Seminera
2 Nefia 3: “Mpahita nofinidy iray no hatsangako”


“2 Nefia 3: -Mpahita nofinidy iray no hatsangako,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“2 Nephi 3: -Mpahita nofinidy iray no hatsangako,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 3

“Mpahita nofinidy iray no hatsangako”

Sary
Joseph Smith

Ny Toko 3 amin’ny 2 Nefia dia mirakitra ireo hafatra farany nataon’i Lehia tamin’i Josefa faralahiny talohan’ny nahafatesany. Talohan’ny nahafatesany, i Lehia dia nilaza faminaniana nataon’i Josefa tany Egypta tany ho any amin’ny 1700 taona talohan’ny nahaterahan’i Kristy. Alaovy sary an-tsaina ny fahagagan’i Joseph Smith rehefa nahita fa izy no noresahan’ny ankabeazan’ny faminaniana nataon’i Josefa tany Egypta. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampiana ny mpianatra hampahalalina ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo momba ny antso masina ananan’ny Mpaminany Joseph Smith.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo Josefa efatra

Olona efatra voalaza ao amin’ny 2 Nefia 3 no mitovy anarana daholo. Vakio ho an’ny sary tsirairay ny andininy ary fantaro hoe iza no asehon’ireo sary efatra ireo.

Sary
fametahana ny Josefa efatra

2 Nefia 3:3; 2 Nefia 3:4; 2 Nefia 3:11; 2 Nefia 3:15

Ny ankabeazan’ny 2 Nefia 3 dia mifantoka amina faminaniana nataon’i Josefa tany Egypta momba ilay “mpahita” sy ny mpaminany Joseph Smith ary ny iraka ataony amin’ny andro farany.

Ny Filoha Brigham Young (1801–77) dia nanao izao fanambarana manaraka izao momba ny fanomanan’ny Tompo ny iraka hataon’i Joseph Smith:

“Nambara tany amin’ireo filankevitry ny mandrakizay, ela be mialoha ireo fototra izay nanorenana ny tany, fa i Joseph dia ho lehilahy iray hamoaka ny tenin’ Andriamanitra amin’ny olona sy hahazo ny fahafenoan’ireo fanalahidy sy herin’ny Fisoronan’ny Zanakalahin’ Andriamanitra amin’ny fotoampitantanana farany eto amin’ity izao tontolo izao ity. Ny Tompo dia nanara-maso Azy sy ny Rainy ary ny rain’ny rainy sy ireo taranany miverina hatrany … amin’i Adama. Nanara-maso izany fianakaviana izany sy izany ra izany Izy rehefa nikoriana niala avy teo amin’ny loharano nipoirany nankany amin’ny fahaterahan’io lehilahy io izany. Voatendry mialoha tany amin’ny mandrakizay izy mba hiahy ity fotoampitantanana farany ity. (Enseignements des présidents de l’Eglise: Brigham Young [1997], 96343)

  • Inona no azon’ireo teny ireo ampianarina antsika momba ny antson’i Joseph Smith?

  • Inona no ampianarin’ireo antsika momba ny Tompo?

Ireo faminaniana momba an’i Joseph Smith

Teo am-piresahana tamin’i Josefa zanany, i Lehia dia nilaza ampahany tamin’ny faminaniana nataon’i Josefa tany Egypta avy amin’ireo takela-barahina (jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:24–38 [ao amin’ny tovan’ny Dikantenin’i Joseph Smith]). Io faminaniana io dia miresaka betsaka momba ny Mpaminany Joseph Smith amin’ny andro farany. Vakio ny 2 Nefia 3:6–15, 24, dia mariho ireo teny na andianteny izay mampianatra anao momba an’i Joseph Smith. (Mariho fa ny hoe “nateraky ny kibonao” dia manondro ny zanaka na ny taranaka.)

  • Inona no hitanao ho miavaka indrindra aminao momba an’i Joseph Smith?

  • Ahoana no hamintinanao ireo fampianarana momba ny Mpaminany Joseph Smith avy amin’ny zavatra novakinao tao amin’ny 2 Nefia 3?

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe natsangan’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith mba handray anjara amin’ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja amintsika ny manana fijoroana ho vavolombelona momba io fahamarinana io?

Nampianatra toy izao ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Hitombo ireo fanaratsiana atao momba ny Mpaminany Joseph Smith arakaraka ny hanakaikezantsika ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Tsy hihena ny filazana zavatra tsy tena marina sy ny famitahana miharo hafetsena. Hisy olona ao amin’ny fianakaviana sy namana izay hila ny fanampianao. …

Ho an’ireo tanora … fanamby voafaritra mazava tsara no omeko: Ataovy izay hahazoana fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenanao manokana momba ny Mpaminany Joseph Smith. (Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Liahona, nôv. 2014, 30)

  • Ahoana no fahatsapanao ny fahatokisan-tenanao momba ny antso masin’ny Mpaminany Joseph Smith?

Mahazo fijoroana vavolombelona momba an’i Joseph Smith

Alaivo sary an-tsaina izao rafi-tantara manaraka izao:

Rehefa nahalala i Marcos namanao fa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao, dia nanomboka namaky momba an’i Joseph Smith tao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana izy. Nanaitra azy ilay fanasana hamantatra izy tenany mihitsy fa i Joseph Smith dia mpaminanin’ Andriamanitra. Rehefa nizara taminao ny sasany amin’ny zavatra ianarany izy, dia nanontany hoe “Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ho an’ny tenantsika fa mpaminany i Joseph Smith?”

  • Inona no holazainao amin’i Marcos?

Mba hahitana hevitra hafa mahakasika ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona fa mpaminanin’ny Tompo i Joseph Smith, dia vakio ny zavatra naroson’ny Loholona Andersen:

Mety ho tonga amintsika tsirairay amin’ny fomba samy hafa ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith. Mety ho tonga izany rehefa mandohalika mivavaka ianao ary mangataka amin’Andriamanitra mba hanamafisany fa mpaminany marina izy. Mety ho tonga izany rehefa mamaky ny fitantaran’ny Mpaminany ny Fahitana Voalohany. Mety hitsika ao amin’ny fanahinao ny fijoroana ho vavolombelona iray rehefa mamerimberina mamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao. … Mety ho tonga izany rehefa mizara ny ny fijoroanao ho vavolombelona manokana mikasika ny Mpaminany ianao, na rehefa mijoro ao amin’ny tempoly ianao ka mahafantatra fa naverina tamin’ny laoniny teto ambonin’ny tany tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny hery masin’ny famehezana. Ho mafy orina amin’ny alalan’ny finoana sy ny hitsimpo ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith. (Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Liahona, nôv. 2014, 30)

.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ny telo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nanampy anao hino fa mpaminany i Joseph Smith?

  • Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny Mpaminany Joseph Smith anao hahatakatra na hahatsapa momba an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no azo atao hampahalalina ny fijoroana ho vavolombelona momba ny mpaminany Joseph Smith?

  • Ahoana no ahafahan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith hisy fiantraikany amin’ny fiainanao?

Hamoaka printy