“Etera 1: ‘Mitalaho amin’ny Tompo,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)
“Etera 1,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna
Etera 1
“Mitalaho amin’ny Tompo”
Ahoana no iovan’ny fifandraisanao amin’ny Tompo rehefa miatrika zava-tsarotra ianao? Rehefa nanandrana nanangana tilikambo iray hahatratra ny lanitra ny olona ratsy fanahy, dia nanorokoro ny fitenin’izy ireo ny Tompo mba tsy hifankazahoan’izy ireo (jereo ny Genesisy 11:1–9). Nitalaho tamin’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda, niangavy mba hitsimbinana ny fianakaviany sy ny namany amin’io fanakorokoroana io (jereo ny Etera 1:34–37). Namaly ny vavaka mafy nataony tamim-pangorahana sy famindram-po ny Tompo. Ity lesona ity dia natao hanainga anao hivavaka amin-kitsimpo sy tsy miovaova kokoa.
Hetsika amin-kitsimpo sy tsy miovaova
Mieritrereta asa iray tsara hatao, toy ny fandalinana, fanaovana fanazaran-tena, na fanompoana ny hafa. Ampiasao ao amin’ireto fanambarana manaraka ireto izany asa izany, ary fenoy amin’ny fomba mifanaraka amin’izany ireo andian-teny.
-
Raha (asa) tsindraindray ny olona iray, dia .
-
Raha (asa) amin-kitsimpo sy tsy miovaova mandritra ny fotoana ela ny olona iray, dia .
-
Ahoana no mety ahafahanao mameno ireo fanambarana ireo amin’ny alalan’ny fampiasana asa arahim-bavaka?
-
Inona avy no antony sasantsasany mety mahatonga antsika tsy mahitsy na tsy miovaova mandrakariva araka izay irintsika ao anatin’ny vavaka ataontsika?
Makà fotoana hisaintsainana ny vavakao manokana. Inona no manampy anao ho mahitsy sy tsy miovaova? Inona no mety hanakana anao tsy ho mahitsy sy tsy miovaova? Nahoana no mety te hihatsara ianao?
Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia mitadiava fahamarinana izay mety hanampy anao amin’ny vavaka ataonao.
Ny bokin’i Etera
Teo amin’io fotoana io ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no nampidirin’i Môrônia ny bokin’i Etera. Izy io dia ahitana ny tantaran’ny Jaredita. Nadika avy amin’ireo takela-bolamena 24 hitan’ireo olona nalefan’i Limia izy io (jereo ny Môzià 8:7–11; Etera 1:1–2). Io boky io dia manomboka amin’ny tantaran’ny rahalahin’i Jareda sy ny vavaka nataony tamin’ny Tompo. Jereo ity tetiandro manaraka ity (notombanana ny daty) mba hahitana ny fotoana niainany ampitahaina amin’ny olona hafa nohalalininao tao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity:
Vakio ny Etera 1:33 mba hahitana ny zavatra nitranga teo am-panombohan’ny tantaran’ny Jaredita.
-
Inona no fantatrao momba ilay “tilikambo lehibe” sy ny “nanakorokoroan’ny Tompo ny fitenin’ny olona” (Etera 1:33)?
Raha tsy mahazatra anao io tantara io, dia hevero ny hijery ilay horonan-tsary hoe “Ny tilikambon’i Babela” (0:58), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ny Genesisy 11:1–9 (jereo ihany koa ny andiam-pehezanteny faharoa amin’ny pejin-dohateny amin’ny Bokin’i Môrmôna).
-
Mety ho nanao ahoana no fahatsapana izany hoe niaina nandritra izany fotoana izany?
Mitalaho amin’ Andriamanitra amim-pinoana
Indraindray, ny soratra masina dia ahitana andian-teny miverimberina mba hanisiana fanasongadinana na lanja misimisy kokoa ireny andian-teny ireny. Ny fitadiavana ireo andian-teny miverimberina ireo dia afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny zavatra noezahin’ilay mpanoratra nentanim-panahy hampianarina.
Vakio ny Etera 1:34–37 mba hahitana ny fomba nentin’i Jareda sy ny rahalahiny nikatsaka ny hamaha ny olan’izy ireo. Hevero ny hanisy marika ireo andian-teny miverimberinna izay maneho ny fomba nivavahan’ny rahalahin’i Jareda sy ny fomba namalian’ny Tompo.
-
Inona no nianaranao tamin’ireo andian-teny nasianao marika?
Fitsipika iray ianarantsika amin’io tantara io ny hoe rehefa mitalaho amin’ Andriamanitra amim-pinoana isika dia hanana fangorahana antsika Izy.
Mba hahitana ohatra maoderina amin’ny famalian’ny Tompo amim-pangorahana ny vavaka amin-kitsimpo sy tsy miovaova, dia jereo ny “Valim-bavaka” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 2:17 hatramin’ny 4:32, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Zava-dehibe ny mahatsapa fa tsy fantatsika ny faharetan’ny fotoana nahazoan’ny rahalahin’i Jareda valiny. Nizara izao manaraka izao ny Loholona Brook P. Hales ao amin’ny Fitopololahy:
Mahafantatra antsika ny Ray, mahafantatra ny zavatra ilaintsika, ary hanampy tsara antsika tokoa. Indraindray izany fanampiana izany dia omena eo no ho eo na farafahakeliny vetivety aorian’ny hangatahantsika ny fanampian’ Andriamanitra. Indraindray ireo faniriantsika tena avy amin’ny fo sy mendrika indrindra dia tsy valiana araka izay hanantenantsika izany, kanefa hitantsika fa mitahiry fitahiana lehibe kokoa homena antsika amin’ny ho avy Andriamanitra. Ary indraindray dia tsy omena eto amin’ity fiainana ity ireo faniriana tsara ananantsika. (Brook P. Hales, “Ireo valim-bavaka,” Liahona, mey 2019, 12)
-
Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe amintsika ny mahatsiaro ireo fampianarana ireo?
-
Ahoana no nanehoan’ny Tompo fangorahana taminao na ny hafa fantatrao rehefa nivavaka Taminy ianao?
Tsy fiovaovana amin’ny vavaka
Vakio ny Etera 1:38–43; 2:5, 13–15, hitadiavana hevi-baovao hafa momba ny vavaka sy ny valiny ataon’ny Tompo.
Manatsara ny vavaka
Alaovy sary an-tsaina hoe ao anatina fifanakalozan-kevitry ataon’ny filan-kevitry ny zatovo momba ny fomba anampiana ny zatovo hanatsara ny vavak’izy ireo ianao.
Katsaho ny aigam-panahy omen’ny Fanahy Masina ary saintsaino ny fiovana rehetra tsapanao fa mila ataonao amin’ny vavakao. Manaova tanjona manokana ary manokàna tena hanaraka ny fahatsapana rehetra azonao.