Fanambarana Mitohy
Tsy ho ampy hahazoana ny valin’ireo fanontaniana tena manan-danja eo amin’ny fiainana ny hevitra avy amin’ny olombelona sy ny rafipisainana. Mila fanambarana avy amin’Andriamanitra isika.
Ny zavatra antenaiko anio dia ny mba hahatsapantsika rehetra fitiavana sy hahazoantsika hazavana avy amin’Andriamanitra. Maro amin’ireo olona izay mihaino androany no mahatsapa ny filana mafy izany fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Raintsika any an-danitra izany.
Raha ho an’ireo filohan’ny misiona ohatra dia mety ho vavaka feno fitalahoana mba hahafantarana ny fomba hampaherezana misiônera iray manana olana izany. Raha ho an’ny ray na reny iray mipetraka any amin’ny toerana ravaravan’ny ady eto amin’izao tontolo ohatra izany, dia mety ho fikatsahana mafy mba hahafantatra raha toa ka mila mamindra ny fianakaviany any amin’ny toerana azo antoka izy ireo sa tokony hijanona eo amin’ny misy azy ireo ihany. Filohan’ny tsatòka sy eveka an-jatony maro no mivavaka ankehitriny mba hahafantatra ny fomba hanampiana ny Tompo amin’ny famonjena ondry very iray. Ary raha ho an’ny mpaminany, dia ny hahafantatra izay tian’ny Tompo holazainy amin’ny Fiangonana sy amin’ity izao tontolo izao izay mikorontana ity no tadiaviny.
Fantatsika rehetra fa tsy ho ampy hahazoana ny valin’ireo fanontaniana tena manan-danja eo amin’ny fiainana ny hevitra avy amin’ny olombelona sy ny rafipisainana. Mila fanambarana avy amin’Andriamanitra isika. Ary tsy hoe fanambarana iray monja ao anatin’ny fotoan-tsarotra iray no hilaintsika fa mila fanambarana vaovao mirotsaka tsy tapaka isika. Tsy fahazoana fahazavana sy fampaherezana indray mandeha fotsiny akory no ilaintsika fa fahafahana mifandray tsy tapaka amin’Andriamanitra.
Ny tena nipoiran’ny Fiangonana dia avy amin’ny zatovolahy iray izay nahafantatra ny marina. Fantatr’i Joseph Smith izay zatovolahy tamin’izany fa tsy afaka ny hahafantatra amin’ny alalan’ny tenany manokana izy hoe fiangonana aiza no tokony hidirana. Noho izany dia nanontany an’Andriamanitra izy satria nilaza ny tao amin’ny bokin’i Jakoba fa afaka manao izany izy. Niseho tao anatin’ny ala kely iray Andriamanitra Ray sy ny Zanany Malalany. Namaly ilay fanontaniana izay tsy nahitan’i Joseph valiny izy ireo.
Tsy hoe voantson’Andriamanitra hanorina ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy fotsiny izy tamin’izay fa naverina niaraka tamin’izany koa ny hery ahafahana mangataka ny Fanahy Masina mba hitohy hatrany ny fanambarana avy amin’Andriamanitra.
Nofariparitan’ny Filoha Boyd K. Packer ho toy izao io marika ahafantarana ny Fiangonana marina io: “Mitohy ny fanambarana ao amin’ny Fiangonana: mandray izany ho an’ny Fiangonana ny mpaminany; ary ny filoha iray dia mandray izany ho an’ny tsatòkany na ny misionany na ny kôlejiny; ary ny eveka dia mandray izany ho an’ny paroasiny; ny raim-pianakaviana ho an’ny fianakaviany ary ny olona tsirairay ho an’ny tenany manokana.”1
Manomboka, dia mifarana, ary mitohy indray izany fizotra mahafinaritry ny fahazoana fanambarana izany rehefa mandray fanambarana ho an’ny tenantsika manokana isika. Ndeha horaisintsika ho ohatra i Nefia, ilay manana ny maha-izy azy, zanakalahin’i Lehia. Nahita fahitana ny rainy. Noraisin’ireo olona hafa tao amin’ny fianakavian’i Nefia ho toy ny porofon’ny fisian’ny fikorontanan-tsaina teo amin’i Lehia io fahitana hitany io. Tao anatin’io fahitana io dia nisy ny fandidian’Andriamanitra ireo zanakalahin’i Lehia mba hanao vy very ny ainy hiverina any Jerosalema haka ireo takelaka misy ny tenin’Andriamanitra ka mba ho azon’izy ireo hoentina mandritra ny diany mankany amin’ilay tany nampanantenaina.
Ampiasaintsika matetika ilay teny feno herimpo nambaran’i Nefia rehefa nangatahan’ny rainy izy ireo hiverina any Jerosalema. Fantatrareo izany teny izany: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”2
Rehefa henon’i Lehia niteny izany i Nefia, dia milaza ny soratra masina fa “faly izaitsizy izy”.3 Faly izy satria fantany fa i Nefia dia nahazo fanambarana izay nanamafy fa hafatra marina avy amin’Andriamanitra ilay fahitana hitan’ny rainy. Tsy niteny i Nefia hoe: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay nasain’ny raiko hatao.” Fa hoe, “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”
Raha ny zavatra iainanao ao anatin’ny fianakavianao manokana dia fantatrao koa ny antony nahatonga an’i Lehia ho “faly izaitsizy.” Ny fifaliany dia avy amin’ny fahafantarany fa nahazo fanambarana nanamafy izay voalaza i Nefia.
Maro ireo ray aman-dreny no nametraka lalàna eo anivon’ny fianakaviana mikasika ny ora tokony hodian’ny zatovo iray ny hariva. Saingy mba eritrereto ny fifalian’ny ray aman-dreny iray, toy ny an’ity anankiray ity vao herinandro vitsivitsy izay, rehefa nahafantatra fa ny zanak’izy ireo iray izay vao tsy ela no nandao ny tokantranon’ny ray aman-dreniny, dia tsy vitan’ny hoe nametraka tsara ny ora tokony hodiany any an-trano fotsiny ny hariva fa nanaja ihany koa ny Sabata araka ny nampianarina azy tany an-trano. Ny fanambarana omen’ny ray aman-dreny dia misy fiantraikany maharitra eo amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay mitohy ho an’ilay raisin’ny zanaka.
Takatry ny reniko mihitsy io fitsipiky ny fanambarana io. Fony aho zatovolahy, dia hidiko faran’izay mora ny varavarana any ambadiky ny trano rehefa alina aho vao tafody ao an-trano. Tsy maintsy mandalo ny efitrano fatorian’ny reniko anefa aho vao tonga any amin’ny efitranoko. Na dia nijaikojaiko faran’izay mora aza aho, raha vao tonga eo amin’ilay varavarany misokatra kely, dia henoko misy miantso moramora kely ny anarako, “O ry Hal a! Avia kely aty aloha.”
Dia miditra aho ary mipetraka eo amoron’ny fandriany. Maizina amin’io ny efitrano. Raha teo ianao tamin’izany nihaino anay dia ho nieritreritra hoe resaka mahafinaritra momba ny fiainana fotsiny no nataonay. Kanefa hatramin’izao dia mbola miverina ato an-tsaiko amin’ny fomba mahery vaika ny zavatra nolazainy, mitovy amin’ny zavatra tsapako rehefa mamaky ny voasoratra ao anatin’ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy.
Tsy fantatro hoe inona no nangatahiny tao anatin’ny vavaka nataony teo am-piandrasana ahy nandritra ireny alina ireny. Mety mikasika ny mba hiarovana ahy ny ampahany amin’izany araka ny eritreritro. Kanefa azoko antoka fa nivavaka izy toy ny ataon’ny patriarika iray alohan’ny hanomezana tsodrano. Mivavaka ny patriarika mba hahatsapana ny teniny ho toy ny tenin’Andriamanitra rehefa mirotsaka eo amin’ilay mpandray tsodrano fa tsy hoe teny avy aminy. Voavaly ny vavaka nataon’ny reniko mba hahafahako mahatsapa ny teniny ho toy ny tenin’Andriamanitra rehefa niresaka tamiko izy. Any amin’ny tontolon’ny fanahy izy ary efa 40 taona mahery izy izay no tany. Azoko antoka fa faly izaitsizy izy noho izaho nahazo fitahiana, araka izay nangatahiny, mba handray ny toroheviny ho toy ny didin’Andriamanitra. Ary niezaka aho nandeha sy nanao izay tokony hataoko araka ny nantenainy.
Nahita fahagagana avy amin’ny fanambarana mitohy mitovy amin’izany koa aho teo amin’ireo filohan’ny tsatòka sy eveka ato amin’ny Fiangonana. Ary tsy misy hafa amin’ny mikasika ny fanambarana amin’ireo lohan’ny fianakaviana, ny lanjan’ilay fanambarana dia miankina amin’ny fandraisan’ireo izay tarihina fanambarana manamafy izay voalaza.
Hitako izany fahagagana avy amin’ny fanambarana izany taorian’ny fahasimbana lehibe nateraky ny fahavakisan’ny tohodrano Teton tany Idaho tamin’ny 1976. Maro aminareo no mahafantatra ny zava-nitranga. Saingy ilay ohatra maneho ny fisian’ny fanambarana mitohy izay noraisin’ny filohan’ny tsatòka iray dia afaka mitahy antsika rehetra any aoriana.
Olona an’arivony no navoaka hiala ny tranony rava. Ny filohan’ny tsatòka teo an-toerana, izay mpiompy, no nampandraiketina ny fandrindrana ny fanampiana ny olona tra-boina. Tao amin’ny efitrano fianarana iray tao Ricks College aho andro vitsivitsy monja taorian’ilay loza. Tonga tao ny tompon’andraikitra ambony iray avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny voina. Niditra tao amin’ilay efitrano lehibe izay namorian’ny filohan’ny tsatòka ireo evekany sy ireo mpitondra fivavahana hafa teo an-toerana koa izy sy ireo tompon’andraikitra ambony mpanampy azy. Nanatrika teo aho satria maro tamin’ireo tafavoaka velona no nokarakaraina sy nampiantranoina tao amin’ny tobim-pianaran’ilay sekoly ambaratonga ambony izay izaho no filohany.
Rehefa nanomboka ny fivoriana dia nitsangana ilay solontena avy ao amin’ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny voina ary nilaza tamin’ny feo hentitry ny mpitondra ny zavatra tokony hatao. Rehefa avy nitanisa ireo zavatra dimy na enina izay nolazainy fa tsy maintsy tanterahina izy, dia namaly moramora ilay filohan’ny tsatòka hoe: “Efa nataonay daholo izany.”
Minitra vitsy taorian’izay dia hoy ilay lehilahy avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny voina hoe: “Aleo angamba aho hipetraka sy hijery fotsiny aloha.” Dia nihaino an’ireo eveka sy filohan’ny kôlejin’ny loholona nanao tatitra ny zavatra nataony izy sy ireo lefiny. Nohazavain’izy ireo ny torolalana azony sy narahany avy tamin’ny mpitarika azy ireo. Nolazain’izy ireo koa ny zavatra tonga dia tsapan’izy ireo fa tokony hatao rehefa nampiharin’izy ireo ireo torolalana mikasika ny tokony hitadiavana ireo fianakaviana sy hanampiana azy ireo. Efa hariva be tamin’izay andro izay. Tena vizana loatra izy rehetra ka tsy dia afaka nizara ny fihetsehampony be loatra afa-tsy ny fitiavany ny olona.
Nanome torolalalana vitsivitsy farany ho an’ireo eveka ilay filohan’ny tsatòka ary nanambara avy eo fa ny ampitson’io vao maraina be no hanaovana ny fivoriana manaraka hitondrana tatitra.
Ny ampitson’io dia tonga 20 minitra talohan’ny fotoana tokony hanombohan’ny fivoriana fanaovana tatitra sy fizarana andraikitra ilay lehiben’ny ekipa avy amin’ny fitondram-panjakana. Nijoro teo akaiky teo aho. Henoko izy niteny moramora tamin’ilay filohan’ny tsatòka hoe: “Filoha a! Inona no tianao hataonay sy ireo ao amin’ny ekipako?”
Ny zavatra hitan’io lehilahy io dia efa hitako im-betsaka tao anatin’ny fotoam-pijaliana sy fotoan-tsarotra nanerana an’izao tontolo izao. Marina ny nolazain’ny Filoha Packer. Mandray fanambarana mitohy ireo filohan’ny tsatòka mba hampisondrotana azy ireo hihoatra ny fahendreny sy ny fahafaha-manaony manokana. Ary ankoatra izany, dia omen’ny Tompo tenivavolombelona manamafy izay voalaza ireo olona tarihin’ny filoha, izay manambara fa ny torolalana omeny dia avy amin’Andriamanitra ka ampitain’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny olombelona iray tsy lavorary.
Nahita fitahiana aho tamin’ny ankamaroan’ny fotoana niainako tamin’ny niantsoana ahy hanaraka mpitarika nentanin’ny fanahy. Mbola vao herotrerony aho dia voantso ho mpanolotsain’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona. Taty aoriana aho dia lasa mpanolotsain’ny filohan’ny distrika anankiroa, sy mpanolotsaina tao amin’ny Episkôpà Mpiahy an’ny Fiangonana, mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary mpanolotsaina ny Filohan’ny Fiangonana anankiroa. Nahita ny fanambarana nomena azy ireo aho ary ny fanamafisana izany tany amin’ireo mpanaradia azy ireo.
Io fanambarana ho an’ny tena manokana mba hahaizana manaiky io, izay tiantsika rehetra ho azo, dia tsy tonga mora foana ary tsy hoe azo tsotra fotsiny rehefa angatahina. Nanome ity torolalana manaraka ity ny Tompo mba hanampiana antsika hahazo tenivavolombelona avy amin’Andriamanitra toy izany. Torolalana ho an’izay rehetra mikatsaka ny hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana izany satria isika rehetra dia tokony hikatsaka izany.
“Aoka ny kibonao koa ho feno fiantrana ny olon-drehetra sy ny mpianakavin’ny finoana, ary aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy; dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’Andriamanitra; ary ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika ao amin’ny fanahinao toy ny ando avy any an-danitra.
“Ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava.”4
Avy amin’izany no isintonako torohevitra ho antsika rehetra. Aza hamaivanina ny fahatsapanao fitiavana ho an’ny mpaminanin’Andriamanitra. Na aiza na aiza alehako ato amin’ny Fiangonana ary na iza na iza no mpamimany amin’ilay fotoana dia hangataka ny mpikambana hoe, “Rehefa miverina any amin’ny foiben’ny Fiangonana ianao dia mba lazao amin’ny mpaminany fa tena tianay tokoa izy!”
Mihoatra lavitra noho ny fankafizana olo-malaza iray izany na ny fahatsapana ananantsika indraindray rehefa tena mankafy olona mahery fo iray. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany. Hahazo mora kokoa ilay fanambarana manamafy ny zavatra voalaza ianao amin’ny alalan’izany rehefa miteny ao anatin’ilay anjara fanompoany amin’ny maha-mpaminanin’ny Tompo azy izy. Ilay fitiavana tsapanao dia ilay fitiavan’Andriamanitra an’izay notendreny ho mpitondra ny teniny.
Tsy mora ny fahafahana mahatsapa izany tsy tapaka satria matetika ny Tompo no mangataka ny mpaminaniny hanome torohevitra izay sarotra ho an’ny olona ny manaiky azy. Ny fahavalon’ny fanahintsika dia hiezaka hitarika antsika mba ho tafintohina sy hiahiahy amin’ny antso avo ataon’ny mpaminany izay avy amin’Andriamanitra.
Efa hitako ny fomba hitarihan’ny Fanahy Masina ny fo malefaka iray mba hiaro ny mpanaradia iray an’i Jesoa Kristy izay be fanetrentena tamin’ny alalan’ny fahazoana fanambarana manamafy ny zavatra voalaza.
Nirahin’ny mpaminany aho mba hanome ny fahefana masina enti-mamehy ho an’ny lehilahy iray tao amin’ny tanàna kely iray lavitra avy teo. Ny mpaminany ihany no manana ny fanalahidy hanapa-kevitra hoe iza no homena izany fahefana masina izany izay nomen’ny Tompo an’i Petera, ilay Apôstôly ela niasana indrindra. Efa nandray izany fahefana enti-mamehy izany koa aho saingy rehefa didin’ny Filohan’ny Fiangonana ihany vao afaka manome izany ho an’ny olona iray hafa.
Ka dia tao anatin’ny efitrano iray tao amin’ny trano fiangonana iray lavitra an’i Salt Lake no nametrahako ny tanako teo ambonin’ny lohan’ny lehilahy iray nofidin’ny mpaminany mba handray izany fahefana enti-mamehy izany. Hita teny amin’ny tanany ny mariky ny fiasana tany nandritra ny androm-piainany izay hany mba foto-pivelomany. Nipetraka teo akaikiny ilay vadiny pitsana kely. Hita teny aminy koa ny mariky ny fiasana mafy nandritra ny taona maro niaraka tamin’ny vadiny.
Nolazaiko ireo teny nomen’ny mpaminany manao hoe: “Rehefa nomena ahy ny fahefana sy andraikitra avy tamin’ny,” dia lazaina ny anaran’ny mpaminany, “izay mihazona ny fanalahidy rehetran’ny fisoronana eto an-tany amin’izao fotoana izao dia manome ity fahefana enti-mamehy ity aho ho an’i,” dia nolazaiko ny anaran’ilay lehilahy sy ny anaran’ny tempoly izay hanompoany amin’ny maha-mpamehy azy.
Nitsotsorika teny amin’ny tavany ny ranomasony. Hitako fa nitomany koa ramatoa vadiny. Nandrasako mba hitony aloha izy ireo. Nitsangana ilay vehivavy ary nanatona ahy. Nitraka izy dia niteny tamim-pahamenarana hoe faly ny tenany nefa malahelo ihany koa. Nolazainy fa tena tiany ny mandeha any amin’ny tempoly miaraka amin’ny vadiny, saingy tamin’izay izy dia nahatsapa fa tsy tokony hiaraka aminy satria nofidian’Andriamanitra hametrahana fitokiana lehibe sy masina tokoa ilay vadiny. Ary avy teo izy dia nilaza fa tonga tao anatiny ilay fahatsapany ho tsy mendrika ny ho namana hiaraka amin’ny vadiny any amin’ny tempoly noho izy tsy mahay mamaky teny sy manoratra.
Nanome toky azy aho fa ho voninahitra ho an’ny vadiny ny fiarahany aminy any amin’ny tempoly noho ny hery ara-panahy lehibe nananany. Nanao izay azoko natao tamin’izay kely haiko tamin’ny fiteniny aho mba hilazana taminy fa nanambara zavatra taminy mihoatra noho ny fahalalana azo eto an-tany Andriamanitra.
Fantany tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy fa nanome fitokiana masina an’ilay vady tiany tamin’ny alalan’ny mpaminaniny Andriamanitra. Nahazo fahalalana ho an’ny tenany manokana izy fa ireo fanalahidy hanomezana ilay fahefana enti-mamehy dia nohazonin’ny lehilahy iray izay tsy mbola hitany velively kanefa fantany manokana fa mpaminanin’Andriamanitra velona izy io. Fantany tsy nilana vavolombelona hoe hilaza izany taminy fa nivavaka mikasika ny anaran’ny vadiny ny mpaminany. Nahafantatra ho an’ny tenany izy fa Andriamanitra no nanome ilay antso.
Fantany koa fa ireo ôrdônansy hotanterahan’ny vadiny dia hamatotra ny olona mandrakizay any amin’ny fanjakana selestialy. Nohamafisina tao an-tsainy sy tao am-pony fa mbola nitohy tao amin’ny Fiangonana ilay fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’i Petera: “Na inona na inona fehezinao ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra.”5 Fantany ho an’ny tenany manokana tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’Andriamanitra izany.
Ndeha isika hiverina any amin’ilay zavatra nolazaina tany am-piandohana. “Mitohy ny fanambarana ao amin’ny Fiangonana: mandray izany ho an’ny Fiangonana ny mpaminany; ary ny filoha iray dia mandray izany ho an’ny tsatòkany na ny misionany na ny kôlejiny; ary ny eveka dia mandray izany ho an’ny paroasiny; ny raim-pianakaviana ho an’ny fianakaviany ary ny olona tsirairay ho an’ny tenany manokana.”6
Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa marina izany. Maheno ny vavaka ataonao ny Ray any an-danitra. Tiany ianao, fantany ny anaranao. I Jesoa no Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra sy Mpanavotra antsika. Tia anao mihoatra lavitra noho ny fahatakaranao izany Izy.
Mandrotsaka fanambarana eo amin’ireo zanany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Miresaka amin’ny mpaminaniny eto an-tany Izy izay i Thomas S. Monson amin’izao fotoana izao. Mijoro ho vavolombelona aho fa mihazona sy mampiasa ireo fanalahidy rehetran’ny fisoronana eto an-tany izy.
Eo am-pihainoanareo ny tenin’ireo olona nantsoin’Andriamanitra mba hitondra teny eo amin’ny Toerany mandritra ity fihaonambe ity, dia mivavaka aho mba hahazoanareo fanambarana manamafy ny zavatra voalaza izay ilainareo mba hahitanareo ny lalana mody indray, mba hipetraka hiaraka Aminy ao anatin’ny fianakaviana iray voafehy mandrakizay. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.