Seminera
Jakoba 4: “Ny finoanay dia tsy voahozongozona”


“Jakoba 4: -Ny finoanay dia tsy voahozongozona,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Jakoba 4,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Jakoba 4

“Ny finoanay dia tsy voahozongozona”

Sary
Takelaka volamena

Tsy asa mora ny nisokitra teny teo amin’ny takela-by (jereo ny Jakoba 4:1). Koa inona ary no antony nahatonga an’i Jakoba nisikim-ponitra nanao izany? Niaina ny fifalian’ny fahafantarana ny Mpamonjy izy ary naniry ny hanampy antsika hankamin’ny Mpamonjy ihany koa. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny famantarana, firaketana an-tsoratra ary fisaintsainana ireo fitsipika sy fahamarinana nampianarin’i Jakoba.

Inona no zavatra hozarainao?

I Jakoba dia nanatanteraka didy iray hanoratra amina takelaka kely “ny vitsivitsy amin’ny zavatra izay noheveri[ny] ho tena sarobidy indrindra” (Jakoba 1:2) mba hovakin’ny taranaka ho avy (jereo ny Jakoba 4:1–3). Alaovy sary an-tsaina hoe ianao koa dia nangatahina torak’izany koa mba hanoratra hafatra fohy ho an’ny olona any aoriana any.

Manorata andiam-pehezan-teny iray izay ahitana ireo zavatra manan-danja indrindra fantatrao na niainanao mba hovakin’ny zanakao sy ny zafikelinao any aoriana.

Ny hafatr’i Jakoba ho antsika

Rehefa mandalina ny hafatra ao amin’ny Jakoba 4 izay nanentanam-panahy an’i Jakoba hosokirina mba hovakin’ny olona amin’izao androntsika izao ianao, dia hanana fahafahana hizatra hampiasa ireo fahaiza-manao manampy amin’ny fandalinana soratra masina. Tafiditra ao anatin’ireo fahaiza-manao ireo ny hoe:

  1. Mamantatra sy mirakitra an-tsoratra fitsipika sy fahamarinana

  2. Misaintsaina sy mametraka fanontaniana izay manampy anao hahatakatra kokoa ireo fahamarinana sy fitsipika

Ny fampiasana ireny fahaiza-manao ireny dia afaka manampy anao hianatra sy hanana fahatsapana bebe kokoa avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny soratra masina.

1. Mamantatra sy mirakitra an-tsoratra fitsipika sy fahamarinana

Manampy ny miato kely rehefa mamaky ny soratra masina ianao ary mirakitra an-tsoratra ny zavatra ianaranao ho toy ny fehezan-teny tsotra manambara fahamarinana. Azonao atao ny mampiasa ny teninao manokana na mampiasa teny sy andian-teny mivantana avy ao amin’ny soratra masina.

Ampiharo ny famantarana sy firaketana an-tsoratra fitsipika sy fahamarinana amin’ny alalan’ny:

  • Famakiana ny Jakoba 4:1, 4–6, ka tadiavo ny zavatra momba ny Mpamonjy izay nanentanam-panahy an’i Jakoba horaketina an-tsoratra.

  • Manisy marika ireo teny sy andian-teny izay manan-danja aminao.

  • Mirakitra an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny soratra masinao ny zavatra tsapanao fa hafatra manan-danja indrindra ao amin’ireo andininy ireo.

Ohatra iray amin’ny fitsipika izay mety ho hitanao ao amin’ny andininy 6 ny hoe ny fandalinana amin-kitsimpo ny tenin’ny mpaminany dia hanamafy orina ny finoako an’i Jesoa Kristy. Hevero ny hirakitra an-tsoratra io fitsipika io ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 6.

2. Misaintsaina sy mametraka fanontaniana

Ny fisaintsainana dia afaka manampy anao hahatakatra sy hampihatra ireo fitsipika sy fahamarinana hitanao. Azonao atao ny misaintsaina fanontaniana toy ireto manaraka ireto ianao:

  • Nahoana araka ny eritreritro no mila mahalala io fahamarinana io ny olona amin’izao androntsika izao?

  • Ahoana no iharan’izany amin’ny fiainako?

  • Inona no hampanaovin’ny Tompo ahy noho ny zavatra nianarako?

Ampiharo ny fampiasana ireo fahaiza-mandalina soratra masina

Ampiharo ny fahaiza-mamantatra, mirakitra an-tsoratra ary misaintsaina fitsipika sy fahamarinana amin’ny alalan’ny:

  1. Fandalinana ny Jakoba 4:7–14, ka zahao ireo fampianarana manan-danja momba ny Mpamonjy izay nosafidin’i Jakoba horaketina an-tsoratra.

  2. Firaketana an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny soratra masinao ny fitsipika iray izay tsapanao fa zava-dehibe ho an’ny olona eo amin’izao tontolo izao ankehitriny ny mahatakatra azy.

  3. Fisaintsainana ny maha zava-dehibe ny zavatra hitanao. Mametraha fanontaniana izay afaka manampy anao hahatakatra kokoa sy hampihatra izany eo amin’ny fiainanao. (Ny ohatra amin’ireo fanontaniana azonao saintsainina dia hita ao amin’ny fizarana hoe “Misaintsaina sy mametraka fanontaniana” any alohaloha ao amin’ny lesona.)

  1. Manorata andiam-pehezan-teny iray na roa, hizarana amin’ny mpampianatra anao ny fitsipika na fahamarinana nosafidinao, ireo/ny andininy nahitanao izany, ary ny zavatra nianaranao avy tamin’izany. Saintsaino ireto ohatra manaraka amin’ny zavatra azonao ampidirina ao amin’ny/ireo andiam-pehezan-teninao ireto:

    • Ny fomba ahafahan’ilay fitsipika na fahamarinana manampy ny zatovo manamafy orina ny finoany an’i Jesoa Kristy

    • Andinin-tsoratra masina hafa na fanambarana avy amina mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay manampy anao hahatakatra tsara kokoa io fitsipika na fahamarinana io

    • Zavatra azonao saintsainina sy fanontaniana azonao apetraka mba hanampy anao hahatakatra kokoa io fitsipika na fahamarinana io

    • Fomba ahafahanao mampihatra ny zavatra nianaranao mba hanamafisana orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy

    • Zavatra niainana tamin’ny fotoana nitahiana anao na ireo olona fantatrao tamin’ny alalan’ny fampiharana ny zavatra nampianarin’i Jakoba

Hamoaka printy