Seminera
2 Nefia 5: Miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana


“2 Nefia 5: Miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana,” Bokin’i Môrmôna:Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 5: Miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 5

Miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana

Sary
zatovovavy mitsiky

Taorian’ny nisarahany tamin’ireo rahalahiny, i Nefia sy ireo izay nanaraka azy dia nanangana fiarahamonina vaovao. Niroborobo ny olon’i Nefia ary niaina fiainana izay niteraka fahasambarana. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahita ny zavatra azon’izy ireo atao hahafahany miaina araka ny toetry ny fahamarinana.

Sahanasa fianarana azo atao

Araka ny toetry ny fahasambarana

  • Inona no mahasambatra ny olona iray?

  • Inona araka ny hevitrao no ho avalin’ilay zatovo?

  • Inona araka ny eritretreritrao no ho avalin’ny Tompo?

Diniho ny fomba hamalianao ilay fanontaniana voalohany. Ny fomba fijerinao ny fahasambarana ve manakaiky kokoa ny mety ho fomba hamalian’ny zatovo amin’ny ankapobeny sa ny mety ho havalin’ny Mpamonjy? Inona no mety ho fiantraikan’ny fahitana ny fahasambarana toy ny ahitan’ny Mpamonjy izany eo amin’ny fiainanao? Rehefa mandalina ny 2 Nefia 5 ianao, dia tadiavo ny zavatra azonao atao mba hahasambatra anao.

Ny toko 2 Nefia 5 dia milaza ny antsipirian’ny fisarahan’ny fianakavian’i Lehia ho Nefita sy Lamanita. Rehefa nikasa hamono an’i Nefia i Lamana sy i Lemoela, dia nampitandrina an’i Nefia hisaraka amin’ireo rahalahiny ny Tompo (jereo ny 2 Nefia 5:1–5). Nankatò ny Tompo i Nefia ary niainga niaraka tamin’ireo izay “nino ny fampitandremana sy ny fanambaran’ Andriamanitra” (2 Nefia 5:6) ary nanangana fiarahamonina vaovao.

Ny Lamanita dia nijanona tao amin’ilay tany ary nikomy tamin’ Andriamanitra. “Nesorina teo anatrehany izy ireo” izy ireo (2 Nefia 5:20). Ny ozona voaresaka ao amin’io toko io dia ny fisarahana amin’ Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 5:20–24). Ny fiovan’ny volon-koditry ny Lamanita dia marika na famantarana ny ozona. Tsy feno ny fahatakarana momba ny toetra sy endrik’io famantarana io. Tamin’ny voalohany ilay famantarana dia nanavaka ny Lamanita tamin’ny Nefita. Taty aoriana, rehefa samy nandalo vanim-potoana feno haratsiam-panahy sy feno fahamarinana avokoa ny Nefita sy Lamanita, dia lasa tsy azo nampiasaina ho zavatra manambara ny toerana misy ireo Lamanita eo anatrehan’ Andriamanitra intsony ilay famantarana.

Vakio ny 2 Nefia 5:27 ary mariho ny fomba amaritan’i Nefia ilay fiarahamonina vaovao natsangany.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe miaina araka ny toetry ny fahasambarana?

  • Inona no mety ho fanamby hita ao amin’ny fiainana ny toetry ny fahasambarana?

Jereo ireo andininy voalohandohany ao amin’ilay toko mba hahazoana fahatakarana momba ny zavatra nataon’ny Nefita ka nitarika azy ireo hiaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana.

Vakio ny 2 Nefia 5:10–17, 26 ary fenoy amin’ny zavatra hitanao ity fanambarana manaraka ity:

afaka manampy ahy hanara-dia ny Mpamonjy sy hiaina araka ny toetry ny fahasambarana.

  • Inona ihany koa araka ny hevitrao ny no mety hanampy anao hiaina araka ny toetry ny fahasambarana?

  • Impiry ianao no manolo tena hanao ireto karazana sahanasa ireto?

Fomba telo azo atao hamaranana io fehezanteny io ny hoe ny “Fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra,” “Asa,” ary “Ny tempoly.” Ireto sahanasa manaraka ireto dia mijery lalina kokoa ny tsirairay amin’ireo.

Mba tanteraho ny iray amin’ireto atrikasa manaraka ireto.

Sahanasa 1. Fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra

  • Inona avy no lalàna sasantsasany ao amin’ny fiarahamonina misy anao?

  • Inona no mety ho vokatry ny fanarahana tsy tapaka na ny tsy fanarahana ireo lalàna ireo?

  • Ahoana no itovitovian’io fampitahana io na ny tsy itoviany amin’ny lalàn’ Andriamanitra?

Nankatò ny didin’ny Tompo i Nefia sy ny mpanaraka azy (jereo ny 2 Nefia 5:10). Vakio ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Môzià 2:41 ary tadiavo ny zavatra tian’i Benjamina Mpanjaka ho takatry ny vahoakany momba ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra. Afaka mihevitra ny hanisy soratra masina mifandray io andininy io amin’ny 2 Nefia 5:10 ianao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana araka ny hevitrao no anampian’ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra antsika ho sambatra?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’i Jesoa Kristy ho ohatra tamin’io fitsipika io?

  • Inona no sasantsasany amin’ny didin’ Andriamanitra izay nitondra fahasambarana lehibe kokoa ho anao?

Sahanasa 2. Asa sy fizakan-tena

Amina taratasy na ao amin’ny diary fandalinanao, makà fotoana hanaovana ny lisitr’ireo tombontsoa izay ataonao hoe avy amin’ny asa mafy.

Vakio ny 2 Nefia 5:11, 15, 17 ary fantaro ny fomba samy hafa niasan’ny Nefita sy ny vokatry ny asa mafy nataon’izy ireo.

  • Inona no hitanao?

Vakio ny “Asa sy fizakan-tena” ao amin’ny kiboky Jeunes, soyez-forts (2011) ary jereo izay zavatra ianaranao momba ny fitsipiky ny asa.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo tombontsoa fanampiny avy amin’ny asa hitanao? (Hevero ny hampiditra izany ao amin’ny lisitrao.)

  • Iza amin’ireo tombontsoa ireo no efa niainanao?

  • Ahoana no fomba hanampian’ny asa ny olona iray mba ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?

Sahanasa 3. Ny Tempoly

Sary
fiainam-pianakaviana
  • Inona no eritreretinao na tsapanao momba ny tempoly?

Vakio ny 2 Nefia 5:16 ary jereo izay zavatra ianaranao momba ny tempolin’ny Nefita.

  • Inona araka ny hevitrao no nahatonga an’i Nefia sy ny vahoakany nanao ezaka goavana mba hananganana tempoly?

  • Nahoana araka ny hevitrao ny Tompo no nangataka sy manohy mangataka amin’ny vahoakany hanao fahafoizan-tena hanangana tempoly?

Nilaza izao manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson momba ny tanjona sy ireo fitahian’ny tempoly. Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:27 hatramin’ny 5:55 na mamaky ny fanambarana eo ambany:

Ny tempoly no ivon’ny fanamafisana orina ny finoana sy ny tanjaka ara-panahy satria ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany no ampahany manan-danja indrindra amin’ny tempoly. Ny zavatra rehetra ianarana any amin’ny tempoly, amin’ny alalan’ny zavatra rehetra ampianarina any sy amin’ny alalan’ny Fanahy, dia mampitombo ny fahatakarantsika momba an’i Jesoa Kristy. Ireo ôrdônansy ilaina omeny dia mampifamatotra antsika Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny fisoronana. Avy eo, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia hotafiany amin’ny heriny manasitrana sy mampatanjaka. Ary endrey fa ho ilaintsika ny heriny amin’ireo andro ho avy.

Nampanantenaina isika fa “raha efa miomana [isika] dia tsy hatahotra.” Misy dikany lalina io fanomezan-toky io amin’izao fotoana izao. Nanambara ny Tompo fa na dia eo aza ireo fanamby tsy manam-paharoan’izao andro izao, dia tsy mila mikoa eo anatrehan’ireo fanahiana amin’izao vanim-potoana izao ireo izay manorina ny fotony eo amin’i Jesoa Kristy, sy nianatra ny fomba fisintonana ny heriny. (Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93–94)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no manaitra anao amin’io teny nambaran’ny Filoha Nelson io?

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fankanesana any amin’ny tempoly hanampy anao hanorina tsara kokoa ny fototra iorenanao eo amin’i Jesoa Kristy? Afaka mizara zavatra iray niainanao ianao raha nieritreritra ny hanao izany.

  • Ahoana no fomba nitondran’ny tempoly fahasambarana lehibe kokoa taminao na tamin’ny olona iray fantatrao?

Hamoaka printy