2021
Famoahana iray vaovao ho an’ny Fiangonana maneran-tany
Janoary 2021


Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Famoahana iray vaovao ho an’ny Fiangonana maneran-tany

Ry rahalahy sy anabavy malalanay,

Hita amin’ny firenena maro manerana izao tontolo izao ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Na dia miteny fiteny maro samihafa aza isika, dia tafaray ao amin’ireo ezaka mba hanarahana ny Mpamonjy, ka mifaly isika amin’ny fahafantarana fa isika rehetra dia zanak’ Andriamanitra avokoa.

Hatramin’ireo andro vitsy taorian’ny niantombohan’ny fameranana amin’ny laoniny ny Fiangonana no nanohana ireo mpikambana tamin’ny ezaka nataon’izy ireo hianarana, sy hiainana ary hizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo famoahana toy ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Nanampy ireo mpikambana hifandray amin’ireo mpitarika eo anivon’ny Fiangonana sy hifandray amin’izy samy izy ireo hafatra mitondra aingam-panahy. Omban’ny faniriana hanitatra ireo fitahiana ireo amin’ny zanak’ Andriamanitra maro kokoa, dia faly izahay mizara aminareo ity laharana voalohany amin’ny Liahona vaovao ity.

Tafiditra ao amin’ireo fanovana ny gazetibokin’ny Fiangonana ireo famoahana vaovao ho an’ny ankizy sy ny zatovo maneran-tany. Ny tsirairay amin’ireo gazetiboky—ny Liahona, Ry tanora, mahereza, ary Namana—dia hiara-hiasa akaiky amin’ny loharanom-pitaovana fandalinana ny soratra masina Avia, hanaraka Ahy izay manohana ny fianarana ny filazantsara any an-tokantrano. Hanjary ho hita kokoa ao amin’ireo fantsona nomerika koa ireo gazetiboky ireo.

Mijanona toy ny teo aloha ny tanjon’ireo gazetibokin’ny Fiangonana: hanampiana ny zanak’ Andriamanitra hiova fo bebe kokoa amin’ny Mpamonjy azy ireo, dia i Jesoa Kristy. Feno fankasitrahana izahay noho ny fanirianareo hianatra sy hiaina ny filazantsara, ary fantatray fa hanampy anareo amin’ireo ezaka ireo ireto gazetiboky ireto.

Amim-pitiavana,

Ny Fiadidiana Voalohany