Ny fomba ampatanjahan’ny fandalinana ny tantaran’ny Fiangonana ny finoako
Nankafiziko ny fandalinana tantara fony aho mpianatra teny amin’ny lise tao Afrika Atsimo. Rehefa nandeha tany amin’ny oniversite aho dia nahazo diplaoma momba ny tantara. Fony aho mpianatra seminera dia avy eo mpianatra institiota, dia nankafiziko avokoa ireo fandaharam-pianarana rehetra, fa nankafiziko manokana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana satria nampahafantatra ahy ny tantaran’ny Fiangonana izany. Rehefa nandeha ny taona dia nankafy namaky boky momba ny tantaran’ny Fiangonana aho—eny na ireo izay niresaka momba ireo lohahevitra sarotra teo amin’ny tantarantsika aza. Rehefa nanohy nianatra ny tantaran’ny Fiangonana avy tamin’ny loharano maro aho dia nihanatanjaka ny finoako manokana. Ireto ny fomba telo nitrangan’izany.
Ny tantaran’ny Fiangonana dia manolotra fomba fijery ho ahy, indrindra rehefa momba ireo fomba fanao taloha, anisan’izany ny famerana tamin’ny fisoronana sy ireo fitahian’ny tempoly. Tamin’ny fotoana nahafantarako voalohany fa nisy fotoana noferana tamin’ny fihazonana ny fisoronana ny lehilahy mainty fihodirana, dia nihozongozona ny finoako. Nahoana ilay Fiangonana tiako no tsy nanome ny fisoronana an’ireo mainty hoditra? Niezaka nampiseho ahy fanazavana izay nolazain’izy ireo fa ara-potopampianarana na araka ny soratra masina ny olona sasany. Nampikorontan-tsaina sy tsy nampilamina ireo.
Rehefa nandeha ny fotoana dia ny fanazavana ara-tantara no nitombina kokoa sy nitondra fampiononana. Ny fampidirana ara-tantara ny Fanambarana Ôfisialy 2, ohatra, dia manazava fa nanendry lehilahy mainty hoditra vitsivitsy i Joseph Smith saingy nitsahatra nanome ny fisoronana tamin’ny mainty hoditra ireo mpitarika teo anivon’ny Fiangonana tany amin’ny fiandohan’ny tantaran’ny Fiangonana. Dia milaza izao teny manan-danja manaraka izao izany: “Tsy manome fanazavana feno mikasika ny loharano niavian’izany fomba fanao izany ny tahirintsoratry ny Fiangonana.”1 Ireo fanadihadian-dahatsoratra momba ny lohahevitra mikasika ny filazantsara 2 sy ireo boky torolalana hafa an’ny Fiangonana dia manolotra antsipiriany bebe kokoa sy sahan-kevitra ara-tantara fanampiny.3 Nisy nitombina tamiko ireo fanazavana ara-tantara ireo ary nampatanjaka ny finoako.
Ny tantaran’ny Fiangonana dia manampy ahy hankasitraka ireo izay efa niaina talohako. Tena marina izany rehefa ankasitrahan’ny olona iray ireo anjara biriky izay nataon’ireo mpikambana toa “tsotra” ihany. Ohatra, ireo trano fiangonana voalohany naorina manerana an’i Afrika Atsimo, Zimbabwe, ary Zambia tany amin’ny taona 1950 sy 1960 tany dia tafatsangana noho ny anjara biriky nentin’ireo mpikambana. Mitaky fahafoizan-tena lehibe kokoa noho izany ny fahazoana ireo fitahian’ny tempoly. Noho ny fahafantarana fa am-polo taonany maro vao hanana tempoly ao Afrika izy ireo, dia mpikambana maro no nivarotra ny fananany, anisan’izany ny tranon’izy ireo, mba hananana ny vola hanaovana dia mankany amin’ny tempoly ka handraisana anjara amin’ireo ôrdônansy masina ireo. Ny Fiangonana eo amin’ny kaontinanta afrikana dia natsangana eo ambonin’ny finoan’ireo mpikambana tany am-boalohany izay zara raha nanana kanefa nahafoy betsaka ireo. Rehefa mamaky ny rakitsoratr’izy ireo aho dia mihamatanjaka ny finoako ary mitombo ny fahavononako hahafoy tena.
Mamporisika ahy ho mpihazona rakitsoratra tsara kokoa ny tantaran’ny Fiangonana. Namporisika ny fihazonana diary ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Fa nahoana? Satria ny tantaran’ny Fiangonana dia rakitsoratry ny “ toe-piainan[a], ny finoan[a] ary ny asan[’]” ireo mpikambana ao aminy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:2). Isaky ny mamaky ny tantaran’ny Fiangonana aho, toy ilay tantara vaovao Olomasina, dia talanjona hoe noho ny diary, taratasy, ary rakitsoratra hafa nataon’ireo mpikambana tsotra tao amin’ny Fiangonana no nampisy ireny boky ireny. Ny fitantaran’izy ireo amin’ny mpisolo anarana voalohany dia mamporisika ahy ho mpihazona diary tsara kokoa, ka dia hanampy ireo mpahay tantara amin’ny hoavy hirakitra tantara marina momba ny Fiangonana ao Afrika.
Misy fitahiana ho an’ny tena manokana bebe kokoa ihany koa avy amin’ny famakiana tantaran’ny Fiangonana sy fiezahana mihazona ny diariko manokana. Araka ny nampianarin’ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia voatahy aho mahita sy mahatsiaro ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainako sy eo amin’ny fiainan’ny olona ao amin’ny fianakaviako.4 Izany fahatsiarovana izany no mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananako sy mampitombo ny fahafahako miatrika ireo olana eo amin’ny fiainako. Rehefa mihazona ny rakitsoratro manokana aho sy mieritreritra momba ireo rakitsoratra nokajian’ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa, dia manomboka hitako ireo lamina goavana an’ny Tompo rehefa namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany sy ny fanjakany amin’ny andro farany Izy.
Ireo zavatra ireo sy lesona maro hafa nianarana avy tamin’ny fandalinana ny tantaran’ny Fiangonana no nandray anjara lehibe tamin’ny fivoarako ara-panahy manokana. Ireo lesona ireo koa dia nanome ahy risi-po hiaro ny finoako satria takatro ny antony hanaovantsika izay ataontsika. Ny fahalalana momba ireo sahan-kevitra ara-tantara amin’ny ankamaroan’ireo fomba fanao sy finoantsika no nahatonga ahy ho mpampianatra tsara kokoa sy mpanaradia tsara kokoa.