2022
Misy ny olona mba hahazo fifaliana
Aogositra 2022


Hafatra avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra

Misy ny olona mba hahazo fifaliana

Tany amin’ny tontolon’ny fanahy isika dia nanaiky tamim-pifaliana ny drafitry ny Ray mba hahafahana manohy ny fivoarantsika.

Eo am-pamakianao ity lahatsoratra ity dia antenaiko sy ivavahako ny mba hampatanjahana anao amin’ny fanapahan-kevitrao ny hiaina ny fiainanao amim-pinoana, amim-panantenana, sy fifaliana ary omban’ny hery mba tsy hilavo lefona mihitsy. Raha ny marina, izaho sy ianao dia avy amina tontolo mandrakizay izay niainantsika tamin’ny naha-fanahy zanaky ny Ray any An-danitra izay Andriamanitra antsika, mpikambana tao amina fianakaviana mandrakizay izay nisy fifaliana, tsy nisy fahafatesana, tsy nisy fijaliana ary tsy nisy fahoriana.

Ny Raintsika any An-danitra be fitia anefa dia maniry ny hahazoantsika ny fahafenoan’ny fifaliana izay ananany, fifaliana izay ahitana vatana tonga lafatra, be voninahitra, tsy mety maty, izay tsy iharan’ny fijaliana, na fahafatesana, na fahoriana. Vatana izay hiainantsika ny fahafenoan’ny fifaliana sy fitomboana mandrakizay ary ny hery sy ny voninahitra rehetra izay natokana ho an’ireo izay madio sy masina ary tonga lafatra.1

Tany amin’ny tontolo nisy antsika talohan’ny nahaterahana, isika izay teraka tety an-tany dia niaina fiainana nisy finoana lehibe sy safidy tsara maro ary asa tsara maro.2 Raha ny marina dia nitandrina ny toetrantsika voalohany isika ary nanaiky tamim-pifaliana ilay Drafitry ny Ray mba hankanesantsika ety an-tany izay hanohizantsika ny fivoarantsika sy hiasantsika ho an’ny famonjena antsika ety an-tany ka tsy hahatsiarovantsika ny toetrantsika voalohany. Io toe-piainana mizaha toetra eto an-tany izay mety tokoa io dia manainga antsika indray hampihatra “finoana lehibe fatratra”, hanao safidy tsara ary hanao asa tsara ka ho lasa madio, masina, (ary amin’ny fotoanany) dia ho tsy misy fahotana, ary ho lasa tonga lafatra.

Fahombiazana mahatalanjona tsy vita raha tsy misy an’i Kristy

Ny fiainam-pizahan-toetrantsika ety an-tany dia mitaky ny hampiasantsika ny tanjatsika manontolo mba hanohitra ny ratsy sy hiaina fiainana feno fahamarinana. Kanefa dia tsy ho tanteraka izany raha tsy misy fanampiana avy amin’ Andriamanitra.3 Araka izany, ny Raintsika any An-danitra dia nandefa ny Zokilahintsika, Jesoa Kristy, ho ety an-tany mba hampiseho amintsika ny fomba tokony hiainantsika ny fiainantsika sy mba hahatanteraka izany amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy mba hahafahantsika ny ho voavela amin’ny fahotantsika sy ho voadio amin’ny fahotana sy ny tsy fahamarinana rehetra. Ambonin’izany, notapatapahany ny fatotry ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty ary nanome fahafahana ny tsirairay avy amintsika rehetra mba hitsangana amin’ny maty ao anatin’ny toetry ny fiainana tsy manam-piafarana.

Na dia manome antsika fahafahana ny ho tsy mety maty aza ny fitsanganana amin’ny maty, izany kosa dia tsy manome antsika avy hatrany ny hery mba hiverenana eo amin’ny Raintsika any An-danitra na handray ny voninahiny sy ny fahafenoan’ny fifaliana izay ananany. Ireo fitahiana faran’izay lehibe ireo dia natokana irery ihany ho an’ireo izay mahafeno ireo fepetra ifotoran’ireo fitahiana ireo.4

Miaraka amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ny Mpamonjintsika Jesoa Kristy dia nanome antsika ny hery mba hahahafantsika ny ho voadio amin’ireo fahotantsika sy handresy izao tontolo izao. Ambonin’izany, Izy dia tsy namela antsika tsy hanana ny fanatrehan’ Andriamanitra, ary ny hery izay omena antsika dia amin’ny alalan’ny Mpikambana Fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra, dia ny Fanahy Masina izany. Vantany vao vita batisa sy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika, ny Fanahy Masina dia afaka ny manamasina sy manadio antsika amin’ny fahotantsika rehetra. Izy dia afaka mahatonga ny fontsika, ary avy eo ny toetrantsika sy ny fihetsitsika hiova mba hahafahantsika tsirairay avy ho tonga “olom-baovao [ao amin’i Kristy].”5

Mba tsy hamelana antsika tsy hisy mpitarika sy tsy hisy mpanohana amin’ny fiverenana any Aminy, ny Ray dia nanome antsika ny Fiangonany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany. Ny fotopampianarana sy ireo ôrdônansy ary ireo fanekempihavanana ao amin’ny filazantsarany, miaraka amin’ireo fampianaran’ireo mpaminaniny sy apôstôliny amin’ny andro farany ary ireo mpitarika manana fahefana sy fitaomam-panahy dia manome antsika fahafahana ny hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra na dia eo aza ireo toe-piainana feno fanamby izay atrehantsika eto amin’ity izao tontolo izao ity.6

-Hampianatra anao ny zavatra hatao sy hanoro anao izay haleha izany-

Amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika, izaho sy ianao dia tsy irery na oviana na oviana. Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia tsy mandao sy eo akaiky mandrakariva raha mikatsaka ny heriny eo amin’ny fiainantsika isika. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Ampianaro ny olona mba . . . ho azo antoka fa mikatsaka ny Fanahin’ny Tompo izy ireo dia hitarika azy ireo soa aman-tsara izany. Mitandrema ary aza mandà ilay feo tony sy malefaka; izany dia hampianatra [anao ny zavatra] hatao sy hanoro anao izay haleha.”7

Momba ny hery miavaky ny Fanahy Masina, ny Loholona Orson Pratt tao amin’ny Roambinifololahy dia nampianatra hoe:

“Ny ranon’ny batisa dia fanadiovana fanomanana fotsiny ny olona mibebaka sy manam-pinoana . . . ; fa ny batisan’ny afo sy Fanahy Masina kosa dia manadio tanteraka amin’ny alalan’ny fanavaozana ilay olona ao anaty sy amin’ny alalan’ny fanadiovana ny zavatra tian’ny fo sy ny faniriana ary ny eritreritra izay efa ela no zatra niaina ireo fomba tsy madio an’ny fahotana. Raha tsy misy ny fanampian’ny Fanahy Masina, ny olona iray . . . dia tsy hanana afa-tsy hery kely monja mba hanovana ny eritreriny . . . sy handiavana fiainam-baovao.

“Na dia ho voadio aza ireo fahotany, kanefa lehibe loatra ny herin’ny fahazarana, dia ho resy sy voaloton’ny fahotana mora foana indray izy, raha tsy havaozin’ny Fanahy Masina. Noho izany dia manan-danja lehibe, amin’ny lafiny iray, ny tokony hanovana sy hanavaozana ny zavatra tian’ny fo sy ny faniriana mba hahatonga azy hankahala izay tiany taloha sy ny mba hitiavany izay nankahalainy taloha: koa amin’izany ny fanavaozana ny sain’ny olombelona dia asan’ny Fanahy Masina.”8

Izaho sy ianao dia taranaka ray aman-dreny masina. Tokony hitsaoka ny Raintsika any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika. Tsy irery na oviana na oviana isika. Ny Raintsika any An-danitra dia mamaly avy hatrany ireo vavaka avy amin’ny fo sy vavaka marina ataontsika na dia amin’ny fombany sy amin’ny fotoany mandrakariva aza no hanaovana izany. Henony ny vavaka atao amim-panetrentena indrindra. Tsindrindaona ny hanampy Izy. Raha ny marina dia fantany ireo zavatra ilaintsika sy iriantsika mialoha ny hanehoana azy ireny ka mitahy antsika araka izany Izy.

-Ny zavatra izay irintsika fatratra no hahatongavantsika-

Taona maro lasa izay ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Roambinifololahy dia nampianatra hoe: “Noho izany, ny zavatra izay irintsika fatratra, rehefa mandeha ny fotoana, no lasa izay hahatongavantsika amin’ny farany ka ho raisintsika any amin’ny fiainana mandrakizay. “Fa izaho [hoy ny Tompo] hitsara ny olon-drehetra araka ny asany, araka ny fanirian’ny fony” (F&F 137:9; jereo koa ny Jeremia 17:10). Nilaza i Almà hoe: “Fantatro fa tovin[’Andriamanitra] amin’ny olona araka ny fanirian’izy ireo, . . . fantatro fa zarainy amin’ny olona . . . araka ny sitrapoin’izy ireo.”9

Rehefa sarotra ny fiainana ary rehefa mahatsapa ho tsy raharahaina na adinon’ny Tompo ny sasany amintsika dia tokony hahatsiaro lalandava isika fa tsy izany no toetra maharitra hisy antsika. Raha ny marina ireo eritreritra manimba ireo dia avy amin’ilay ratsy izay mikatsaka ny faharavantsika mandrakariva.

Nampianatra tamin’ny fomba mahery vaika ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “na dia tara tahaka ny ahoana aza no fiheveranao ny tenanao, na dia betsaka tahaka ny inona aza ireo tombontsoa izay heverinao fa navotsotrao, na betsaka toy inona aza ny fahadisoana izay tsapanao fa efa vitanao, na dia firy aza ireo talenta izay heverinao fa tsy anananao, na dia lavitra toy ny inona aza ny dia nataonao izay tsapanao fa nanalaviranao ny tokantrano na ny fianakaviana na an’ Andriamanitra, dia mijoro ho vavolombelona aminao aho fa tsy nanalavitra loatra ianao ka hoe tsy ho takatry ny fitiavan’ Andriamanitra. Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho tratran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’i Kristy.”10

Tsy hosedraina mihoatra noho izay fahafahantsika manohitra fakam-panahy sy ireo olan’ny fiainana isika. Araka ny nampianarin’ny Apôstôly Paoly hoe: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo.11

Ny tanjon’ny Tompo ho antsika, tsy hoe any ankoatra ny voalin’ny fahafatesana ihany, fa na dia mandritra ny diantsika ety an-tany mihitsy aza, dia fifaliana: “misy ny olona mba hahazo fifaliana.”12

Amim-panetrentena no anampiako amin’izany ny fijoroana ho vavolombelona ananako sy ny tenivavolombeloko.

Fanamarihana

  1. Jereo ao amin’ny Sujets de l’Évangile ireo lohahevitra mitondra ny lohateny hoe “Plan du Salut” sy ny “Vie Prémortelle”.

  2. Jereo ny Almà 13:2–11.

  3. Jereo ao amin’ny Sujets de l’Évangile ny lohahevitra mitondra ny lohateny hoe “Grâce”.

  4. Jereo ny Matio 7:21–23.

  5. 2 Korintiana 5:17. Jereo ny Môzià 3:19.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:14–30.

  7. Joseph Smith, Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 98.

  8. Orson Pratt, “The Holy Spirit,” tao anatin’ny A Series of Pamphlets (1852), Orson Pratt: Writings of an Apostle (Salt Lake City: Mormon Heritage Publishers, 1976), 57.

  9. Neal A. Maxwell, “‘According to the Desire of [Our] Hearts’”, Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 1996.

  10. Jeffrey R. Holland, “Ireo Mpiasa ao amin’ ny Tanimboaloboka”, Liahona, Mey 2012, 33.

  11. 1 Korintiana 10:13.

  12. 2 Nefia 2:25.

Hamoaka printy