“Etera 4–5: ‘Famelabelarana aminy ny fanambarako rehetra,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)
“Etera 4–5,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna
Etera 4–5
“Famelabelarana aminy ny fanambarako rehetra”
Mahatsapa ho vonona hianatra misimisy kokoa avy amin’ny Tompo ve ianao? Raha tsia, inona no azonao atao? Ny Tompo dia nandidy an’i Môrônia hamehy ilay fahitan’ny rahalahin’i Jareda voarakitra an-tsoratra ary koa nanazava fa ho ambara ireo rakitsoratra ireo rehefa manana finoana tahaka ny nananan’ny rahalahin’i Jareda ny vahoaka. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ny zavatra azonao atao mba hahazoana fanambarana misimisy kokoa.
Rehefa vonona isika
Mieritrereta zavatra iray izay sarobidy manokana aminao na ny fianakavianao.
-
Na dia mety ho tianao aza ny mizara io zavatra io amin’ny hafa, nahoana no mety ho tena hitandrina be ianao amin’ny famelana ny ankizy kely iray hitazona azy?
-
Inona no zavatra mila ianaran’ny ankizy iray na ataony izay vao atokisanao amin’izany zavatra izany izy?
Tahaka izany koa, ny Tompo dia tia manambara fahamarinana amintsika, saingy miandry Izy mandra-pahavonona antsika handray izany (jereo ny Almà 12:9–11).
Ilay ampahany nofehezina amin’ny Bokin’i Môrmôna
Ohatra iray amin’ny fiandrasan’ny Tompo mandra-pahavononantsika izay vao manambara fahamarinana ny ampahany nofehezina amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nodidina tsy hanokatra na handika izany ampahany izany i Joseph Smith (jereo ny Etera 5:1). Izy io dia mirakitra ny rakitsoratra momba ny fahitana nomena ny rahalahin’i Jareda.
Mba hanampiana anao hianatra momba ilay ampahany nofehezina amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia ampiasao ireo soratra masina voatanisa anatina fononteny mba hamaliana ireto fanontaniana marina sa diso ireto.
-
Naneho ny Tenany tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Mpamonjy ary nanompo azy (Etera 3:20).
-
Ny Tompo dia naneho tamin’ny rahalahin’i Jareda ny mponina rehetra tamin’ny tany, izay efa nisy sy izay hisy, tsy nisy na inona na inona nohazoniny tsy ho hitany (Etera 3:25; 4:4).
-
Nandidy ny rahalahin’i Jarèda ny Tompo mba hanoratra ireo zavatra izay hitany sy hamehy ny rakitsorany. Izany dia tamina fiteny iray izay nokorokoroin’ny Tompo ary tsy hay vakina raha tsy misy mpandika teny avy amin’ Andriamanitra (Etera 3:21–22, 24, 27; 4:1).
-
Nomen’ny Tompo vato telo izay azo ampiasaina handikana ilay rakitsoratra ny rahalahin’i Jareda (Etera 3:23–24, 28).
-
Tsy misy olona efa namaky ny rakitsoratry ny rahalahin’i Jareda (Etera 4:2–5).
Nampidirina any amin’ny fiafaran’ny lesona ny valiny marina.
Mahazo fanambarana misimisy kokoa
Tamin’ny alalan’i Môrônia, ny Tompo dia nanambara ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hanatonana Azy, handraisana fanambarana, ary hiomanana handray fanambarana misimisy kokoa voarakitra ao amin’ilay ampahany voafehy amin’ny Bokin’i Môrmôna.
Vakio tsara ny Etera 4:5–15, hitadiavana fomba hamenoana ity fahamarinana manaraka ity. Ny andian-teny hoe “ireny zavatra ireny” ao amin’ny andininy 8 sy 11 dia manondro ny Bokin’i Môrmôna. Ny voaly, tahaka ny ohatra nomena ao amin’ny andininy 15, dia lamba izay ampiasaina handrakofana na hanafenana zavatra iray.
-
Hitahy antsika amina fanambarana misimisy kokoa ny Tompo rehefa … isika
Ireto andian-teny manaraka ireto dia mety ho fomba namenoanao ny fahamarinana eo ambony. Hevero ny hanisy marika azy ireo ao amin’ny soratra masinao na hanoratra azy ireo ao amin’ny diary fandalinanao:
-
“mibebaka … ary tonga madio eo anoloan’ny Tompo” (Etera 4:6)
-
“mampihatra finoana” (Etera 4:7)
-
“[mino] ireny zavatra ireny” (manondro ny zavatra efa nambaran’ny Tompo, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna) (Etera 4:8, 11)
-
“tonga ao [amin’ny Mpamonjy]” (Etera 4:13–15)
-
mivavaka “amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina” (Etera 4:15)
Raha toa izany ka hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny tsirairay amin’ireo andian-teny ireo, dia jereo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny Application Médiathèque de l’Évangile ny andian-teny manan-danja. Ohatra, mety hanampy ny fijerena ny hoe “fo torotoro” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Ny Tompo dia hamoaka ilay ampahany nofehezina amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny “fotoana mahamety izany” (2 Nefia 27:21) rehefa mampihatra ilay finoana toy ny an’ny rahalahin’i Jareda isika (jereo ny Etera 4:7). Mitovitovy amin’izany, mety misy fanambarana misimisy kokoa izay mbola miandry ny hanomezan’ny Tompo azy anao. Hamaranana ity lesona ity, dia ataovy ity manaraka ity:
-
Avereno jerena ny famaritana ao amin’ireo andininy ireo momba ireo izay mampihatra finoana sy hamasinina, saintsaino ny lafiny itovianao amin’izy ireo ary inona no lafiny mety ilainao hatsaraina.
-
Misaintsaina ary mivavaha mba hahalala ny zavatra hampanaovin’ny Tompo anao mba handraisana fanambarana misimisy kokoa avy Aminy. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.
Valin’ny andiam-panontaniana marina sa diso: Marina ny valiny telo voalohany raha toa ka diso kosa ny roa farany.