Seminera
Jakoba 1: Mandresy lahatra ny hafa hanatona an’i Kristy


“Jakoba 1: Mandresy lahatra ny hafa hanatona an’i Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Jakoba 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Jakoba 1

Mandresy lahatra ny hafa hanatona an’i Kristy

Sary
Misiônera mampianatra fianakaviana

Talohan’ny nahafatesan’i Nefia, dia nomeny an’i Jakoba zandriny lahy ny andraikitra hitahiry ireo takelaka sy hirakitra eo amin’izany ny zavatra izay “sarobidy indrindra” amin’izany (Jakoba 1:2). Ny hafatr’i Jakoba dia mampitodika ny hafa any amin’i Jesoa Kristy ka manampy azy ireo hisoroka ny vokatry ny tsy finoana sy fahotana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahita fomba hanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy.

Miresaka amin’ny namana iray

  • Amin’ny fotoana toy inona no mety hampatahotra ny miresaka momba an’i Jesoa Kristy? Inona no mety hanampy antsika handresy ny tahotsika?

  • Iza no olona iray fantatrao ka ohatra tsara amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa?

Ny zatovolahy iray antsoina hoe Junior dia ohatra tsara be amin’ny fizarana ny filazantsara. Izy no hany zatovolahy nandeha niangona tao amin’ny sampana kely iray any Florida, Etazonia. Nanapa-kevitra ny hiresaka tamin’ny iray tamin’ireo namany momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ary nanasa azy ho any am-piangonana. ChurchofJesusChrist.org

Ny ohatry ny hafa dia afaka manome antsika antony sy hevitra momba ny fomba hanasana ny hafa hanatona an’i Kristy. Eo am-pandalinana anio, dia eritrereto ny antony mety hanirianao hanampy ny hafa hanatona ny Mpamonjy sy ny fomba azonao anaovana izany amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy.

Mandresy lahatra ny hafa hanatona an’i Kristy

Talohan’ny nahafatesan’i Nefia (jereo ny Jakoba 1:12), dia nanome andraikitra an’i Jakoba rahalahiny izy mba hanoratra eo amin’ireo takelaka kely izay nandidian’ny Tompo azy mba hamboariny. Ireo takelaka kely dia mifantoka amina zavatra ara-panahy ary nisy takelaka hafa natokana ho an’ny tantaran’ny vahoaka (Jakoba 1:1–3).

Vakio ny Jakoba 1:4–6, ka tadiavo ny zavatra nangatahin’i Nefia tamin’i Jakoba mba hampidirina ao amin’ireo takelaka sy hampianarina ny vahoaka.

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany fantatr’i Nefia sy i Jakoba? Ahoana no nahalalan’izy ireo ireo zavatra ireo?

Vakio ny Jakoba 1:7–8, ka tadiavo ny zavatra nataon’i Jakoba noho ny fahatakarany. Mety ho azonao atao ny manisy marika andian-teny ao amin’ny soratra masinao izay mampiseho ny zavatra nandrisika an’i Jakoba hanao zavatra. Ireto fanazavana manaraka ireto dia afaka manazava ny zavatra nandrisika an’i Jakoba.

“[Mi]banjina ny fahafatesany”:Azo inoana fa i Jakoba dia nanasa ny Nefita hieritreritra momba an’i Jesoa Kristy izay maty ho azy ireo sy nanao sorompanavotana ho an’ny fahotan’izy ireo.

“[Mi]haritra ny hazofijaliany”:Io andian-teny io dia manondro finiavana handà ny tenantsika amin’ireo zavatra tsy araka an’ Andriamanitra sy ireo filan-dratsin’izao tontolo izao ka hitandrina ireo didin’ny Tompo (jereo ny Dikantenin’i Joseph smith, Matio 16:26 ; Lioka 9:23; 2 Nefia 9:18). Midika ihany koa izany fa afaka maneho ny fahavononantsika hiaritra sy hahafoy tena isika rehefa manaraka ny Mpamonjy.

Azo jerena ao amin’ny fizarana hoe “Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” ny fanazavana andian-teny sarotra hafa maromaro.

  • Inona tamin’ireo nosoratan’i Jakoba no mety handrisika anao? Inona no antony hafa azonao eritreretina hanasana ny hafa hanatona an’i Kristy?

  • Inona no azontsika ianarana amin’ny ohatra nasehon’i Jakoba ao amin’ireo andininy ireo?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i jakoba ny hoe ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy sy ny fanjakany dia afaka mandrisika antsika hiasa amim-pahazotoana mba hanampy ny hafa hanatona Azy.

Saintsaino ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ary eritrereto ireo fahamarinana tianao ho fantatry ny hafa momba Azy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

Makà fotoana hieritreretana momba ny zavatra mety hataonao mba hiasana amim-pahazotoana mba handresena lahatra ny hafa hanatona an’i Kristy. Soraty ireo toe-javatra izay mety hanananao fahafahana hanaovana izany. Soraty eo akaikin’ny toe-javatra tsirairay ny fomba mety hahafahanao manampy ny hafa ao anatin’izany sehatra izany hahafantatra sy hitia an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampiasa ireto ohatra manaraka ireto sy manampy hafa:

  1. Any an-trano

  2. Miaraka amin’ny namana iray

  3. Amin’ny tamba-jotra sosialy

  4. Amin’ny antsonao na amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanompoana

Azonao atao ny mijery ny iray na roa amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto mba hahazoana hevitra momba ny zavatra hatao sy ny fomba hanaovana izany, amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy.

Diffusion 2021: Aimer, faire connaître et inviter” (54:06) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 1:35

Histoires de membres : Jeunes et jeunes adultes” (5:08)

Rehefa mieritreritra fomba hanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy ianao, dia afaka mahazo hery avy amin’ireo fampanantenana sy torohevitra ao amin’ny soratra masina.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:6; 18:15–16 mba hahitana ny zavatra nampanantenain’ny Tompo ireo izay manampy ny hafa hanatona Azy.

Vakio ny Almà 31:34–35 mba hianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Almà tamin’ny faniriana hanampy amin’ny fitarihana ny Zôramita hankamin’i Kristy.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

Hamoaka printy