Seminera
Almà 9: Tsarovy ireo fitahian’ny Tompo


“Almà 9: Tsarovy ireo fitahian’ny Tompo,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 9,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 9

Tsarovy ireo fitahian’ny Tompo

Sary
I Almà sy i Amioleka

Ahoana no nitahian’ny Tompo anao? Inona no andrasany mba hataonao aorian’ny fandraisana ireny fitahiana ireny? Rehefa niantso ny vahoakan’i Amônihà hibebaka i Almà sy i Amioleka, dia nandà ny fampianaran’izy ireo ny olona. Nampianatra i Almà fa niandrandra azy ireo ho marina kokoa noho ny Lamanita izay tsy nampianarina ny fahamarinana ny Tompo. Namporisika ny olona hahatsiaro ireo fitahian’ny Tompo izy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hamantatra sy hahatsiaro ireo fitahiana nomen’ny Tompo anao.

Ireo fitahian’ny Tompo ho anao

Makà minitra vitsivitsy hitanisana ao amin’ny diary fandalinanao ireo fitahiana azonao tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. (Hevero ny hampiditra ireo fitahiana izay tonga noho ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy anao.)

  • Inona no fiantraikan’ny fahatsiarovana ireo fitahiana sy fanomezana ireo aminao?

  • Impiry ianao no mieritreritra momba ireo fitahiana ireo? Misy zavatra azonao atao mba hifantohana kokoa amin’izy ireo ve?

Rehefa mandalina ianao anio dia hanana fahafahana hanampy ao amin’ny lisitrao. Mikatsaha tari-dalan’ny Ray any An-danitra mba hahafantarana ireo fitahiany anao sy hahafantarana ny fomba ahafahanao mahatsiaro azy ireo mandritra ny fiainanao.

Nitory tamin’ny vahoakan’i Amônihà i Almà sy i Amioleka.

Rehefa nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny vahoakan’i Amônihà i Almà sy i Amioleka, dia mafy fo ny olona.

Vakio ny teny nolazain’i Almà tamin’izy ireo ao amin’ny Almà 9:8–11, 20–22, hitadiavana teny na andian-teny izay manondro fitahiana nomen’ny Tompo ireo olona ireo ka hadinon’izy ireo.

  • Inona no hitanao?

  • Inona no toetran’ny Tompo asongadin’i Almà ao amin’ny andininy 11? (Hevero ny hanisy marika ireo toetra ireo ao amin’ny soratra masinao.)

Mety hanampy ny mahafantatra fa ny teny hoe fahari-po dia manondro ny faharetan’ny Tompo sy ny fifehezany tena rehefa misy antony mahatezitra.

Makà fotoana hisaintsainana ireo fomba nampisehoan’ny Tompo faharetana taminao. Azonao atao ny mampiditra ireo ohatra ireo ao amin’ny lisitry ny fitahiana noraisinao.

Tatỳ aoriana, i Almà dia nijoro ho vavolombelona mombana toetra hafa ananan’ny Tompo izay afaka manampy antsika hahatakatra ny hafatr’i Almà. Vakio ny Almà 9:26 ary hevero ny hanisy marika ireo toetra ireo. Mety hanampy ny fahafantarana fa ao amin’ny soratra masina ny teny hoe hitsiny dia midika hoe “ara-drariny” na “marina”.

Rehefa nanohy nitory i Almà, dia nantitranteriny fa i Jesoa Kristy dia feno fahasoavana, hitsiny, fahamarinana, faharetana, famindram-po ary fahari-po. Saintsaino ny antony nanirian’i Almà ny vahoakan’i Amônihà hahatakatra ireo toetran’ny Mpamonjy ireo.

Mampitaha sy mampifanohitra vahoaka roa

Ny soratra masina dia matetika no mampitaha na mampifanohitra hevitra, sy tranga ary vahoaka amin’ny fomba izay mampianatra fitsipika ara-pilazantsara. Ny fitadiavana ireo fampitahana sy fampifanoherana ireo dia afaka ny ho fahaiza-mandalina soratra masina ilaina. I Almà dia nampitaha vondron’olona roa izay tao anatina toe-javatra samy hafa—ny Lamanita sy ny vahoakan’i Amônihà. Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity. Tadiavo ny fomba nanasongadinan’i Almà ny toetran’ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Fenoy ao amin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity ary eritrereto ny zavatra hafa azonao ianarana momba an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanaovana ireo fampitahana ireo.

    Ny zavatra ianaranao momba ny vahoaka

    Ny fomba nanehoan’ny Tompo fahasoavana, hitsiny, fahamarinana, faharetana, famindram-po, na fahari-po tamin’ireo olona ireo

    Lamanita (Almà 9:14–17)

    Vahoakan’i Amônihà (Almà 9:20–25)

  • Amin’ny fomba ahoana ny fanirahana an’i Almà sy Amioleka hampitandrina sy hijoro ho vavolombelona tamin’ny vahoakan’i Amônihà no maneho ny famindram-pon’ny Tompo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe amintsika ny mahatsiaro ireo fampianaran’i Almà ao amin’ny Almà 9 amin’izao androntsika izao?

Inona no nomen’ny Tompo anao?

Talanjona i Almà satria vetivety dia hadinon’ny vahoakan’i Amônihà ireo fitahiana nomen’ny Tompo azy ireo amin’ny maha-vahoaka azy ireo (jereo ny Almà 9:8–11). Mba hanampiana azy ireo hibebaka sy hiverina hitodika amin’ny Tompo dia nampahatsiahy azy ireo ny fitahiana maro noraisin’izy ireo i Almà (jereo ny andininy 20–24).

  • Inona avy no antony sasantsasany mety hanadinoantsika ny zavatra nataon’ny Tompo tamintsika?

Rehefa mamaky ireto fanontaniana manaraka ireto ianao, dia saintsaino ny fomba mety ho nandraisanao ny sasantsasany amin’ireo fitahiana noraisin’ny vahoakan’i Amônihà. Hevero ny hampiditra ireny fitahiana ireny ao amin’ny lisitrao.

  • Inona no zavatra “nampahalalain[’ny Tompo [anao] araka ny faniria[nao] sy ny finoa[nao] ary ny vavaka[o]”? (Almà 9:20).

  • Ahoana no nitahiana anao tamin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy voalaza ao amin’ny Almà 9:21?

  • Ahoana no nanafahan’ Andriamanitra anao tamin’ny fizahan-toetra anao? (Jereo ny Almà 9:22.)

  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity ary fintino ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra nataonao.

    Makà fotoana hanaovana zavatra hanampy anao hahatsiaro ireo fitahiana nomen’ny Tompo anao. Hevitra maromaro ireto manaraka ireto:

    • Alaivo sary ilay lisitra nataonao tao an-dakilasy ary apetraho amin’izay toerana ahafahanao mahita izany matetika, toy ny sary fototra ao amin’ny findainao izany.

    • Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny fahatsapanao ary manaova drafitra hirakitra an-tsoratra tsy tapaka ireo fitahiana azonao.

    • Asio fampahatsiahivana ny kalandrienao mba hisaintsainana tsy tapaka ny zavatra nataon’ny Tompo ho anao.

Hamoaka printy