“Jakoba 2:22–35: Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Jakoba 2:22–35,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Jakoba 2:22–35
Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena
Miala amin’ny fenitry ny fahadiovam-pitondrantena izao tontolo izao, saingy ny fenitry ny Tompo amin’ny fahadiovana ara-nofo dia tsy miova. Rehefa avy nahazo ny iraka hataony avy amin’ny Tompo i Jakoba, dia nampianatra ny olony momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izy. Mbola mihatra ny fampianaran’i Jakoba ankehitriny. Afaka manampy anao ho finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena tahaka ny Tompo ity lesona ity.
Fampitandreman’i Jakoba
-
Ahoana no hamaritanao ny zavatra asehon’io kisary io momba ny fenitry ny Tompo sy ny fenitr’izao tontolo izao?
-
Amin’ny fomba ahoana no ahitanao ny fenitr’izao tontolo izao ho manalavitra ny fenitry ny Tompo?
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara fomba iray analaviran’izao tontolo izao ny fenitry ny Tompo:
Mitaky finoana ny miaina ao anatin’ny fahadiovam-pitondrantena rehefa manindrahindra izao tontolo izao fa efa lany andro ny lalàn’ Andriamanitra momba ny fahadiovam-pitondrantena. (Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 104)
-
Inona no ohatra maneho izany izay hitanao?
Mazava ary tsy miova ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny Tompo. “Ny fahadiovam-pitondrantena dia fahadiovana ara-nofo. Ireo izay madio ara-pitondrantena dia madio ao amin’ny eritreritr’izy ireo, ny fitenin’izy ireo ary ny fihetsik’izy ireo. Ny fahadiovam-pitondrantena dia midika ho tsy fanaovana firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana. Midika ho fanehoana fahatokiana tanteraka amin’ny vady mandritra ny fanambadiana ihany koa izany” (Sujets de l’Évangile, “Chasteté”).
Rehefa mandalina ny Jakoba 2 ianao, dia tadiavo ny fahatsapan’ny Mpamonjy momba ny fahadiovam-pitondrantena.
Tia ny olony i Jakoba. Tamin’ny alalan’ny herin’ny Tompo dia fantatr’i Jakoba ny eritreritry ny olona sy ny faharatsian’ny fon’izy ireo (jereo ny Jakoba 1:15; 2:5–6). Fantany fa “nanomboka niaina tao amin’ny fahotana izay miharihary fa fahavetavetana… amin’ Andriamanitra” izy ireo (Jakoba 2:5). Rehefa avy nampitandrina ny Nefita momba ny fahotana avy amin’ny avonanavona i Jakoba (jereo ny Jakoba 2:12–21), dia nampitandrina ny Nefita momba ny “heloka iray makadiry kokoa [na goavana kokoa]” (Jakoba 2:22) izay nosaintsainin’ny olony izy.
Vakio ny Jakoba 2:22–24, hitadiavana ny fomba namaritan’i Jakoba io ota goavana kokoa io. (Ny fijangajangana dia rehefa manao firaisana ara-nofo amin’ny olona iray ankoatra ny vadiny ny olona iray.)
ChurchofJesusChrist.org
-
Inona no anjara asan’ny eritreritsika eo amin’ny fankatoavantsika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena (jereo ny Matio 5:28)?
Finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena ny Tompo.
Ny sasany tamin’ireo lehilahy Nefita dia nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena tamin’ny alalan’ny fakana vady mihoatra ny iray, rehefa nomelohin’ny Tompo talohan’ny nialan’i Lehia tany Jerosalema io fomba io (Jakoba 2:34). Saintsaino ny zavatra ataonao eo amin’ny fiainanao hanoherana fakam-panahy izay mifandray amin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.
Vakio ny Jakoba 2:25–28 hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Jakoba ny Nefita mba hanampiana azy ireo hanohitra ny fakam-panahy hanao fahotana ara-piraisana ara-nofo.
-
Ahoana ny fomba fijerin’ny Tompo ny fahadiovam-pitondrantena?
I Jakoba dia niresaka tamina lehilahy izay ny ankamaroany dia nandresy lahatra vehivavy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Noho izany izy dia niresaka momba ny hoe finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny vehivavy ny Tompo. Finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny zanany rehetra ny Tompo, na lehilahy na vehivavy.
Vakio ny fizarana “Masina ny vatanao” ao amin’ny Ho zatovo mahery (2022, kiboky), hitadiavana ny antony mahatonga ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ho zavatra tokony haha finaritra ny tena.
ChurchofJesusChrist.org.
Vakio ny Jakoba 2:31–35 hitadiavana ny fiantraikan’ny safidy mifono faholotoam-pitondrantena nataon’ny Nefita tamin’ny fianakavian’izy ireo.
Iray amin’ireo fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny hoe “Moe ve ianao mankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?”
-
Inona avy no eritreritra sy fahatsapana anananao rehefa mieritreritra ny hamaliana izany fanontaniana izany amin’ny evekanao ianao?
-
Inona no azonao atao mba hahafahan’ny Tompo ho finaritra ny amin’ny fahadiovam-pitondrantenanao?
Saintsaino ny zavatra ataonao mba hiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fiantraikan’izany tsara eo amin’ny fiainanao. Raha nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ianao, dia miresaha amin’ny evekanao. Afaka manampy anao hibebaka izy. Te hamela ny helokao ny Mpamonjy. Afaka mahita famelan-keloka, fiadanana, fanasitranana, ary tanjaka hiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ianao ao Aminy.
Ireo fampianaran’i Jakoba momba ny fampakarana vady maro
Rehefa avy nampianatra ny olony tsy hanambady mihoatra ny iray ao anatin’ny fotoana iray i Jakoba (jereo ny Jakoba 2:27), dia nohazavainy ireo fepetra mety hanomezan’ny Tompo lalana ny ffampakarana vady maro (jereo ny Jakoba 2:30).
-
Inona no zavatra nampianarin’i Jakoba momba ny fampakarana vady maro ao amin’ny andininy 30?
Tsy mahazo lalana ny fampakarana vady maro raha tsy rehefa didin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny ihany, dia ny Filohan’ny Fiangonana izany, fa tsy amin’ny alalan’olon-kafa na iza na iza (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:45–48). Nisy fotoana sy toerana teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao izay nandidian’ny Tompo ny olony mba hanao fampakarana vady maro. Ohatra, ny fampakarana vady maro dia nataon’i Abrahama, i Saraha, ary i Hagara (jereo ny Genesisy 16:1–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34–35). I Jakoba zafikelin’i Abrahama ihany koa dia nanao fampakarana vady maro (jereo ny Genesisy 29–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:37). Nisy fotoana nampiharana izany nandritra ny fanombohan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny, nanomboka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Tsy ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana intsony ny fampakarana vady maro (jereo ny Fanambarana Ôfisialy 1).