Hafatra avy amin’ny mpitarika eo an-toerana
Manatona an’i Kristy: Lesona avy amina lehilahy iray izay nanadio ny kiraroko
Maka antoka ve isika fa tsy be atao be loatra ka tsy manam-potoana ho an’ny hafa sy ho an’ireo olona ankamamiantsika ary ho an’ Andriamanitra?
Indray maraina aho dia niolomay nanavatsava ny seranam-piaramanidina iray izay ifanaretsahan’ny olona raha iny aho an-dalana hamonjy fivoriamben’ny tsatòka iray. Taorian’ny nahavitan’ireo kipitsopitsony mahakasika ny fifindra-monina iny no nandeha ny filazana fa nahemotra ny sidina handehanako. Teo aho nijoro nitazana ny olona miaka-midina ka raha iny aho nitodi-doha nanohy nankany amin’ilay vavahady fiondranana iny, dia nisy olona nikasika ahy mora teo amin’ny soroko sady niteny hoe: -Ramose, avelao mba hodioviko ny kiraronao-. Talohan’ny nandavako dia nolazainy fa naloto ny kiraroko kanefa ny endriko ivelany toa handeha hanatrika fivoriana manan-danja.
Niondrika aho ka hitako fa marina ny azy. Koa satria aho mbola manana fotoana dia nanatonako teny amin’ny sezany izy ka nipetraka aho. Teo am-panadiovany ny kiraroko dia nanontaniany hoe handeha ho aiza aho; nohazavaiko taminy fa nanana adidy hefaina tany am-piangonana aho. Hoy izy hoe, “miaina ao anaty tontolo mirotoroto be isika . . . mikorapaka etsy sy eroa ny rehetra ka tsy manam-potoana tsotra izao ho an’ny hafa sy ho an’ Andriamanitra ny olona.” Notantarainy ahy fa taloha izy dia nanokana fotoana hivavahana sy hamakiana ny baiboliny. Nanontaniako azy ny antony nitsaharany, ka toy izao no valinteniny: “Be atao aho. Araka ny hitanao dia be atao ny olon-drehetra. Samy manana ny toerana ihazakazahiny ny olon-drehetra.”
Rehefa nandao azy aho dia nieritreritra hoe, “be atao be loatra ve isika ka tsy manam-potoana ho an’ny hafa sy ho an’ireo olona ankamamiantsika ary ho an’ Andriamanitra?” Nisaintsaina io fanontaniana io aho nanomboka teo. Toy ny ahoana ny fanasako ny rehetra mba “hanatona an’i Kristy, hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina ary ho lasa mpianany maharitra”? Mangataka ny vinan’ny Vondromparitsika ny mba hanasantsika ireo zanaky ny Ray any An-danitra izay mety amina dingana samihafa eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.
Mety hidika zavatra maro samihafa ho an’ny tsirairay avy amintsika izany hoe manatona an’i Kristy izany. Amin’ny olona iray izany dia mety hidika hoe manao dingana mba hatao batisa, amin’ny iray hafa kosa izany dia mety hidika hoe miverin-dalana ka miverina ao am-piangonana. Fantatsika fa nisy ireo izay nisy fotoana niara-nipetraka sy nihira ary nandray ny fanasan’ny Tompo tamintsika; amin’izy ireo no itenenantsika hoe, tianay ianao ary mila anao izahay—miverena re, miangavy! Ny hafa mety nanao safidy izay nitondra azy ireo nanalavitra ny Mpamonjy sy ny Fiangonany ka mety hahatsapa hoe tsy misy fomba hiverenana intsony.
Toy izao no nolazain’ny Loholona David A. Bednar tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, aprily 2022: “Rehefa tsy miovaova isika amin’ny fanatonana an’i Kristy ary miara-miasa Aminy, dia mandray ireo fitahiana manadio sy manasitrana ary mampatanjaka avy amin’ny Sorompanavotany tsy misy fetra sy mandrakizay”.1
Ny fanasana atolotro ho anareo, ry rahalahy sy anabaviko, dia ny hanombanantsika ny fiainantsika ary ny hanontaniantsika tena ny amin’ny zavatra ilaintsika atao mba hamaliana ny fanasana nentanim-pitiavana izay nomen’i Jesoa Kristy an-taonany maro lasa raha nilaza Izy hoe: “Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28).
Mijoro Izy miaraka amin’ny tanana mivelatra no sady manasa antsika hanatona Azy. Na aiza na aiza misy antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia misy fanantenana ho antsika tsirairay avy. Tia antsika loatra Izy ka nomeny an-tsitrapo ho antsika ny ainy. Ny hany ilaintsika atao dia ny manaiky ilay fanasana hoe: “manatòna an’i Kristy”.
Ataovy izay rehetra ilaina mba hanatonana an’i Kristy!