2022
Fiadiana fototra any Sierra Leone
Aogositra 2022


An-jotra

Fiadiana fototra any Sierra Leone

Nankalaza tranga manan-tantara iray ireo mpikambana any Sierra Leone tamin’ny volana martsa. Sambany vao nisy ady fototra ho ana fanorenana tempoly teo amin’ny tanin’ny Afrika Andrefana.

Nilaza toy izao ny Loholona Hugo E. Martinez, filohan’ny Vondromparitra Afrika Andrefana, tao anatin’ny vavaka fanokafana nataony: “Tahio izahay amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy Zanakao lahy anay mba handia fiainana ankasitrahanao”.

“Enga anie ireo mpikambana mendrika rehetra miditra ny varavaran’izany ka hanompo ny hafa amin’ny fomba be voninahitra indrindra amin’ireo lohahevitra hita ao anatin’ny filazantsara maharitra mandrakizay an’i Jesoa Kristy, dia ireo ôrdônansy isoloana tena ho an’ireo razambeny izany. Enga anie izy ireo hahatsapa ny Fanahinao sy handray fahalalana sy fitarihana mba hiverenana eo anatrehanao amin’ny maha-fianakaviana mandrakizay azy ireo.”

Nanatrika ity hetsika ity i Madam Nabeeka Farida Tunis, minisitry ny faritra andrefan’i Sierra Leone. Hoy izy: “Miarahaba amin’ny foko manontolo ity Fiangonana ity sy ireo ezaka ataony aho amin’ny fitondrana tempoly eto amin’ny firenenay. Hotahian’ Andriamanitra anie ity Fiangonana ity. Hotahian’ Andriamanitra anie isika rehetra. Hotahian’ Andriamanitra anie i Sierra Leone.”

Raha hijery sary sy hamaky misimisy kokoa dia mankanesa ao amin’ny: https://news-africa.churchofjesuschrist.org/

Hamoaka printy