“Almà 12: Fo mafy na malemy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)
“Almà 12,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna
Almà 12
Fo mafy na malemy
Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe manana fo mafy na fo malemy amin’ny Tompo? Rehefa nanomboka nametraka fanontaniana tamin-kitsim-po tamin’i Almà sy i Amioleka i Zezrôma dia nampianatra i Almà fa ireo izay tsy manamafy ny fony no afaka mianatra ny zavatr’ Andriamanitra. Nampianatra ny drafitry ny fanavotana i Almà ary namporisika ny olona hanombana ny fon’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanombana ny fonao sy ny fahavononanao handray ny tenin’ Andriamanitra.
Mampitaha ny fo amin’ny tanimanga
Mieritrereta fotoana nijerevanao olona iray nanamboatra zavatra tamina tanimanga na nanaovanao izany. Tsaroanao ve hoe mora niasana ilay tanimanga sa maina na mafy?
-
Inona no fiantraikan’ny fampiasana tanimanga malemy na mafy amin’ny fahafahanao manome endrika izany?
Manaova sarina fo roa ao amin’ny diary fandalinanao, ka asio soratra hoe “fo mafy” ny iray ary “fo malemy” ny iray. Mety hanampy ny fahafantarana fa ao amin’ny soratra masina ny fo dia matetika no tandindon’ny “saina sy finiavan’”ny olona iray (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fo,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).
Ampitahao amin’ny tanimanga ny fontsika ary ny Tompo amin’ny olona mamolavola izany. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia katsaho ny fanampian’ny Tompo mba hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no dikan’ny hoe manana fo mafy na fo malemy? Nahoana no zava-dehibe ny toetran’ny foko?
-
Amin’ny lafiny inona no ananako fo mafy na fo malemy?
-
Raha mafy ny foko dia ahoana no ahafahako mikatsaka ny fanampian’ny Tompo hanalefaka azy?
Rehefa mianatra ianao, dia hevero ny hanoratra fanamarihana eo ambanin’ny fo tsirairay nataonao ao anatin’ny diary fandalinanao.
Fo mafy sy fo malemy
I Zezrôma sy ny hafa dia niezaka namitaka sy nanimba ny lazan’i Almà sy Amioleka tamin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana izay natao hamandrihana azy ireo (jereo ny Almà 11:21). Namaly tamin’ny alalan’ny Fanahy i Amioleka, sady nijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Fitsarana Farany (jereo ny Almà 11:26–46). Nanazava i Almà fa nahafantatra ny fitak’i Zezrôma tamin’ny alalan’ny Fanahy izy sy i Amioleka (jereo ny Almà 12:3–6).
Vakio ny Almà 12:7–8 hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’i Zezrôma.
-
Inona no andian-teny milaza aminao fa niova i Zezrôma?
-
Inona araka ny eritreritrao no fahasamihafana nentin’ny toe-tsain’i Zezrôma teo amin’ny fahafahany mandray valiny?
Satria te hahalala mafy momba ny Fitsarana Farany i Zezrôma, dia nampiasain’i Almà io fahafahana io mba hampianarana momba ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fanavotana. Na izany aza dia nampitandrina an’i Zezrôma aloha i Almà fa nila mahitsy teo anatrehan’ Andriamanitra ny fony.
Rehefa mamaky ny Almà 12:9–11 ianao dia asio marika ny teny na andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny zavatra mitranga noho ny toetran’ny fontsika. Mety hanampy ny mahafantatra fa “ny misterin’ Andriamanitra dia ireo fahamarinana ara-panahy tsy hay fantarina afa-tsy amin’ny alalan’ny fanambarana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Misterin’ Andriamanitra,” scriptures.churchofJesusChrist.org).
Ny fitsipika roa mety ho hitanao dia ny hoe (1) raha tsy manamafy ny fontsika isika ary mihaino am-pahazotoana ny tenin’ Andriamanitra, dia afaka ny ho tonga amin’ny fahalalana ny misterin’ Andriamanitra isika sy ny hoe (2) raha manamafy ny fontsika isika, dia handray kelikely kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra isika mandrapahatongantsika ho tsy mahalala na inona na inona momba ny misterin’ Andriamanitra. Hevero ny hanoratra ny fahamarinana tsirairay eo akaikin’ny fo izay nataonao sary ao amin’ny diarinao.
Mba hahazoana fahatakarana lehibe kokoa momba ny dikan’ny hoe mafy fo na ny zavatra azontsika atao mba hanalefahan’ny Tompo ny fontsika, dia vakio ny sasany amin’ireto andininy ireto. Eo akaikin’ny fo mifandray amin’izany ao amin’ny diary fandalinanao dia soraty ny zavatra ianaranao na ny andian-teny manan-danja avy amin’ireo andininy ireo sy ireo andininy novakinao tao amin’ny Almà 12:7–11.
-
Vahoaka manamafy ny fony: 1 Nefia 15:3; 2 Nefia 33:2; Môzià 11:29.
-
Ny zavatra nataon’ny vahoaka mba hanalefahan’ny Tompo ny fon’izy ireo: 1 Nefia 2:16; Almà 24:8.
-
Mety hanao ahoana araka ny eritreritrao ho an’ny olona iray izany hoe mametraka fanontaniana amin’ny fo mafy izany? Mety hanao ahoana izany hoe mangataka amin’ny fampisehoana “fitandremana sy fahazotoana” (Almà 12:9) amin’ny Tompo?
-
Nahoana isika no alaim-panahy hanamafy ny fontsika indraindray?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no afaka mampisy fahasamihafana eo amin’ny fiainantsika ny toe-pontsika manoloana ny Tompo?
Ny drafi-panavotan’ Andriamanitra
Satria nanomboka nanana faniriana tamin-kitsimpo ny hahatakatra ny fitsanganana amin’ny maty sy ny Fitsarana Farany i Zezrôma, dia nampianatra azy momba ny drafitr’ Andriamanitra momba ny fanavotana i Almà. Nampianariny fa ity fiainana ity dia “fotoana hiomanana hihaona amin’ Andriamanitra” ary nampianatra momba ny anjara asa manan-danja sahanin’ny Mpamonjy amin’ny fandresena ny fahotana sy ny fahafatesana ihany koa izy (jereo ny Almà 12:16–18, 24–28, 33). Notsindriany ny maha zava-dehibe ny tsy hanamafisana ny fontsika.
Makà fotoana hakana sary an-tsaina ny hoe mety hanao ahaona izany mijoro eo anoloan’ Andriamanitra amin’ny Fitsarana Farany izany rehefa avy niaina tao anatin’ny hamafin’ny fo. Alaivo sary an-tsaina ihany koa hoe mety hanao ahoana izany rehefa avy niaina tao anatin’ny halemen’ny fo.
Vakio ny Almà 12:12–15, 33–37, hitadiavana ny fomba ahafahan’ny fonao miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny Fitsarana Farany. Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masinao.
-
Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 12:33–34, nahoana no tena ilaina ny tsy manamafy ny fontsika sy mibebaka?
-
Tamin’ny fomba ahoana no naha-ohatra tonga lafatra ny Mpamonjy amin’ny fananana fo malemy sy mietry tamin’ny Rainy? (Jereo ny Matio 26:39; 2 Nefia 31:4–7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18–19.)
Ny fonao
Mba hanampiana anao hanombana ny fonao dia valio amina ambaratonga manomboka amin’ny 1 ka hatramin’ny 5 ireto fanontaniana manaraka ireto, ka ny 1 dia midika hoe “tsy marina amiko mihitsy” ary ny 5 dia midika hoe “marina amiko mandrakariva”.
-
Mila ny tari-dalan’ny Ray any An-danitra aho amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainako.
-
Vonona hankatò ny Ray any An-danitra aho.
-
Manaiky fanitsiana aho.
-
Mahatsapa aho fa mila ny fanampian’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainako.
-
Vonona hitodika amin’ny Tompo sy hibebaka aho.