“Môzià 21–24, Tapany 2: Mitodika amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana amin’ny fitsapana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Môzià 21–24, Tapany 2,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Môzià 21–24, Tapany 2
Mitodika amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana amin’ny fitsapana
Inona no hasetrinao rehefa mandalo fitsapana sy zava-tsarotra ianao? Nahoana araka ny eritreritrao no manatona akaiky kokoa ny Tompo ny olona sasany raha ny hafa kosa manalavitra Azy? Ao amin’ny Môzià 21–24, dia ianarantsika fa ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà dia nitodika tamin’ny Tompo mba hahazo hery sy fanafahana tamin’ny fahababoana. Ity lesona ity dia natao hanampy anao hiantehitra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanampy anao mandritra ireo fitsapana lalovanao.
Fihetsika manoloana ny fitsapana
Tao amin’ny lesona teo aloha, ianao dia nasaina hieritreritra momba ny fitsapana iray izay lalovanao na nolalovanao. Mety nianatra fahamarinana vitsivitsy ianao tamin’ny fandalinanao ny Môzià 21–24 izay nanampy anao hahatakatra ny antony amelan’ny Tompo anao handalo fitsapana. Anio dia eritrereto indray ireo fizahan-toetra lalovanao, saingy amin’ity indray mitoraka ity dia hevero ny fomba hiatrehanao azy ireo. Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ireo sakana na fahombiazana niainanao sy ireo fomba nahatsapanao ny hery mitarika avy amin’ny Tompo na fitahiana nomeny.
Ny herin’ny fanafahan’ny Tompo
Mety ho tadidinao ny fandalinana momba ny vahoakan’i Limia (tany amin’ny tanin’i Nefia) sy ny vahoakan’i Almà (tany amin’ny tanin’i Helama). Samy nandalo fitsapana sarotra izy ireo nandritra ny fotoana naha babon’ny Lamanita azy ireo. Ity sary ity dia maneho ny dian’izy ireo ao amin’ny Môzià 21–24.
Anio ianao dia hianatra ny fomba nanafahan’ny Tompo ireo vondron’olona roa ireo tamin’ny fanandevozana ho any amin’ny tanin’i Zarahemlà. Eo am-pandalinanao dia ataovy ao an-tsaina ireo fitsapana lalovanao ary mitadiava fahamarinana izay manampy anao hamantatra ireo fomba ampiharan’ny Tompo ny herin’ny fanafahany eo amin’ny fiainanao.
Vakio ny soratra masina hijerena ny iray amin’ireo vondron’olona ireo farafahakeliny, ka raketo ao amin’ilay tabilao momba ny fomba nanafahana azy ireo tamin’ny fizahan-toetra azy ireo. Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny soratra masinao izay teny na andian-teny rehetra nanan-danja taminao.
Môzià 21–24: Hery sy fanafahana
Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“Môzià 21–24, Tapany 2: Mitodika amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana amin’ny fitsapana”
Vahoakan’i Limia |
Vahoakan’i Almà | |
---|---|---|
Inona no asa nataon’ny olona mba handraisana ny fanampian’ny Tompo? | ||
Ahoana no nandraisan’ny Tompo anjara tamin’ny fanafahana azy ireo? | ||
Inona avy ireo andian-teny sasany tiana indrindra ao amin’ireo andininy ireo? |
© 2023 an’ny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved.
Mahafantatra sy mifaly amin’ny herin’ny Tompo
Ao anatin’ireo fahamarinana maro azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo izay mety tsikaritrao avy amin’ny fandalinanao fa rehefa mitodika amin’ny Ray any An-danitra isika, dia hanohana antsika Izy mandritra ny fitsapana lalovantsika ary hanafaka antsika amin’ny fotoany (jereo ny Môzià 21:14–16). Ianarantsika ihany koa fa rehefa iaretantsika am-pifaliana sy am-paharetana ny fitsapana lalovantsika, dia afaka mampahatanjaka antsika mba hahafahantsika mitondra mora foana ny enta-mavesatsika ny Tompo (jereo ny Môzià 24:15).
-
Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ireo zavatra momba ny Tompo ireo miantraika amin’ny fiatrehanao ny fitsapana lalovanao?
-
Ahoana no nanohanan’ny Tompo sy nampahatanjahany anao na olona iray fantatrao, hiaritra fitsapana na hitondra enta-mavesatra? Inona no fiantraikan’izany zavatra niainana izany tamin’ny fahatsapanao momba Azy?
ChurchofJesusChrist.org
Ny dingana manaraka hataonao
Saintsaino ny zavatra nianaranao androany ka afaka manampy anao amin’ny fitsapana atrehinao;