Avia, hanaraka Ahy: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Ahoana no fomba hitahian’ny filazantsara naverina tamin’ny laonina antsika?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1
(28 desambra–3 janoary)
Nanambara ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1 hoe: “Avy Amiko ireo didy ireo ary nomena ny mpanompoko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:24). Nohazavainy ny fomba hitahian’ity amboarana fanambarana sy didy ary fampianarana ity ny Fiangonana sy ireo mpikambana voalohany tao aminy. Mbola mihatra ireo teniny ireo amin’izao fotoana izao.
Fitahiana ho an’ny mpikambana
-
Hampianarina ireo izay mikatsaka fahendrena (jereo ny andininy 26).
-
Ireo izay manota “dia ho azo faizina, mba hahazoany mibebaka” (andininy 27).
-
Ireo izay manetry tena dia atanjahina sy tahiana avy any ambony, ary handray fahalalana (jereo ny andininy 28).
Fitahiana ho an’ny Fiangonana
-
Hitombo eto an-tany ny finoana (jereo ny andininy 21).
-
Haorina ny fanekempihavanana maharitra mandrakizain’ny Tompo (jereo ny andininy 22).
-
Ny fahafenoan’ny filazantsara dia hambaran’ny malemy sy ny tsotra hatrany (jereo ny andininy 23).
-
Hery handatsahana ny fanorenan’ity Fiangonana ity ka hamoaka azy avy ao amin’ny haizina sy avy ao amin’ny haizimpito (jereo ny andininy 30).