Seminera
Môzià 18: Ny fanekempihavanan’ny batisa


“Môzià 18: Ny fanekempihavanan’ny batisa,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 18,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 18

Ny fanekempihavanan’ny batisa

Sary
Zatovo atao batisa

Manan-danja loatra ny fanapahan-kevitra sasany ka mety hiantraika amin’ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainantsika. Iray amin’ireny fanapahan-kevitra ireny ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny ôrdônasin’ny batisa. I Almà dia nampianatra ny vahoakany teo amin’ny ranon’i Môrmôna momba ny fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra rehefa atao batisa isika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fanekempihavanana atao amin’ny batisa sy ny fomba ahafahan’izany miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra sy ny hafa.

Ny batisanao

Hanombohana ny fandalinanao anio dia eritrereto ny batisanao ary miezaha mitadidy antsipirian-javatra tamin’izany andro izany. Raha tsy mbola vita batisa ianao, dia saintsaino izay zavatra fantatrao momba ny batisa na ny zavatra tsaroanao tamin’ny fanatrehana batisa iray.

  • Inona avy no fahatsiarovana tianao indrindra tamin’izany andro izany? Inona no zavatra tsapanao tamin’izany?

  • Inona no fiantraikan’ny fanapahan-kevitrao hatao batisa tamin’ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra sy ny olon-kafa?

I Almà mampianatra ny tenin’i Abinadia

Sary
I Abinadia mijoro ho vavolombelona eo anoloan’i Noà Mpanjaka

Ny Môzià 18 dia ahitana ny tantaran’i Almà, izay iray tamin’ireo mpisoron’i Noà Mpanjaka taloha, mampianatra ny tenin’i Abinadia amin’ny hafa. Voatery nampianatra miafina i Almà satria notadiavin’i Noà Mpanjaka hovonoina noho ny finoany ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy nataon’i Abinadia izy.

Vakio ny Môzià 18:1–7 ka tadiavo ny zavatra nampianarin’i Almà ny vahoaka.

  • Inona no nampianarin’i Almà momba ny Mpamonjy taorian’ny nandrenesany ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Abinadia?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nisafidy ny hampianatra ny zavatra nataony ao amin’ireo andininy ireo i Almà?

Ny fanekempihavanan’ny batisa

Rehefa avy nampianatra ny vahoaka momba ny fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy i Almà, dia nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny batisa. Azontsika ianarana amin’ireo fampianarany fa rehefa atao batisa isika, dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Rehefa manohy mandalina ireo fampianaran’i Almà ianao, dia saintsaino ny zavatra fantatrao momba ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa sy havaozintsika isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo, ary koa ireo fanontaniana rehetra mety hanananao. Katsaho ombam-bavaka ny hahatakatra tsara kokoa ny fomba ahafahan’io fanekempihavanana io miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra sy ny hafa.

Nanazava ny atao hoe fanekempihavanana ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ny fanekempihavanana dia fifanekena eo amin’ Andriamanitra sy ny olona, fifanarahana izay Andriamanitra no mametraka ny fepetra (jereo ny Bible Dictionary, “Covenant,” 651). Amin’ireny fifanarahana masina ireny, Andriamanitra dia mamatotra ny Tenany hanohana, hanamasina ary hanandratra antsika ho setrin’ny fanoloran-tenantsika hanompo Azy sy hitandrina ny didiny. (D. Todd Christofferson, “Les alliances divines font des chrétiens forts,” Liahona, mai 2009, 20)

Ao amin’ny Môzià 18:8–10, i Almà dia namaritra ny atao hoe fanekempihavanan’ny batisa. Vakio ny Môzià 18:8–10 ary hevero ny hanisy marika ny zavatra anolorantsika tena hatao rehefa atao batisa isika sy hanamarika amina loko na endrika hafa ireo fitahiana izay atolotry ny Ray any An-danitra antsika.

Ny Môzià 18:8–10 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe “hiara-malahelo amin’izay malahelo” sy ny hoe “hampionona ireo izay mila fampiononana”? (andininy 9).

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahantsika “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra, ary amin’ny toerana rehetra”? (andininy 9). Iza no fantatrao fa ohatra tsara amin’ny fanaovana izany?

  • Tamin’ny fomba ahoana avy no nahitanao an’ Andriamanitra mitahy anao na ny hafa amin’ny alalan’ireo fampanantenana ataony amintsika amin’ny alalan’ny batisa?

Fitandremana ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa

Mba hanampiana anao hahita ny fomba hitandremana tsara kokoa ny fanekempihavanan’ny batisa nataonao, dia azonao atao ny mijery ireto horonan-tsary manaraka ireto, hitadiavana ohatra amin’ny fihazonana ireo fampanantenana nofaritan’i Almà ao amin’ny Môzià 18:8–10. Ny horonan-tsary dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Maso hahita” (manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:55 hatramin’ny 6:53)

  • Inona no teny na andian-teny avy ao amin’ny andininy 8–10 hitanao fa naseho?

Misafidiana iray farafahakeliny amin’ireo fampanantenana ataontsika amin’ny batisa izay zarain’i Almà ao amin’ny Môzià 18:8–10. Ohatra, azonao safidina ny hoe “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay” (andininy 8) na ny hoe “hitandrina ny didiny” (andininy 10).

  1. Raketo an-tsoratra hoe inona no fampanantenana nosafidinao hifantohana ary valio ny telo farafahakeliny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahan’ny zatovo mihazona izany fampanantenana izany?

    • Nahoana araka ny eritreritrao no nampidirin’ny Ray any An-danitra ho ampahany amin’ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa izany?

    • Ahoana no fomba nanehoan’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny ohatra ny fomba fitandremana izany fampanantenana izany?

    • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nitandrina izany fampanantenana izany? Inona no nianaranao tamin’ireo zavatra niainana ireo?

Makà fotoana hiraketana ao amin’ny diarinao ny fahatsapanao hoe manao ahoana ny fitandremanao ireo fanekempihavanan’ny batisa zarain’i Almà ao amin’ny Môzià 18:8–10. Ahoana no nihazonanao tam-pahombiazana ny sasany amin’ireny fampanantenana ireny? Amina toe-javatra manahoana no ahafahanao mihazona an-tsitrapo kokoa ny iray amin’izy ireny? Ahoana araka ny eritreritrao no hiantraikan’izany amin’ny fifandraisanao amin’ny Tompo sy ny olon-kafa raha manao izany ianao?

Hamoaka printy