Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:8–9—“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo”


“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:8–9— -Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:8–9,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:8–9

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo”

Sary
Zatovo mivavaka

Tao amin’ny lesona iray tany aloha, ny “2 Nefia 32:8–9,” dia nianatra ianareo fa raha mivavaka mandrakariva isika, dia hanamasina ny asantsika mba hitondra fiadanana ho an’ny fanahintsika ny Ray any An-danitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 32:8–9, sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Avereno jerena ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana “2 Nefia 32:8–9” ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina hoe “Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.” Mamoròna tantara fohy mba hampifandraisana ireo tarehimarika ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity amin’ny andian-teny manan-danja—ohatra, “Nivavaka 32 ora isan’andro i Addi.” TSY MANINONA raha tsy lôjika ny zavatra foroninao. Ny tanjona dia ny hanampy anao hampifandray ny toko sy andininy amin’ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Alaovy sary an-tsaina hoe miresaka amina namana iray izay tsy mahatsapa ho mendrika hivavaka ianao. Mampiasà andian-teny avy ao amin’ny 2 Nefia 32:8–9 mba hanampiana azy hahatakatra ny antony ilantsika ny mivavaka mandrakariva. Ampidiro ao amin’ny fanazavanao izay heverinao fa dikan’ny hoe mivavaka mandrakariva.

Fizàrana mampihatra

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Misafidiana iray amin’ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Manorata betsaka araka izay tadidinao momba ilay fitsipika. Rehefa mahavita ianao, dia ampitahao amin’ny fizarana mifandray aminy avy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) ny zavatra nosoratanao. Jereo raha misy zavatra tianao hampidirina amin’ny zavatra nosoratanao.

  1. Mieritrereta fanontaniana na fanahiana mety hanananao na ny olona iray hafa momba ny vavaka. (Mba hieritreretana fanontaniana na fanahiana mety hipetraka na hisy, dia azonao atao ny manontany ny tenanao hoe: “Inona avy ireo antony sasantsasany mety hahatonga ny olona tsy hivavaka?” na ny hoe: “Ahoana no ahafahan’ny olona iray mampisy lanjany kokoa ny vavaka ataony?”) Misafidiana fanontaniana na fanahiana iray tianao hifantohana, ary soraty izany. Ampiasao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana olona iray amin’izany fanontaniana na fanahiana izany, ka soraty ny fomba ahafahan’ny fitsipika tsirairay manampy azy ireo. Azonao ampiasaina ho tari-dalana izao manaraka izao.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona avy no loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra ampiasainao hoenti-mamaly?

Mampiasà loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra anankiray mba hanampy anao hanomana valiny. Azonao atao ny mandefa hafatra amina ray na renim-pianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana iray hangatahana fanampiana miaraka amin’izay mety ho valiny. Azonao atao ihany koa ny mizaha ny soratra masina na fitaovana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Raha misy fanahiana dia mety hanampy ity fanambarana nataon’ny Filoha Brigham Young (1801–1877) ity:

Tsy maninona na mahatsapa te hivavaka na tsia izaho na ianao, fa rehefa tonga ny fotoana hivavahana dia mivavaha. Rehefa mahatsapa tsy te hanao izany isika dia tokony hivavaka mandra-pananantsika fahatsapana ny hanao izany. (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Brigham Young [1997], 45)

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka mifandray amin’io fanontaniana na fanahiana io?

  • Inona avy ireo fahamarinana mandrakizay avy ao amin’ny 2 Nefia 32:8–9 afaka manampy ny olona iray amin’io fanontaniana na fanahiana io?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no mety ho sosokevitra arosonao hataon’io olona io mba hanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy? Nahoana?

  • Inona no mety hanasanao io olona io mba hotadidiany ka afaka hanampy azy hanao asa amim-pinoana?

Hamoaka printy