“2 Nefia 5:1–9: -Ny fampitandreman’ Andriamanitra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)
“2 Nefia 5:1–9: -Ny fampitandreman’ Andriamanitra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna
2 Nefia 5:1-9
Ny fampitandreman’ Andriamanitra
Tsy maintsy nandratra ny fon’i Nefia izany. Satria nokasain’i Lamana sy i Lemoela hovonoina i Nefia, dia nampitandremana haka “ireo izay nino ny fampitandremana sy ny fanambaran’ Andriamanitra” (2 Nefia 5:6) ary handositra any an-tany foana izy. Misy fotoana, mety hasain’ny Tompo mitandrina amina loza ara-batana sy ara-panahy manodidina antsika ihany koa isika. Afaka manampy anao hanaraka ny fampitandremana omen’ Andriamanitra am-pitiavana mba hiarovana anao ity lesona ity.
Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana
Fampitandremana
-
Nahoana no manan-danja ny famantarana mampitandrina toy ireo?
-
Inona no antony mety hijeren’ny olona ny famantarana mampitandrina am-pankasitrahana? an-kasosorana?
-
Oviana ianao no nankasitraka ny nampitandremana anao?
Rehefa mandalina ianao anio dia eritrereto ny antony andefasan’ Andriamanitra fampitandremana etỳ amintsika. Ezaho tadidina ihany koa ireo fomba samy hafa mety namalianao ny fampitandremana nalefany.
Ny fampitandreman’ Andriamanitra an’i Nefia
Vakio ny 2 Nefia 5:1–9, hitadiavana fampitandremana iray nomen’ Andriamanitra an’i Nefia taorian’ny nahalasanany ho mpitarika ara-panahin’ny fianakaviana taorian’ny nahafatesan’i Lehia. Na azonao atao ny mijery ny horonan-tsary hoe “Nandositra tany an-tany foana ny Nefita” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 0:00–3:21.
Miezaha mipetraka amin’ny toeran’ny iray amin’ireo zatovo nefita izay nantsoina hanaraka an’i Nefia ny fianakaviany.
-
Inona no antony mety ho nahasarotra ny niala?
-
Inona no ilaina mba handraisanao fanapahan-kevitra hanaraka an’i Nefia any an-tany foana?
-
Araka ny andininy 6, inona no nandrisika an’ireo izay niaraka taminy?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io fitantarana io ny hoe Afaka mitarika antsika hanalavitra ny loza Andriamanitra raha misafidy ny hino ireo fanambarany isika ary mihaino ireo mpaminaniny.
Azonao atao ny mijery horonan-tsary hoe “Enemy Territory [Ny tanin’ny fahavalo]” (3:38), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, hitadiavana ny fomba ahafahan’ny fampitandreman’ Andriamanitra mitahy ny fiainantsika.
Mampitandrina antsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny Andriamanitra
Ny iray amin’ireo fomba ampitandreman’ Andriamanitra antsika am-pitiavana mombana loza dia amin’ny alalan’ireo mpaminaniny velona. Ohatra, ao amin’ny 2 Nefia 5:5–6, maro tamin’ny fianakavian’i Nefia no nihaino ny fampitandremana nomen’ny Tompo azy hiainga ho any an-tany foana. (Jereo ihany koa ny Amosa 3:7.) Isika ihany koa dia mahita fampitandremana ara-paminaniana maro avy amin’ Andriamanitra ho antsika ao amin’ny soratra masiny.
Makà fotoana hikarohana ny soratra masina mba hahitana fampitandremana nomen’ Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny tany amin’ny lasa. (Ny ohatra sasany dia ahitana ny Almà 41:10; Môrônia 10:30, 32; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:57–58; 89:1–4.)
Ny fampitandreman’ Andriamanitra anao
Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra toy izao:
Marina fa tsy maintsy hanao fahadisoana ianareo eo amin’ ny fiainana, kanefa tsy hahavita hadisoana goavana ianareo raha tsy efa nampitandreman’ilay bitsiky ny Fanahy Masina mialoha. Izany fampanantenana izany dia mihatra amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra. (Boyd K. Packer, “Torohevitra ho an’ireo Tanora,” Liahona, nôv. 2011, 18)
Saintsaino ny fomba iharan’ny teny nambaran’ny Filoha Packer sy ny zavatra nianaranao tao amin’ny 2 Nefia 5 amin’ny fiainanao. Avy eo dia raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao. Zavatra vitsivitsy azo heverina ireto manaraka ireto:
-
Nampitandrina ahy momba ana zavatra manokana teo amin’ny fiainako tamin’ny alalan’ny eritreritra na fahatsapana avy amin’ny Fanahy ve ny Ray any An-danitra?
-
Nisy fampitandremana manokana avy amin’Andriamanitra noraisiko tamin’ny alalana mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na ray aman-dreny, na tsodranon’ny fisoronana, na fomba hafa ve? Manahoana aho amin’ny fanarahana izany?
-
Inona no zavatra iray heveriko fa tian’ny Ray any An-danitra hataoko amin’ny zavatra nianarako na tsapako androany?