2022
Ny andraikitry ny Fiadidian’ny Vondromparitra
Aogositra 2022


Hevitra misongadina ao amin’ny boky torolalana

Ny andraikitry ny Fiadidian’ny Vondromparitra

Raha efa namaky momba ny Fiadidian’ny Vondromparitra vaovao ianao dia mety hanontany tena hoe inona moa izany. Ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany dia milaza amintsika bebe kokoa momba ireo mpihazona ny fisoronana izay miahy ny Fiangonana eo amin’ny sehatra isam-paritra.

“Ny Fiangonana dia voarindra anaty faritra ara-jeografika maromaro izay mandrakotra izao tontolo izao.”1

“Any amin’ny vondromparitra tsirairay dia misy Fitopololahy Manampahefana Ambony notendren’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hanompo amin’ny maha-Filohan’ny Vondromparitra azy. Mpanolotsaina roa, izay Fitopololahy Manampahefana Ambony na Fitopololahin’ny Vondromparitra no voatendry hanampy ny filoha.

“Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia miahy sy mifanakalo hevitra amin’ireo filohan’ny tsatòka sy misiôna ao amin’ilay vondromparitra. Izy ireo koa dia manohana ireo filohan’ny tempoly sy ireo vehivavy zokiolona mitantan-draharaha ao amin’ny tempoly.

“Ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia mandeha ao anatin’ilay vondromparitra nanendrena azy ireo mba hanompo sy hampianatra ary hankahery ireo mpitarika eo an-toerana sy ireo misiônera ary ireo mpikamban’ny Fiangonana. Notendren’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy ireo mba hiahy ny fihaonamben’ny tsatòka sy ireo fivoriana hafa.”2

Milaza amintsika ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany fa “voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao ny anjara fanompoan’ny Fitopololahy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka” (jereo ny Eksodosy 24:1, 9–10; Lioka 10:1, 17). Ankehitriny dia misy Fitopololahy Manampahefana Ambony sy Fitopololahin’ny Vondromparitra. Miasa eo ambany fanalahidy sy fitarihan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy ireo. Manampy ny Roambinifololahy izy ireo eo amin’ny fanorenana sy fitantanana ny raharahan’ny Fiangonana any amin’ny firenen-drehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:34–35, 38).

“Ireo Fitopololahy Manampahefana Ambony dia manompo amin’ny fotoana feno ao amin’ny Fiangonana. Amin’ny ankapobeny dia isaorana amin’ny antsony izy ireo rehefa feno 70 taona ary omena sata nahavita fanompoana tamim-boninahitra. Na dia mitazona ny anjara fanompoan’ny Fitopololahy aza izy ireo dia tsy miahy intsony mandritra ireo fivoriana.”3

Raha te hahalala bebe kokoa momba ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia mandehana ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany:

Fanamarihana

  1. Ny Fitsipiky ny Filazantsara, Toko 17: “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ankehitriny”, ChurchofJesusChrist.org.

  2. Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana.

  3. Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana.

Hamoaka printy