Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:27: Afaka misafidy amin’ny alalan’ilay Mpanalalana lehibe isika


“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:27: Afaka misafidy amin’ny alalan’ilay Mpanalalana lehibe isika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:27,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:27

Afaka misafidy amin’ny alalan’ilay Mpanalalana lehibe isika

Sary
Ny hery manova fo ananan’ny Bokin’i Môrmôna

Tao amina lesona iray teo aloha, “2 Nefia 2:26–30,” dia nianatra ianareo fa afaka misafidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 2:27, sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Ianaro tsianjery sy hazavao

Vakio ny 2 Nefia 2:27 ary manaova sary izay manampy anao haka sary an-tsaina ny dikan’ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina: “Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.” Ampidiro ao amin’ny sary nataonao ny teny manan-danja mba hanampiana anao hitadidy izany.

Manaraka izany, soraty eo amin’ny sary nataonao ny dikan’ny hoe afaka misafidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika na misafidy ny fahababoana sy ny fahafatesana. Ampidiro amin’izany ny dikan’io andininy io aminao manokana sy ny fomba ahafahan’izany manampy anao hanaraka tsara kokoa an’i Jesoa Kristy.

Farany, eo am-pijerena ilay sary, dia avereno ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, mandra-pahaizanao azy tsy ankijery.

Hevero ny hametraka ny sarinao eo amin’ny toerana hahitanao azy matetika mandritra ny andro vitsivitsy ary manaova fanazaran-tena milaza ilay toko sy andininy sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina isaky ny mahita izany ianao.

Fampiharana hanazaran-tena

Mba hamerenana mijery ireo fitsipiky ny fahazona fahalalana ara-panahy, dia jereo raha tadidinao hoe inona avy ny tsirairay amin’ireo fitsipika telo ireo. Avy eo dia jereo raha afaka mampifandray ireto andian-teny manaraka ireto amin’ny fitsipika marina ianao. (Ampiasao ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana [2022] mba hijerena ny fahamarinanao.)

  • “Arovy amina fampahalalana diso sy amin’ireo izay mikatsaka ny hanapotika finoana izahay”

  • “Aleo mijery ny hevitra mifototra amin’ny feni-pahamarinan’ny Tompo toy izay hanaiky ny hevitra iaingan’izao tontolo izao sy ny tombatombana ataony”

  • “Mitokisa amin’ny fijoroana ho vavolombelona efa ananantsika”

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity ary eritrereto ny fomba ahafahan’ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy hampiharin’i Ivan.

Nikasa ny handany ny sabotsy tolakandro miaraka amin’ny namany i Ivan, saingy nony nipoitra tsy nampoizina niaraka tamina toaka hozaraina ny anankiray tamin’izy ireo, dia tsapany fa fotoana hialana izany. Fantany fa tsy hahataitra ireo namany izany satria taloha dia nody toy izany foana izy tamina toe-javatra mitovitovy amin’izany. Rehefa nandeha izy dia naheno an’i Daniel namany niteny hoe: “Ohatra ny tsy hamela an’i Ivan hanao n’inona n’inona mihitsy ny fiangonany.”

Nanohy nieritreritra ny teny nataon’i Daniel i Ivan rehefa nandeha nody.

Fakafakao amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny hevi-dehibe sy fanontaniana.

Vakio ny andiam-pehezan-teny 8 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Ifantohy manokana ny dikan’izany hoe manombantombana fanontaniana izany.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity sahanasa manova endrika manaraka ity:

    Manaova fanazaran-tena amin’ny fahaizana manombantombana ny fanehoan-kevitr’i Daniel. Voalohany, fantaro ny hevitra iaingana sy tombatombana ataon’i Daniel. Manaraka izany, hevero ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy. Manorata andiam-pehezan-teny iray mampitaha ny fomba fijerin’i Daniel amin’ny zavatra fantatrao momba ny fahafahana misafidy ao amin’ny drafitry Ray any An-danitra. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy anao hanavao ny fanombantombanana an’izany, saingy tsy mila mamaly ny fanontaniana tsirairay ao amin’ny andiam-pehezan-teninao ianao.

    1. Fantaro ny hevitra iaingana sy tombatombana mety hiseho.

      • Inona no zavatra toa inoan’i Daniel momba ny fahafahana sy ny tanjon’ny fahafahana misafidy?

      • Inona no zavatra toa inoany momba ny fenitry ny Fiangonan’ny Mpamonjy?

    2. Hevero ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy.

      • Inona no zavatra nanananao traikefa tamin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay nanampy anao hahita zavatra tsy mitovy amin’ny hitan’i Daniel?

      • Lafiny inona amin’ny drafitry ny famonjena araka ny hevitrao no tena hanampy indrindra mba hahatakaran’i Daniel?

      • Karazana fahafahana inona no omen’ny Tompo ireo izay mampiasa ny fahafahan’izy ireo misafidy hitandremana ny didiny? Karazana fahababoana inona no ateraky ny fandavana izany?

Vakio ny andiam-pehezan-teny 5–7, 11 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) ary saintsaino ny fomba iharan’ireto fitsipika roa manaraka ireto amin’ny toe-javatra misy an’i Ivan.

Manao asa amim-pinoana

  • Raha toa ka hanomboka hametraka fanontaniana amin’ny fanapaha-keviny hiala amina zava-misy mampidi-doza ara-panahy i Ivan, inona no mety hozarainao aminy avy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–7? Nahoana?

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona no loharano voaresaka ao amin’ny andiam-pehezan-teny 11 heverinao fa hanampy indrindra an’i Ivan?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana ao amin’ny 2 Nefia 2:27 manampy azy?

Hamoaka printy