Seminera
Môzià 21–24, Tapany 1: Mahita ny tanjon’ny Tompo amin’ireo fitsapana sy fahoriana lalovantsika


“Môzià 21–24, Tapany 1: Mahita ny tanjon’ny Tompo amin’ireo fitsapana sy fahoriana lalovantsika,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 21–24, Tapany 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 21–24, Tapany 1

Mahita ny tanjon’ny Tompo amin’ireo fitsapana sy fahoriana lalovantsika

Sary
Zatovo iray misaintsaina, hita ho malahelo

Ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray ny antony amelan’ny Tompo antsika handalo fitsapana sy fahoriana? Ny Môzià 21–24 dia mamaritra ny zavatra niainan’ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà, izay samy sendra fanamby sarotra. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa fahatokiana miavosa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miatrika fitsapana sy fahoriana eo amin’ny fiainanao ianao.

Mitondra enta-mavesatra

Sary
Olona mitondra kitapo babena mavesatra

Alaovy sary an-tsaina hoe maneho ny fitsapana lalaovanao anao sy ny enta-mavesatrao ary ny fahorianao ny vato izay tsy maintsy entinao ara-bakiteny anatina gony na kitapo babena iray.

  • Inona avy no sasany amin’ireo fitsapana na enta-mavesatra mety holalovana na baben’ny zatovo ka mety ho toy ny vato mavesatra ao anatina kitapo babena no fahatsapana azy?

  • Inona avy no fanontaniana mety hananan’ny olona momba ireo enta-mavesatra entiny?

Makà fotoana hieritreretana ny sasany amin’ireo fitsapana na enta-mavesatra atrehinao amin’izao fotoana izao na natrehinao teo amin’ny fiainanao. Hevero ny hitanisa izany ao anatin’ny diary fandalinanao. Azonao atao ny mampiditra fanontaniana, ahiahy, na faniriana anananao mifandray amin’ireo fitsapana lalovanao sy ny enta-mavesatra babenao.

Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny antony mety hamelan’ny Tompo anao handalo ireny fitsapana ireny.

Ny vahoakan’i Limia Mpanjaka sy ny vahoakan’i Almà

Ao amin’ny Môzià 21–24 isika dia mianatra momba ny vondron’olona roa izay niaina fitsapana sy fahoriana lehibe. Ny vondrona voalohany dia nipetraka tany amin’ny tanin’i Nefia ary notarihin’i Limia, zanakalahin’i Noà Mpanjaka. Ny vondrona faharoa dia nipetraka tany amin’ny tanin’i Helama ary notarihin’i Almà.

Sary
Sary fanehoana ireo toerana ao amin’ny Môzià 21-24

Ity manaraka ity dia famintinana fohifohy ireo tranga manodidina ny fahababoan’ny vondrona tsirairay:

Ny vahoakan’i Limia

Rehefa avy nandà ireo fampianarana sy fampitandreman’i Abinadia ny Nefita izay notarihin’i Limia Mpanjaka, dia nobaboin’ny Lamanita tany amin’ny tanin’i Nefia izy ireo ary notakina handoa hetra mavesatra (jereo ny Môzià 19:15). Araka ny naminanian’i Abinadia mpaminany azy (jereo ny Môzià 12:5), ny Lamanita dia nanery ny vahoakan’i Limia hanompo azy ireo sy hitondra enta-mavesatra tsy anerany (jereo ny Môzià 21:3).

Ny vahoakan’i Almà

Taorian’ny nahafatesan’i Abinadia, i Almà sy ireo mpanara-dia azy dia nandositra tany amin’ny ranon’i Môrmôna izay nanaovana batisa azy ireo (jereo ny Môzià 17:1–4; 18:1–14). Tatỳ aoriana dia nandositra izy ireo ho fiarovana ny ainy ary nanorina fonenana ho an’ny marina tany amin’ny tanin’i Helama (jereo ny Môzià 18:32–34; 23:1–4, 19–20). Tamin’ny farany dia hitan’ny Lamanita ny vahoakan’i Almà ary dia nobaboiny (jereo ny Môzià 23:25–29, 36–37). I Amiolôna, izay iray tamin’ireo mpisoron’i Noà izay ratsy fanahy, dia nomena fahefana tamin’izy ireo ary nanomboka nampahory an’i Almà sy ny vahoakany (jereo ny Môzià 24:8–9).

Ny antony amelan’ny Tompo ireo fitsapana hiseho

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ireo fampianarana izay afaka manampy anao hahatakatra ny antony amelan’ny Tompo antsika handalo fitsapana sy fahoriana. Azonao atao ny manisy marika ireo teny sy andian-teny izay manan-danja aminao.

Sary
Sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy ireo fitovitoviana sy fahasamihafana hitanao teo amin’ireo vondron’olona roa ireo sy ny zavatra niainan’izy ireo?

    • Inona no porofon’ny fitiavana sy fiahian’ny Tompo ny olona hitanao tamin’ireo tantara ireo?

    • Inona no nianaranao momba ny antony amelan’ny Tompo ny olona hiaritra fitsapana sy fahoriana?

Ireo tantara ireo dia manambara fahamarinana maro momba ny antony amelan’ny Tompo ny olona handalo fitsapana. Ao anatin’ireo izay hitanao dia mety ho nahatsikaritra ireto manaraka ireto ianao:

  • Mamela antsika handalo fitsapana ny Tompo mba hanampiana antsika ho lasa manetry tena sy hiantehitra Aminy kokoa (jereo ny Môzià 21:5–14).

  • Ny sasany amin’ireo fitsapana sy fahoriana dia tonga vokatry ny tsy fankatoavana (jereo ny Môzià 21:15).

  • Ny fitsapana lalovantsika dia afaka manome antsika lala-misokatra hikatsahana sy hahatsapana ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika (jereo ny Môzià 21:15–16; 24:14).

  • Manafay ny olony ny Tompo ary mizaha toetra ny faharetany sy finoany (jereo ny Môzià 23:21).

Olona maro no mieritreritra fa ny hoe faizina (jereo ny Môzià 23:21) dia mitovy hevitra amin’ny hoe voasazy. Ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava toy izao: “Ny teny hoe chasten na manafay dia avy amin’ny teny latina hoe castus, midika hoe -madio fitondrantena,- ary ny hoe chasten izany dia midika hoe -mahatonga ho madio- [jereo ny Merriam-Webster’s Collegiate Dictionary, ed. faha-11. (2003), “chasten”]” (“Ilay mpitsara marina,” Liahona, nôv. 2016, 97). Saintsaino anatina fotoana fohy ny mety hanadiovan’ny Tompo anao amin’ny alalan’ny fitsapana sy fahoriana lalovanao.

  1. Valio farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo miantraika amin’ny fomba hasetrinao ny fitsapana lalovanao?

    • Inona avy no zavatra niainana nanampy anao hahita ny tanjon’ny Tompo amin’ny famelana anao handalo fitsapana?

    • Inona no zavatra nianaranao androany ka afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fitsapana lalovanao?

Hamoaka printy