Avia, hanaraka Ahy: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19.
Ny hasarobidin’ny fanahy tsirairay
Nahoana no lehibe tokoa ny lanjantsika eo amin’ny Raintsika any An-danitra?
Vao haingana aho no nahatsapa fa tokony hifandray indray tamin’ny fianakaviana iray izay nampianariko sy ny mpiara-mitory tamiko ary nataonay batisa fony aho misiônera tanora efa ho 40 taona lasa izay tany Bruxels, Belgique. Efa elaela no niresahako farany tamin’izy ireo.
Notadiaviko tao amin’ny tambajotran-tserasera tamin’ny alalan’ny fahagagan’ny teknolojia misy ankehitriny ny renim-pianakaviana ao amin’ity fianakaviana ity. Afaka nanao resadresaka an-tsary nahafinaritra taminy aho. Nifampahatsiahy izahay ny amin’ireo zava-niainana masina izay nifampizaranay taona maro lasa izay rehefa nianatra momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ny fianakaviany.
Tsy dia salama loatra izy, ka nampisaraka azy tamin’ny fianakaviany ny toe-javatra niseho. Rehefa niresaka izahay dia tsapako ny fitiavana lalina ananan’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ho an’ity rahavavy tsara ity. Tsapako fa manana lanja mandrakizay lehibe izy, na dia efa somary tsy dia navitrika loatra tao amin’ny Fiangonana aza. Naneho ny fitiavako azy aho ary nijoro ho vavolombelona fa tia azy sy mahatsiaro azy Andriamanitra. Vonton-dranomaso ny masonay rehefa nifaneho ny fifankatiavanay izahay. Nanolo-tena hifampiresaka matetika kokoa izahay. Feno fankasitrahana tokoa aho satria ilay Andriamanitra mahalala ny zava-drehetra sy be fitiavana dia nanentana ahy ny hanatona ny namana malalako tamin’io andro io.
Ny “antony” itiavan’ Andriamanitra antsika.
Rehefa nanontany an’i Nefia ilay anjely raha fantany ny momba ny fiambanian’ Andriamanitra, dia namaly tamim-panentren-tena izy hoe: “Fantatro fa tia ireo zanany Izy, na dia eo aza izany dia tsy fantatro ny hevitry ny zava-drehetra” (1 Nefia 11: 17). Matetika aho no nanontany tena hoe ahoana no nahatakaran’i Nefia izany fahamarinana tsotra sy mahafinaritra izany: tia ny zanany Andriamanitra. Mazava fa fantany ny fotopampianaran’i Kristy araka ny nampianarin’ireo “ray aman-dren[iny] tsongoin’olom-bolo” (1 Nefia 1:1). Saingy fantany ihany koa ny “antony” nisian’ny Mpamonjy. Dia inona izany “antony” izany?
Nahoana Andriamanitra no namela ny Zanany ho atao sorona? Nahoana Izy no nandefa antsika tetỳ mba hozahana toetra sy hosedraina? Satria, araka ny ampianarina ao amin’ny fahamarinana mahafinaritra mitovy amin’izany dia “Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10).
Nahoana isika no tena sarobidy Aminy? Mazava ho azy fa tiany isika satria zanany isika. Saingy ao amin’ireo andininy maromaro manaraka, dia mamaritra ilay fanomezana lehibe nomena antsika tsirairay izy noho ny fitiavany antsika— dia ilay Zanany Lahitokana, dia i Jesoa Kristy. Nandefa ny Zanakalahiny Izy mba hiaritra “fahafatesana tamin’ny nofo; koa niaretany ny fangirifirian’ny olon-drehetra, mba hahazoan’ny olon-drehetra mibebaka sy manatona Azy. Ary efa nitsangana indray tamin’ny maty Izy, mba hahazoany mitondra ny olon-drehetra ho eo Aminy, raha tahiny ka mibebaka izy ireo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–12). Milaza amintsika Izy hoe: “Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).
Fibebahana sy fifaliana
Tsy mahagaga raha mahatsapa fifaliana lehibe ny Ray any An-danitra rehefa mibebaka isika. Ny fahavononantsika hibebaka dia porofon’ny fankasitrahantsika lalina ilay fanomezana mahatalanjona sy tsy manam-paharoan’ny Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ao Aminy irery ihany no ahafahantsika ho tonga mendrika ny hijoro amim-pahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45).
Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Maro loatra ireo olona mihevitra ny fibebahana ho toy ny fanasaziana, zavatra iray izay tokony hosorohina afa-tsy ao anatin’ireo toe-javatra faran’izay ratsy. Saingy i Satana no mamorona izany fahatsapana ho voasazy izany. Izy dia miezaka ny manakana antsika tsy hibanjina an’i Jesoa Kristy, izay mijoro mamelatra ny sandriny, manantena sy vonona ny hanasitrana, hamela, hanadio, hampatanjaka ary hanamasina antsika. …
“Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”1
Nahazo fanasana mba hanampy
Matetika mihitsy ao amin’ireo fanambarana amin’ny andro farany, ny Tompo dia manasa ny zanany-mpanompony mba hanampy Azy sy ny Zanany amin’ny asa famonjena sy ny fisandratana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:14). Eritrereto izany! Ao anatin’ny toetrantsika tsy lavorary dia manome fanasana antsika ilay Andriamanitr’izao tontolo izao mba hanampy ireo zanany, izay tena sarobidy, mba hiverina any Aminy. Fantany fa sarotra ny asa. Hisy olona maro izay tsy hanaiky ny fanasana ataontsika mba “[hihaino] Azy.” Na izany aza, hamafisiny fa Izy no Andriamanitr’ilay “olona iray.” “Ary raha toa aza ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15; nampiana fanamafisana).
Azonao atao ny manontany ny tenanao hoe: “Inona no azoko atao hanampiana olona iray hanatona an’i Kristy sy hibebaka ary hotahiana amin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony?”
Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome izao torohevitra izao momba ny fandraisana anjara amin’ny asa famonjena sy fisandratana: “Aoka ho takatrao fa tsy asanao ny mampiova fo ny olona. Izany no anjara andraikitry ny Fanahy Masina. Ny anjara andraikitrareo dia ny mizara izay ao am-ponareo sy miaina tsy tapaka araka ireo zavatra inoanareo.
“Noho izany dia aza kivy ianareo raha misy olona tsy mandray avy hatrany ny hafatry ny filazantsara. Tsy hoe tsy fahombiazan’ny tena manokana izany.
“Raharahan’ilay olona sy Andriamanitra izany.
“Ny anao dia ny mitia an’ Andriamanitra sy mitia ireo mpiray monina aminao, eny dia ireo zanany.
“Minoa, mitiava, ary manaova asa.
“Araho io lalana io dia hanao fahagagana amin’ny alalanao Andriamanitra mba hitahiana ireo zanany sarobidy.”2
Manompo an’ireo eo amin’ny lafy roan’ny voaly
Ny fanasana hanatona an’i Kristy dia tsy natokana ho an’ireo mbola miaina eto ambonin’ny tany ihany. “Ny maty izay mibebaka dia ho voavotra amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo ôrdônansin’ny tranon’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:58). Fitaovana manan-danja amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny lafiny roa amin’ny voaly ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Afaka mahatsapa fifaliana lehibe isika rehefa manao ny asa ho an’ireo izay lasa tany amin’ny tontolon’ny fanahy sady mahalala fa ao amin’io tontolo io, araka ny nolazain’ny Filoha Wilford Woodruff (1807–98), “dia hisy vitsy, raha misy, izay tsy hanaiky ny Filazantsara.”3 Tsy isalasalana fa hiandrandra ny andro izay hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena ho azy ireo ao an-tranon’ny Tompo izy ireo.
Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Rehefa manangona ny tantaram-pianakaviantsika isika ary mankany amin’ny tempoly mba hisolo tena ireo razambentsika, dia manatanteraka amin’ny fotoana iray ihany ny maro amin’ireo fitahiana nampanantenainy ireo amin’ny lafy roan’ny voaly Andriamanitra. Torak’izany koa, voatahy isika rehefa manampy ny hafa ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka misy antsika mba hanao toy izany koa. Ireo mpikambana izay monina lavitry ny tempoly dia mandray ireo fitahiana ireo koa amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao momba ny tantaram-pianakaviana, ny fanangonana ny anaran’ireo razambeny mba hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.”4
Mahafinaritra ny mahalala fa tia ny zanany tsirairay ny Ray any An-danitra. Sarobidy tokoa isika Aminy. Isika tsirairay dia manana andraikitra masina ny hanompo ny zanany amin’ny lafy roan’ny voaly ary hanampy azy ireo hahatsapa ny lanjany lehibe.
Ampio izy ireo hahita ny hasarobidin’izy ireo
Manasa anareo aho hanolo-tanana ireo izay efa nandray anjara teo amin’ny fiainanareo ka mety efa adino nandritra ny fotoana elaela. Ampio ireo izay nandao ny lalan’ny fanekempihavanana. Manompoa ireo izay mila fitiavana toa ny an’i Kristy. Mifandraisa amin’ireo izay eo amin’ny lafy ilan’ny voaly amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ao anatin’izany ny fanaovana ny indexing (firaketana faobe). Ampio ny hafa hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ny alalanao.
Araka ny fampanantenana nifanaovana dia nifampiresaka isan’Alahady izaho sy ilay namako malala Belza nandritra ny efa-bolana. Nasaiko izy hisintona ny application Bibliothèque de l’Evangile. Nampahafantarina ny mahakasika azy ny filohan’ny sampana teo an-toerana koa namangy sy nanome tsodrano azy ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Ny herinandro nanaraka izay dia nanatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo izy, sambany tao anatin’ny 30 taona. Tamin’ny fotoana farany nifampiresahanay dia heniky ny hafaliana izy fa afaka nifandray indray tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.
Nolazainy tamiko ihany koa fa mbola mazoto ao amin’ny Fiangonana ny zanany vavimatoa. Nanatona avy hatrany ilay zanakavavy tamin’ny alalan’ny chat video aho. Nampifankafantarany tamin’ny tsirairay avy tamin’ireo zanany mahafinaritra efatra aho, avy eo dia nolazainy tamiko fa ho avy hisakafo hariva ao an-tranony ny misiônera amin’ny fotoana feno tamin’io alina io. Tena fitahiana tokoa ny nahita fa mbola mpikamban’ny Fiangonana mahatoky izy!
Rehefa nifampitafa taminy aho dia takatro tamin’ny ampahany kely ny hafatr’ity soratra masina ity: “Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ny fanahy iray izay nentinareo ho Ahy ho ao amin’ ny fanjakan’ ny Raiko, akory ny ho halehiben’ ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:16).
Lehibe ny hasarobidin’ny fanahy tsirairay!