Seminera
Môzià 19–20: “Tanteraka ny tenin’i Abinadia”


“Môzià 19–20: -Tanteraka ny tenin’i Abinadia,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 19–20,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 19–20

“Tanteraka ny tenin’i Abinadia”

Sary
I Noà Mpanjaka

Tian’ny Ray any An-danitra ho sambatra sy ho voaaro ianao. Fomba iray ahafahanao miaina fifaliana sy fiarovana ara-panahy ny fanarahana ireo fampianarana sy fampitandreman’ny mpaminaniny. I Noà Mpanjaka sy ny vahoakany dia namoy ny fitahian’ny fiarovana ka niaina fijaliana lehibe noho izy ireo nandà an’i Abinadia. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hihaino ireo fampitandremana sy ireo fampianaran’ireo mpaminanin’ny Tompo.

Fiarovana amin’ny loza

Jereo ireto sary manaraka ireto ary fantaro ny loza na ratra azon’ireo zavatra eo amin’ny sary sorohina.

Sary
Akanjo aro aina, fiarovan-doha ho an’ny bisikileta, fitaovana enti-mianika
  • Inona avy no loza iarovan’ireo zavatra ireo antsika?

  • Nahoana araka ny hevitrao no misafidy ny tsy hiraharaha fitaovam-piarovana na toromarika ny olona sasany?

Ankoatra ny loza mety hitranga ara-batana, ny loza ara-panahy ihany koa dia ampahany amin’ny fiainantsika ety an-tany. Satria tia antsika ny Tompo, dia miantso mpaminany Izy hanome tari-dàlana antsika sy fitaovana izay afaka manampy antsika hahatsapa fiarovana ara-batana, ara-panahy ary ara-pihetseham-po mandritra ny fiainantsika.

Makà fotoana hisaintsainana ny fiarovana omen’ny Tompo anao amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôliny. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Impiry ianao no mahita ireo mpaminany sy apôstôlin’ny Tompo ho toy ny fomba fiarovana ara-panahy avy Aminy?

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ny fomba ahafahan’ny fanarahana ireo mpaminanin’ny Tompo mitahy anao?

Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hikatsaka fiarovana sy fahasambarana izay tonga avy amin’ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo.

Niaina ny vokatry ny fahotan’izy ireo ny vahoakan’i Noà Mpanjaka

Sary
I Abinadia eo anoloan’i Noà Mpanjaka

Tadidio fa i Abinadia dia nirahina mba hampitandrina ny vahoakan’i Noà Mpanjaka tamin’ny faharatsian’izy ireo mba hahafahan’izy ireo misoroka ny fitsaran’ny Tompo ho avy. (Mety hilaina ny famerenana mijery ny sasany amin’ireo fampitandreman’i Abinadia ao amin’ny Môzià 11:20–25; 12:1–8.)

Avereno jerena amin’ny alalan’ny famakiana ny Môzià 12:13–15; 17:11–20 ny nasetrin’i Noà sy ny vahoakany ny fampitandreman’i Abinadia.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nisafidy ny tsy hiraharaha ny fampitandreman’i Abinadia i Noà sy ireo mpisorony?

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ny fomba mety tsy hiraharahan’ny olona na handavany ireo fampianaran’ny mpaminany amin’izao androntsika izao? Inona araka ny eritreritrao no antony anaovan’izy ireo izany?

Araka ny naminanian’i Abinadia azy mihitsy (jereo ny Môzià 17:15–19) dia niatrika fitsapana sarotra ny vahoakan’i Noà taorian’ny nandavan’izy ireo ny tenin’ny Tompo sy ny fanasany mba hibebaka. Mety ho tsaroanao avy amin’ny fandalinanao ny Môzià 7 fa tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Abinadia, ireo olona ireo dia hitan’ny vondrona iray mpanao fikarohana avy any Zarahemlà notarihina lehilahy iray nantsoina hoe Amôna (jereo ny kisary eo ambany). Tamin’ny fotoana nahitana azy ireo, ny Nefita tany amin’ny tanin’i Nefia dia babon’ny Lamanita.

Sary
sary fanehoana ny dian’ny Nefita handeha hitaky ny tanin’i Nefia

I Limia, zanakalahin’i Noà Mpanjaka no mpitarika azy ireo. Vakio ny tenin’i Limia ao amin’ny Môzià 7:24–29, hitadiavana ireo antony hitany fa nahatonga ny fahababoana niainan’izy ireo.

  • Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo ka afaka manampy ny olona iray izay tsy mahatsapa fa zava-dehibe ny manaraka ireo mpaminanin’ny Tompo?

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra novakinao, inona avy no fomba sasantsasany azonao amaranana ity fehezan-teny manaraka ity ka azo ampiharina amin’ny olona amin’izao androntsika izao?

Ny tsy firaharahana na fandavana ny tenin’ny Tompo izay omeny amin’ny alalan’ireo mpaminaniny dia mitarika amin’ny …

Vakio ny Môzià 19:3–21; 20:3, 21, hitadiavana antsipiriany izay maneho ny fahamarinana hoe ny tsy firaharahana na fandavana ny tenin’ny Tompo izay omeny amin’ny alalan’ireo mpaminaniny dia mitarika amin’ny fijaliana sy alahelo.

Sary
Sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no porofo hitanao amin’ny fijaliana na alahelo niainan’ny olona ao amin’ireo andininy ireo?

    • Rehefa hitanao ny fijaliana niaretan’ireo olona ireo ary fantatrao fa naniraka mpaminany iray ny Tompo mba hampitandrina, dia inona no zavatra ianaranao momba ny Tompo?

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny sasany amin’ireo fitahiana azontsika raisina rehefa mihaino ny torohevitra omen’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny isika:

Ny tantara dia naneho fa misy fiarovana sy fiadanana, firoboroboana ary fahasambarana avy amin’ny fanatanterahana ny torohevitry ny mpaminany. (M. Russell Ballard, “His Word Ye Shall Receive,” Ensign, May 2001, 65)

  • Inona avy no ohatra sasantsasany avy amin’ny fiainanao na ny soratra masina ka manohana ny teny nambaran’ny Filoha Ballard?

Ny torohevitry ny Tompo ho anao

Sahala amin’ireo mpaminany fahiny, ny mpaminany ankehitriny dia manome antsika ny torohevitry ny Tompo, ny fampitandremany ary ireo fitahiana ampanantenainy. Toerana iray ahafahantsika mahita ny sasany amin’izany torohevitra izany ny ao amin’ny Ho zatovo mahery! (kiboky, 2022).

Makà fotoana handalinana lohahevitra iray farafahakeliny avy ao amin’ilay kiboky. Rehefa mandalina ianao, dia tadiavo ireto manaraka ireto:

  1. Fenitra anasan’ny Tompo anao mba hiainanao

  2. Loza ara-panahy mety hitranga noho ny tsy firaharahana ny torohevitry ny Tompo

  3. Fitahiana nampanantenaina amin’ny fanarahana ny torolalana sy fampitandreman’ny Tompo

  1. Ataovy lisitra ilay/ireo lohahevitra nohalalininao ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy no sasantsasany amin’ireo loza mety hitranga voalaza amin’ny tsy firaharahana ny torohevitra nohalalininao?

    • Inona avy no sasantsasany amin’ireo fitahiana nampanantenaina?

    • Ahoana no mety hahafahan’ireo fampianarana ireo manampy anao hanaraka tsara kokoa an’i Jesoa Kristy?

Eritrereto ny zavatra nianaranao androany momba ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo. Makà fotoana hisaintsainana ny fomba ahafahanao manaraka tsara kokoa ny mpaminany sy ny antony maha-zava-dehibe aminao ny fanaovana izany. Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ny fahatsapana ara-panahy azonao.

Hamoaka printy