Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 24: Takaro ary hazavao


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 24: Takaro ary hazavao,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 24,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 24

Takaro ary hazavao

Sary
zatovolahy mandalina ny soratra masina

Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy anao hahatakatra sy hanazava ny fotopampianaran’ny Mpamonjy amin’ny teninao manokana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampitombo ny fahatakaranao sy hanazava ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana samihafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Mametraka fanontaniana

Mieritrereta olona iray fantatrao tsara.

  • Ahoana no nahafantaranao azy?

  • Inona no anjara asa notanan’ny fametrahana fanontaniana tamin’ny fahafahanao tonga tamin’ny fahalalana azy?

  • Mety hanao ahoana ny fahasamihafan’ny fifandraisanareo raha tsy nametraka fanontaniana mihitsy ianao?

Tahaka ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana mba hahalalana ny olona iray mivantana, dia tena ilaina ihany koa ny mametraka fanontaniana rehefa mandalina soratra masina ianao mba hahatongavana amin’ny fahalalana sy fahatakarana tsara kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’izany.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra toy izao: “Ny fahazoana tari-dalana ara-tsoratra masina dia ampian’ny fametrahana fanontaniana mifanaraka amin’izany” (“Living by Scriptural Guidance,” Ensign, nôv. 2000, 18).

Ny fametrahana fanontaniana mikasika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa izany ary hanasa bebe kokoa ny fitarihan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika.

Avereno jerena fohifohy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ity tabilao manaraka ity.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Misafidiana iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tianao ho takatra tsara kokoa ary vakio tsara izany. Mitadiava fanontaniana roa farafahakeliny azonao apetraka momba ilay andininy mba hahatakarana tsara kokoa azy ary soraty izany. Ohatra, rehefa mamaky ny 3 Nefia 27:20 ianao, dia mety ho afaka manontany hoe: “Inona no dikan’izany hamasinina izany?” Na rehefa mamaky ny Môrônia 10:3–5 ianao, dia mety ho afaka manontany hoe: “Inona no dikan’izany hoe manontany ‘omban’ny tena finiavana’ izany?”

Mitadiava valin’ireo fanontaniana noeritreretinao; mampiasà fitaovana fandalinana soratra masina toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, , na lahateny tamina fihaonambe maneran-tany mihitsy aza. Azonao atao ny mampiasa tetikady fandalinana soratra masina hafa izay fantatrao, toy ny fandalinana ireo andininy manodidina mba hahatakarana tsara kokoa ny sahan-kevitr’ireo andininy.

Tsarovy fa mety tsy hahita valiny amin’ny fanontanianao rehetra ianao rehefa mandalina. Saingy rehefa manohy mampihatra finoana ny Tompo ianao, dia hanampy anao hahafantatra ny fahamarinan’ny zavatra katsahinao Izy.

Hevero ny hanasa namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hanampy anao hamaly ny fanontanianao. Azonao heverina ihany koa ny hamerina io sahanasa io amin’ny fampiasana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa izay tianao ho takatra tsara kokoa.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidinao?

    • Inona no nianaranao momba io andinin-tsoratra masina io avy amin’io sahanasa io?

    • Inona no anampian’io andinin-tsoratra masina io anao ho takatra momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany?

Hamoaka printy