2022
Nahazo Fiadidian’ny Vondromparitra vaovao ny Vondromparitra Afrika Atsimo
Aogositra 2022


Vaovao eo an-toerana

Nahazo Fiadidian’ny Vondromparitra vaovao ny Vondromparitra Afrika Atsimo

Nahazo Fiadidian’ny Vondromparitra vaovao ny Vondromparitra Afrika Atsimo tamin’ny fiandohan’ny volana Aogositra. Miahy ny Fiangonana eo anivon’ny Vondromparitra Afrika Atsimo ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ireo.

Edward Dube no Filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo. Notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambonin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy tamin’ny 6 Aprily 2013.

Ny Loholona Dube dia teraka tao Chiramanzu, Zimbaboe, tamin’ny 12 Mey 1962. Nanambady an’i Naume Keresia Salizani izy tamin’ny 1989. Manan-janaka efatra izy ireo.

Nahazo maripahaizana momba ny fampianarana avy tamin’ny anjery manontolo Zimbabwe D.E. izy tamin’ny 1992 ary nianatra momba ny fandraharahana tao amin’ny Oniversiten’i Afrika Atsimo tamin’ny 2003.

Efa nanompo tamina antso maromaro teo anivon’ny Fiangonana izy, anisan’izany ny misiônera amin’ny fotoana feno tany Zimbaboe, filohan’ny distrika, filohan’ny sampana, filohan’ny tsatòka, filohan’ny Misiônan’i Zimbabwe Harare, ary Fitopololahin’ny Vondromparitra.

Talohan’io andraikitra nanendrena azy io dia Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Afrika Atsimo ny Loholona Dube. Talohan’izany andraikitra izany dia nanompo tamin’ny naha Mpanolotsaina Voalohany azy tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Afrika Andrefana izy.

Nandritra ny fotoana niasany dia niasa tamina toerana maro tao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana tao Afrika izy nandritra ny 15 taona mahery talohan’ny niantsoana azy ho Manampahefana Ambony.

Marcos A. Aidukaitis no Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo. Teraka tao Porto Alegre, Brezila, tamin’ny 30 Aogositra 1959 i Marcos A. Aidukaitis. Nanambady an’i Luisa Englert izy tamin’ny 1986. Manan-janaka dimy izy ireo.

Nahazo maripahaizana lisansa ara-tsiansa momba ny injeniera mekanika miaraka amin’ny matematika amin’ny sokajy taranja zandriny tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young izy tamin’ny 1988. Tamin’ny 1989 dia nahazo maripahaizana maîtrise momba ny fitantanan-draharaha tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young izy.

Ny Loholona Aidukaitis dia nanompo tamin’ny antso maro teo anivon’ny Fiangonana, anisan’izany ny misiônera amin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i São Paulo Brezila, mpanolotsaina avo ao amin’ny tsatòka, solontena mpanatanteraka ny fifanampiana isam-paritra, filohan’ny tsatòka, filohan’ny misiôna, ary Fitopololahin’ny Vondromparitra.

Filohan’ny Misiônan’i Brezila Brasilia ny Loholona Marcos A. Aidukaitis tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony. Talohan’izay dia nanompo tamin’ny naha Fitopololahin’ny Vondromparitra azy tany Brezila sy tao amin’ny fitarihana ary ny Fiadidian’ny Vondromparitra Atsimon’i Amerika Atsimo izy.

Izy dia nanompo tamin’ny naha Filohan’ny Vondromparitra Brezila azy nanomboka ny Aogositra 2017 ka hatramin’ny Aogositra 2020. Manompo ao amin’ny foiben’ny Fiangonana izy amin’izao fotoana izao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Amerika Avaratra Atsimo Atsinanana azy.

Tompon’andraikitra mpanatanteraka teo anivon’ireo orinasam-pirenena maro tany Brezila izy talohan’ny niantsoana azy ho filohan’ny misiôna. Izy koa dia mpiara-miombon’antoka tamina orinasa iray.

Denelson Silva no Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo.

Denelson Urbano da Silva dia teraka tao Recife, Brezila, tamin’ny 4 Jolay 1965. Nanambady an’i Regina Maria de Carvalho izy tamin’ny 1987. Manan-janaka roa izy ireo.

Notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambonin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny Loholona Silva tamin’ny 2 Aprily 2022 tamin’ny faha 56 taonany. Fitopololahin’ny Vondromparitra tao amin’ny Vondromparitra Brezila izy tamin’ny fotoana niantsoana azy.

Ny Loholona Silva dia nanompo tamin’ny antso maro teo anivon’ny Fiangonana, anisan’izany ny misiônera amin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Curitiba Brezila, mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpanorohevitra ao amin’ny Zatovolahy eo anivon’ny paroasy, mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, filankevitra avo, eveka, filohan’ny tsatòka, ary filohan’ny Misiônan’i Angola Luanda nanomboka ny taona 2016 ka hatramin’ny 2019.

Nahazo maripahaizana lisansa momba ny fikirakirana lahatahiry ny Loholona Silva. Niasa nandritra ny 30 taona mahery tao amin’ny taozava-baventin’ny fitsangatsanganana izy. Mpitantana ny fikarakarana ny dia teo anivon’ny vondromparitra sy ny raharaha rehetra momba ny fiara tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no asa nataony tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Manampahefana Ambony.

Hamoaka printy