“Etera 3: ‘Finoana nihoa-pampana tokoa,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)
“Etera 3,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna
Etera 3
“Finoana nihoa-pampana tokoa”
Efa tena noheverinao marina ve ny fahasamihafana azon’ny finoana an’i Jesoa Kristy entina eo amin’ny fiainantsika? Ohatra iray lehibe ny rahalahin’i Jareda izay nanatona ny Tompo niaraka tamina drafitra hamahana ny olany sy nivavaka tamim-panetren-tena niaraka tamin’ny “finoana nihoa-pampana tokoa” (Etera 3:9) ka “ny voaly dia nesorina hiala tamin’ny maso[ny]” (Etera 3:6) ary nahita sy niresaka tamin’ny Tompo izy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy amim-panetren-tena.
Ahoana no anehoanao finoana?
Manaova lisitr’olona telo derainao avy ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana na soratra masina.
-
Inona avy no fomba sasantsasany nanehoan’ireo olona ireo finoana an’i Jesoa Kristy?
-
Ahoana no ahafahanao milaza fa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao ianao?
-
Nahoana no te hampihatra finoana ianao?
Mba hanampiana anao hisaintsaina ny finoanao an’i Jesoa Kristy, dia soraty ny fahamarinan’ireto fanambarana manaraka ireto, amina ambaratonga 1–5 (1 = tsy … mihitsy; 2 = indraindray; 3 = matetika; 4 = saika mandrakariva; 5 = mandrakariva):
-
Mino an’i Kristy aho ary manaiky Azy ho Mpamonjy ahy.
-
Amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsimpo amin’ny Ray any An-danitra, izaho dia mikatsaka fanampiana avy amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy amin’ny olako ary matoky ny fitarihana sy fanampian’Izy Ireo.
-
Manao asa aho ary matoky ny Tompo hanampy ahy.
Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia mikatsaha ny hianatra misimisy kokoa momba ny fomba ahafahanao mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy amim-panetren-tena sy ny antony mety hanaovanao izany.
Mampihatra finoana
Tao amin’ny lesona teo aloha dia nianatra ianao fa nandidy ny rahalahin’i Jareda hanamboatra sambo sy hita ny ranomasimbe ho any amin’ilay tany nampanantenaina ny Tompo; saingy, tsy nisy hazavana ilay sambo. Nangataka ny rahalahin’i Jareda handroso vahaolana ny Tompo (jereo ny Etera 2:23). Rehefa nanao asa tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy ny rahalahin’i Jareda, dia nanampy tamin’ny famahana ny olany sy nitahy azy tamin’ny fomba nihoatra izay nangatahiny ny Tompo.
Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe rehefa mampihatra finoana ny Tompo amim-panetren-tena isika, dia hanakaiky kokoa Azy.
Manakaiky kokoa ny Tompo
-
Inona avy no fomba samy hafa nitahian’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda noho ny finoany?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanatonan’ny rahalahin’i Jareda akaiky kokoa ny Tompo tamin’ny alalan’io zavatra niainana io?
Mety hanampy raha asiana marika ny tenin’ny Tompo tamin’ny rahalahin’i Jareda: “avotana amin’ny fahalavoana ianao; noho izany ianao dia entina miverina eo anatrehako” (Etera 3:13). Rehefa mampihatra finoana ny Tompo amin’ny olantsika manokana isika, dia afaka mandray ihany koa ny fanampiany amin’ny tanjontsika mandrakizay handresy ny fisarahantsika Aminy ary hiverina hiaina miaraka Aminy.
Jereo na vakio ny iray amin’ireto ohatra manaraka mombana zatovo mampihatra ny finoan’izy ireo ireto.
-
Jereo ny “Faith and the Goal (Finoana sy ny tanjona)” (4:40). Milaza ny fomba ampiharany finoana ny Tompo ny tanora mpilalao baolina kitra matihanina iray.
4:39 -
Jereo ny “Rebuilding My Faith When I Felt Lost (Nanorina inray ny finoako rehefa nahatsiaro ho very aho)” (6:25). Rehefa niverina aloha avy any amin’ny asa fitoriana ny zatovolahy iray, dia nanorina indray ny finoany an’i Jesoa Kristy.
0:0 -
Vakio ny tantaran’i Jan Roothoff, zazalahy kely tany Pays-Bas izay nikatsaka ny mpaminany Joseph F. Smith hanasitrana ny masony narary (Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, bok. 3, Boldly, Nobly, and Independent, 1893–1955 [2022], 123–25).
Mitadiava fomba ahatsapanao ho akaiky kokoa ny Tompo rehefa manao asa amim-pinoana ianao.