina voalohany ilay sambo mpiady vaovao Bismarck rehefa avy nandalo ny [Reniranon’i] Elbe. Io sambo io, izay matanjaka indrindra tamin’ny sambo rehetra izay efa niasa, dia nahitana fitaovam-piarovana sy rafitra ara-mekanika nampitolagaga tokoa. Nila mari-drafitra maherin’ny 57.000 ny fanamboarana ireo tilikambo misy tafondro roa sosona 380 milimetatra izay baikoin’ny radara ny tifitra avy aminy. Ahitana tambazotran-tariby mitondra herinaratra mirefy 45.000 km ilay sambo. Milanja 35.000 taonina izy io ary nanome fiarovana faran’izay mafy indrindra ireo takela-by. Noho ny endriny mahatalanjona sy ny habeny izay tena goavana ary ny fananany fitaovam-piadiana mahery vaika dia noheverina ho tsy mety rendrika ity sambo goavana ara-tanjaka ity.

Roa taona mahery taty aoriana no nifamotoanan’i Bismarck tamin’izay hiafarany rehefa nanomboka niady tamin’i Bismarck sy ilay sambo croiseur Alemana Prinz Eugen, tamin’ny 24 Mey 1941, ireo sambo mpiady roa natanjaka indrindra tao amin’ny Tafika an-dranomasina Britanika, dia i Prince of Wales sy i Hood. Tao anatin’ny dimy minitra no nandetehan’i Bismarck tany amin’ny fanambanin’ny Atlantika an’ilay sambo Hood sy izay rehetra tao anatiny afa-tsy ny telo tamin’ireo miaramila tantsambo miisa 1.400. Voa mafy tokoa ilay sambo mpiady Britanika iray hafa nantsoina hoe Prince of Wales, ka dia nitsoaka an-daharana.

Nandritra ny telo andro manaraka dia notafihan’ny sambo mpiady sy fiaramanidina mpiady Britanika hatrany hatrany indray i Bismarck. Raha atambatra dia nanambatra ny herin’ny sambo mpiady miisa dimy ny Britanika ary niampy sambo roa mpitondra fiaramanidina sy sambo croiseurs 11 ary sambo contre-torpilleurs 21 mba hitadiavana sy handrendrehana an’ilay sambo matanjaka Bismarck.

Nandritra ireo ady ireo dia fahasimbana kely ety ivelany fotsiny no naterak’ireo balan-tafondro maro be teo amin’i Bismarck. Tena tsy nety rendrika marina tokoa ve izy io? Avy teo dia nisy torpille iray avy any ambany ranomasina nahavoa mafy an’i Bismarck ka nampikatso ny familiana azy. Tsy nisy vokany ny ezaka natao hanamboarana izany. Na dia efa vonona hitifitra aza ireo tafondro ary efa vonona tsara ireo miaramila tantsambo rehetra dia tsy afaka nanao afa-tsy ny nandeha niadana nanao faribolana iray lehibe i Bismarck. Teo akaiky teo ny tafika an’habakabaka matanjaky ny Alemana. Tsy afaka namonjy ny seranan-tsambo izay tokony hitondra fiarovana ho azy i Bismarck. Saingy tsy nisy afaka nanolotra izay toeram-pialofana izay izy roa ireo satria tsy afaka nandroso nanaraka lalana voasoritra i Bismarck. Sady tsy nanana familiana izy no tsy nahazo fanampiana no tsy afaka nankeny amin’ny seranana. Efa akaiky ho vita hatreo ny aminy. Nirefodrefotra ireo tafondro Britanika, rehefa tsy nanan-kavaly intsony ireo miaramila tantsambo Alemana, ka nandetika ilay sambo izay toa tsy nety rava teo aloha. Namely ireo sisin’ny sambo aloha ireo onja maherin’i Atlantika ary avy eo dia nitelina ilay reharehan’ny tafika an-dranomasina Alemana. Rendrika i Bismarck.1

Tahaka an’i Bismarck dia fahagagana avy amin’ny fahaiza-mamorona ihany koa isika tsirairay. Tsy voafetran’ny fahaizan’olombelona anefa ny famoronana antsika. Afaka mamorona ireo milina faran’izay be pitsipitsiny indrindra ny olona saingy tsy afaka manome aina azy ireo na manome azy ireo ny hery enti-misaina sy hahaizana mandanjalanja. Fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ireo, ary Andriamanitra ihany no afaka manome izany.

Ry rahalahy, tahaka ilay familiana izay tena ilain’ny sambo dia nomena fomba iray koa isika hamantarana ny lalana izay diavintsika. Ny fanilon’ny Tompo no manoro lalana antsika rehefa miampita ireo ranomasimben’ny fiainana isika. Ny mandeha amin’ny lalana mahitsy mankany amin’ny tanjona irintsika no tanjontsika—dia ny fanjakana selestialin’Andriamanitra. Ny olona tsy manana tanjona dia toy ny sambo tsy misy familiana, ka tsy ho tody eny amin’ny seranana mihitsy. Tonga amintsika ilay toromarika hoe: sorito ny lalanareo, atodiho any amin’ny rivotra ny voalinareo, ataovy vonona ho any amin’ny lalan-kombana ny familianareo dia miaingà.

Tahaka izay niseho tamin’ilay sambo mahery hoe Bismarck, no miseho ihany koa amin’ny olona. Tsy misy ilana azy ny tosik’ireo maotera sy ny herin’ireo tangolimihodina rehefa tsy misy an’io fahaizana mitodika amin’izay lalana hombana io, io fifehezana ny angovo io, io familiana ny hery io izay ataon’ny familiana, izay tsy hita maso sy kely tokoa kanefa tena ilaina ny asany.

Ny Raintsika dia nanome ny masoandro sy ny volana ary ny kintana—vahindanitra mba hitari-dalana ireo tantsambo izay mandeha sambo eny amin’ny ranomasina. Rehefa mandeha amin’ny lalam-piainantsika isika dia omeny sarintany mazava ary atorony ny lalana mankany amin’ny toerana iriantsika hahatongavana. Mampitandrina Izy hoe: tandremo ireo fiolahan-dalana sy ireo loza ary ireo fandrika. Tsy tokony hamela ny tenantsika ho voafitak’ireo izay hitarika antsika amin’ny lalana diso isika, sy ireo fakam-panahin’ny ota izay miantsoantso etsy sy eroa. Ny ataontsika kosa dia ny maka fotoana hivavahana; mihaino ilay feo tony sy malefaka izay milaza hatrany amin’ny atifanahintsika ilay fanasana feno hatsaram-panahy ataon’ny Tompo amintsika hoe: “Avia, manaraha Ahy.”2

Kanefa ao ireo izay tsy mandre, izay tsy hankatò, ary izay mankafy kokoa ny handeha amin’ny lalana izay ny tenany ihany no nanoritra azy. Matetika loatra izy ireo no tratran’ny fakam-panahy izay manodidina antsika rehetra ary mety ho toy ny manintona tokoa.

Amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika dia napetraka ety an-tany ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika. Miaina ao anatin’ny tontolo feno zava-tsarotra isika izay ahatsapana sy ahitana ady na aiza na aiza aleha. Mamotika ny tanjak’ireo firenena ireo rafitra ara-pôlitika, mandrombaka fahefana ireo mpanao jadona, ary ampahany manontolo eo amin’ny fiaraha-monina no toa iharan’ny tsindry hazo lena lalandava sy tsy omena fahafahana hanao zavatra ary avela irery miaraka amin’ny fahatsapana ho tsy mahomby. Rentsika lalandava ireo fampianaran’olombelona ary manemitra antsika manodidina ny fahotana.

Andraikitsika ny mitoetra ho mendrika handray ireo fitahiana feno voninahitra rehetra natokan’ny Raintsika any an-danitra ho antsika. Na aiza na aiza alehantsika dia miaraka amintsika ny fisoronana hazonintsika. Moa ve mijoro amin’ny toerana masina isika? Aoka hoeritreretinareo tsara izay mety ho vokatra hitranga alohan’ny hanatonanareo ireo loza mananontanona ny tenanareo sy ny fisoronana hazoninareo amin’ny alalan’ny fandehandehanana any amin’ireo karazan-toerana na ny fanaovana zavatra izay tsy sahaza anareo sy ny fisoronana hazoninareo.

Afaka manova zavatra isika izay notendrena ho amin’ny fisoronan’Andriamanitra. Rehefa mihazona ny fahadiovan’ny tenantsika isika ary manaja ny fisoronana hazonintsika dia lasa ohatra tsara arahan’ny hafa. Nananatra ny Apôstôly Paoly hoe: “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.”3 Nanoratra ihany koa izy fa ireo mpanaradia an’i Kristy dia tokony ho “tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao.”4 Ny fanehoana ohatra amin’ny fahamarinana dia afaka manazava ny tontolo izay mihamaizina hatrany.

Maro aminareo angamba no mahatadidy ny Filoha N. Eldon Tanner, izay mpanolotsain’ny Filohan’ny Fiangonana efatra nifandimby. Naneho ohatry ny fahamarinana tsy voahozongozona izy nandritra ny asa fivelomana nataony, nandritra ny asa nataony teo amin’ny governemanta tany Kanada, ary nandritra ny naha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy azy. Nanome antsika ity torohevitra mitaona fanahy ity izy: “Tsy hisy zavatra izay hitondra fifaliana lehibe sy fahombiazana mihoatra ny fiainana izay mifanaraka amin’ny fampianaran’ny filazantsara. Aoka ianao mba ho ohatra; aoka ianao mba hitaona ny hafa hanao ny tsara.”

Dia notohizany hoe: “Efa notendrena mialoha hanao asan’[Andriamanitra] isika tsirairay amin’ny maha-mpanompony voafidy antsika, izay hitany fa mendrika ny handray ny fisoronana sy ny fahefana hanao asa amin’ny Anarany. Tsarovy mandrakariva fa mijery anao ny olona amin’ny maha-mpitarika anao ary misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny hafa ny zavatra tsara na ratsy ataontsika, ary ho tsapan’ireo taranaka ho avy izany fiantraikany izany.”5

Isika dia hampatanjahan’ilay fahamarinana hoe ny hery lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao amin’izao fotoana izao dia ny herin’Andriamanitra rehefa miasa amin’ny alalan’ny olona izany. Mba hiampitana soa aman-tsara ireo ranomasimbe eto amin’ity fiainana ity dia mila ny fitarihan’ilay Tantsambo Mandrakizay isika—dia ilay Jehovah lehibe. Mangataka fanampiana isika ary mangataka amin’ny ao ambony mba hahazoana ny fanampian’Andriamanitra.

Ohatra iray fanta-daza mikasika ny olona iray izay tsy nangataka ny fanampian’ny lanitra ny an’i Kaina, izay zanak’i Adama sy i Eva. Nanana hery anaty tena natanjaka i Kaina saingy tsy ampy finiavana ka dia nomeny vahana ny fitiavan-karena, ny fitsiriritana, ny tsy fankatoavana, eny fa na dia ny famonoana olona aza ka nampikatso ilay familiana an’ny tena manokana izay tokony ho nitarika azy ho any amin’ny toerana azo antoka sy ny fisandratana. Noho i Kaina nikatsaka ny zavatr’izao tontolo izao fa tsy ny zavatry ny lanitra dia lavo izy.

Tamin’ny fotoana iray hafa dia nozahan-toetra tamin’ny alalan’ny mpanjaka ratsy fanahy iray ny mpanompon’Andriamanitra iray. Rehefa nahazo fahazavan-tsaina sy fahalalana avy any an-danitra i Daniela, dia nahadika ilay soratra teo amin’ny rindrina ho an’ny mpanjaka izy. Mahakasika ilay valisoa nomena azy—dia akanjo volomparasy fanaon’ny mpanjaka sy rojo volamena ary fahefana ara-pôlitika—dia hoy i Daniela hoe: “Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa.”6 Notolorana harem-be sy fahefana i Daniela, valisoa izay maneho ireo zavatr’izao tontolo izao fa tsy izay an’Andriamanitra. Nanohitra izany i Daniela ka nijanona ho mahatoky.

Taty aoriana, rehefa nitsaoka an’Andriamanitra i Daniela na dia nisy lalàna nanambara aza fa voarara ny fanaovana izany dia natsipy tao an-davaky ny liona izy. Mitantara amintsika ny ao amin’ny Baiboly fa ny ampitson’io dia “nakarina avy ao an-davaka i Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an’Andriamani[tra] .”7 Nandritra ny fotoana izay nilany fanampiana lehibe dia nitondra fiarovana ho an’i Daniela ny fahavononany hijanona ho mahatoky ary nanome toeram-pialofana ho azy. Afaka mahazo fiarovana toy izany isika rehefa mijanona ho mahatoky ka mizotra mankany amin’ny fonenantsika mandrakizay.

Manamarika ny fandehan’ny fotoana tahaka ireo fasika ao anaty fandrefesam-potoana ny fivoaran’ny tantara. Mpilalao vaovao indray no miakatra eo amin’ny lampihazon’ny fiainana. Mampatahotra antsika ireo olana misy amin’izao androntsika izao. Nandritra ny tantaran’izao tontolo izao dia niasa tsy an-kijanona i Satana mba hamotehana an’ireo mpanaradia ny Mpamonjy. Raha manaiky ny fitaomany isika dia ho simba koa—tahaka ny an’ilay sambo mahery hoe Bismarck—ny familiantsika izay afaka mitondra antsika amin’ny toerana azo antoka. Ny tokony hataontsika kosa, na dia voahodidin’ireo zavatra tena avo lenta noforonin’olombelona aza isika, dia ny mangataka ny fanampian’ny any ambony mba hahazoantsika ilay toromarika mahomby mikasika izay lalana tokony hitodihantsika, mba hahafahantsika manoritra sy mandeha amin’ny lalana iray izay voasaintsaina tsara sy tena izy. Tsy maintsy hovalin’ny Ray any an-danitra ny fangatahana ataontsika amin-kitsimpo. Rehefa mikatsaka ny fanampian’Andriamanitra isika dia tsy ho simba tahaka ny an’i Bismarck ny familiantsika.

Enga anie isika mba ho afaka hiampita soa aman-tsara ireo ranomasimben’ny fiainantsika rehefa manomboka ny diantsika tsirairay avy. Enga anie isika mba hanana ny herimpon’i Daniela mba hijanonantsika ho marina sy mahatoky na dia eo aza ny fahotana sy ny fakam-panahy manemitra antsika manodidina. Enga anie ny fijoroantsika ho vavolombelona ka ho lalina sy mafy orina tahaka ny an’i Jakôba, rahalahin’i Nefia, izay rehefa nifanehatra tamin’ny olona iray izay nikatsaka ny hanimba ny finoany, dia hoy izy hoe: “tsy azo hozongozonina [aho].”8

Ry rahalahy, noho ilay familian’ny finoana izay mitarika ny diantsika dia hahita ny lalantsika mody any an-trano koa isika—any amin’Andriamanitra, mba hahafahantsika miara-mitoetra Aminy mandrakizay. Mivavaka aho mba ho toy izany no hiseho amintsika tsirairay avy, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, amena.