Seminera
Jakoba 1–4: Topimaso ankapobeny


“Jakoba 1–4: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2023)

“Jakoba 1–4,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Jakoba 1–4

Topimaso ankapobeny

Talohan’ny nahafatesan’i Nefia, dia nomeny an’i Jakoba zandriny lahy ny andraikitra hitahiry ireo takelaka sy hirakitra eo amin’izany ny zavatra izay “sarobidy indrindra” amin’izany (Jakoba 1:2). Ny hafatr’i Jakoba dia mampitodika ny hafa any amin’i Jesoa Kristy ka manampy azy ireo hisoroka ny vokatry ny tsy finoana sy fahotana. Fantany tamin’ny alalan’ny fanambaran’ Andriamanitra fa niady mafy tamina fahotana maro ny vahoaka Nefita. Ny toriteny izay nataony dia naompany tamin’ny fahotana ateraky ny avonavona sy nampianarany momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ireo fampianarany dia afaka manampy antsika handresy ny fahotana eo amin’ny fiainantsika manokana sy hanatona ny Mpamonjy.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra an’ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:8–9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 2•Nefia 32:8–9 sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hijery fotoana teo amin’ny fiainan’izy ireo na fiainan’ny olona iray fantatr’izy ireo, izay nanampian’ny vavaka tamin-kitsimpo azy ireo hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaly fanontaniana amin’ny alalan’ny fampiasana ny sehatra chat. Izany dia hamela ny mpianatra hanomana ny valin-tenin’izy ireo alohan’ny handefasany izany ary hamporisika ihany koa ny mpianatra izay tsy manome valin-teny matetika haneho ny hevitr’izy ireo.

Jakoba 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahita fomba hanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana hahafahan’izy ireo hiresaka amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hivavaka mba hahita fahafahana sy hanana fahasahiana hihetsika amin’ny fotoana itrangan’izany.

  • Horonan-tsary:Émission mondiale : Faire connaître l’Évangile” (54:06; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 1:35); “Histoires de membres : Jeunes et jeunes adultes” (5:08).

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hizara ny mpianatra ho amina salles de réunion mba hifanakalo hevitra momba ireo fomba hanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy amina toe-javatra samihafa.

Jakoba 2:1–21

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa amin’ny alalan’ny famantarana sy fanoherana ny otan’ny avonavona.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara ohatra amin’ny fahitan’izy ireo hoe toy ny ahoana ny fisehon’ny avonavona eo amin’izao tontolo izao ankehitriny.

  • Votoatin-javatra haseho: Ireo rafi-tantara any am-piandohan’ny lesona, ireo teny notaterina avy amin’ny Filoha Ezra Taft Benson sy ny Loholona Dieter F. Uchtdorf, ary ny fanasana famaranana.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Azonao atao ny mizara ny mpianatra ho amina salles de discussion mba handalina ny Jakoba 2:17–21 sy hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana mifandray amin’izany. Hevero ny handefa hafatra amin’ireo salles de discussion rehetra mba hampahatsiahy azy ireo ny fanontaniana.

Jakoba 2:22–35

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahazo fahafinaretana amin’ny fahadiovam-pitondrantena tahaka ny Tompo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanontany ny ray aman-drenin’izy ireo na mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana momba ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fankatoavana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Azonao atao ihany koa ny mifandray amin’ny ray aman-dreny mba hampahafantarana azy ireo fa hianatra momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny mpianatra mba hahafahan’ny ray aman-dreny manohy ny fifanakalozan-kevitra any an-trano raha tian’izy ireo.

  • Votoatin-javatra haseho: Kisary mampitaha ny fenitry ny Tompo amin’ny an’izao tontolo izao

  • Horonan-tsary:Mitsangàna sy miorena eo amin’ny toerana masina” (16:07; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:22 hatramin’ny 4:50); “Je choisis d’être pur” (4:19)

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny Ho zatovo mahery! (kiboky, 2011) ho an’ny mpianatra tsirairay

Jakoba 4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanamafy orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny famantarana, firaketana an-tsoratra, ary fisaintsainana ireo fitsipika sy fahamarinana nampianarin’i Jakoba.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny Jakoba 4:7–14 ary hiomana hizara fitsipika na fahamarinana iray hitan’izy ireo izay tsapan’izy ireo fa tena ilaina eo amin’izao tontolo izao ankehitriny.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Zavatra iray ankoatra ny penina na pensilihazo izay azon’ny mpianatra ampiasaina hanoratana andiam-pehezan-teny iray amina takela-biraty na taratasy

  • Votoatin-javatra haseho: Ireo teboka any am-piafaran’ny lesona izay manampy ny mpianatra hisaintsaina ny fahamarinana hitan’izy ireo

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hampiasa ny sehatra chat mba hizarana ny fitsipika na fahamarinana hitan’izy ireo tao amin’ny Jakoba 4:7–14. Avy eo dia azon’ny mpianatra hafa atao ny mizara fanontaniana mba hosaintsainin’ny iray kilasy momba ilay fitsipika na fahamarinana.

Hamoaka printy