Seminera
Jakoba 1: Mandresy lahatra ny hafa hanatona an’i Kristy


“Jakoba 1: Mandresy lahatra ny hafa hanatona an’i Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Jakoba 1: Mandresy lahatra ny hafa hanatona an’i Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Jakoba 1

Mandresy lahatra ny hafa hanatona an’i Kristy

Sary
Misiônera mampianatra fianakaviana

Talohan’ny nahafatesan’i Nefia, dia nomeny an’i Jakoba zandriny lahy ny andraikitra hitahiry ireo takelaka sy hirakitra eo amin’izany ny zavatra izay “sarobidy indrindra” amin’izany (Jakoba 1:2). Ny hafatr’i Jakoba dia mampitodika ny hafa any amin’i Jesoa Kristy ka manampy azy ireo hisoroka ny vokatry ny tsy finoana sy fahotana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahita fomba hanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy.

Manampy ny mpianatra ho mpandray anjara mavitrika. Ho an’ny mpianatra sasany dia mety toa tsy mahazatra sy somary sarotra ihany ny fanaovana ezaka mba hianarana amin’ny soratra masina. Na izany aza, ny mpianatra dia afaka mivoatra amin’ny fahafahany manao zavatra ka mampitombo tsikelikely ny fandraisany andraikitra ho an’ny fianarany. kokoa amin’ny fianaran’izy ireo tsikelikely. Mitadiava hirika hanampiana ny mpianatra handray anjara mavitrika ao am-pianarana ary derao ny ezaka ataon’izy ireo sy ny fivoarany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana hahafahan’izy ireo hiresaka amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hivavaka mba hahita fahafahana sy hanana fahasahiana hihetsika amin’ny fotoana itrangan’izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Miresaka amin’ny namana iray

Ireto fanontaniana sy horonan-tsary manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny hoe mety hanao ahoana izany miresaka amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy izany. Raha nangatahina tamin’ny mpianatra ny hanao ny fiomanan’ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara momba-na fotoana mety nahafahan’izy ireo niresaka tamin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy.

  • Amin’ny fotoana toy inona no mety hampatahotra ny miresaka momba an’i Jesoa Kristy? Inona no mety hanampy antsika handresy ny tahotsika?

  • Iza no olona iray fantatrao ka ohatra tsara amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa?

Ny zatovolahy iray antsoina hoe Junior dia ohatra tsara be amin’ny fizarana ny filazantsara. Izy no hany zatovolahy nandeha niangona tao amin’ny sampana kely iray any Florida, Etazonia. Nanapa-kevitra ny hiresaka tamin’ny iray tamin’ireo namany momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ary nanasa azy ho any am-piangonana. ChurchofJesusChrist.org

Ny ohatry ny hafa dia afaka manome antsika antony sy hevitra momba ny fomba hanasana ny hafa hanatona an’i Kristy. Eo am-pandalinana anio, dia eritrereto ny antony mety hanirianao hanampy ny hafa hanatona ny Mpamonjy sy ny fomba azonao anaovana izany amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy.

Mandresy lahatra ny hafa hanatona an’i Kristy

Talohan’ny nahafatesan’i Nefia (jereo ny Jakoba 1:12), dia nanome andraikitra an’i Jakoba rahalahiny izy mba hanoratra eo amin’ireo takelaka kely izay nandidian’ny Tompo azy mba hamboariny. Ireo takelaka kely dia mifantoka amina zavatra ara-panahy ary nisy takelaka hafa natokana ho an’ny tantaran’ny vahoaka (Jakoba 1:1–3).

Vakio ny Jakoba 1:4–6, ka tadiavo ny zavatra nangatahin’i Nefia tamin’i Jakoba mba hampidirina ao amin’ireo takelaka sy hampianarina ny vahoaka.

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany fantatr’i Nefia sy i Jakoba? Ahoana no nahalalan’izy ireo ireo zavatra ireo?

Ampio ny mpianatra hamantatra ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Jakoba momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba nandrisihan’izany azy hanao zavatra.

Vakio ny Jakoba 1:7–8, ka tadiavo ny zavatra nataon’i Jakoba noho ny fahatakarany. Mety ho azonao atao ny manisy marika andian-teny ao amin’ny soratra masinao izay mampiseho ny zavatra nandrisika an’i Jakoba hanao zavatra. Ireto fanazavana manaraka ireto dia afaka manazava ny zavatra nandrisika an’i Jakoba.

“[Mi]banjina ny fahafatesany”:Azo inoana fa i Jakoba dia nanasa ny Nefita hieritreritra momba an’i Jesoa Kristy izay maty ho azy ireo sy nanao sorompanavotana ho an’ny fahotan’izy ireo.

“[Mi]haritra ny hazofijaliany”:Io andian-teny io dia manondro finiavana handà ny tenantsika amin’ireo zavatra tsy araka an’ Andriamanitra sy ireo filan-dratsin’izao tontolo izao ka hitandrina ireo didin’ny Tompo (jereo ny Dikantenin’i Joseph smith, Matio 16:26 ; Lioka 9:23; 2 Nefia 9:18). Midika ihany koa izany fa afaka maneho ny fahavononantsika hiaritra sy hahafoy tena isika rehefa manaraka ny Mpamonjy.

  • Inona tamin’ireo nosoratan’i Jakoba no mety handrisika anao? Inona no antony hafa azonao eritreretina hanasana ny hafa hanatona an’i Kristy?

Hevero ny hanontany ny mpianatra hoe inona amin’ireo andian-teny ao amin’ireo andininy ireo no ilan’izy ireo fanampiana ny fanakarana azy. Asao hifanampy ny mpianatra.

Azonao atao ny manome ireo fanazavana hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” rehefa ilaina.

  • Inona no azontsika ianarana amin’ny ohatra nasehon’i Jakoba ao amin’ireo andininy ireo?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i jakoba ny hoe ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy sy ny fanjakany dia afaka mandrisika antsika hiasa amim-pahazotoana mba hanampy ny hafa hanatona Azy.

Mety hanampy ny mpianatra ny fandrenesana ny vitsivitsy amin’ireo naman’izy ireo mizara ny valin-teniny amin’ity tari-dresaka ity .

Saintsaino ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ary eritrereto ireo fahamarinana tianao ho fantatry ny hafa momba Azy.

Ity manaraka ity dia azon’ny mpianatra atao sahanasa tanterahina anatina vondrona, toe-javatra ikaonan-doha izay ahafahan’izy ireo manampy olona iray hanatona an’i Kristy.

Makà fotoana hieritreretana momba ny zavatra mety hataonao mba hiasana amim-pahazotoana mba handresena lahatra ny hafa hanatona an’i Kristy. Soraty ireo toe-javatra izay mety hanananao fahafahana hanaovana izany. Soraty eo akaikin’ny toe-javatra tsirairay ny fomba mety hahafahanao manampy ny hafa ao anatin’izany sehatra izany hahafantatra sy hitia an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampiasa ireto ohatra manaraka ireto sy manampy hafa:

  1. Any an-trano

  2. Miaraka amin’ny namana iray

  3. Amin’ny tamba-jotra sosialy

  4. Amin’ny antsonao na amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanompoana

Ireo mpianatra dia mety hahazo tombony amina fifanakalozan-kevitra ataon’ny iray kilasy momba ny fomba ahafahan’ny antso ananan’izy ireo na mety hangatahina hotanterahin’izy ireo, manampy azy ireo hitondra ny hafa ho ao amin’i Kristy. Azon’izy ireo atao ny mametraka fanontaniana ananan’izy ireo momba ny fanompoana na mizara torohevitra momba ny fanompoana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo.

Hevero ny hizara zavatra iray niainanao nanampianao olona iray hanatona an’i Kristy.

Azonao atao ihany koa ny mandefa horonan-tsary maneho ohatra. Misafidiana iray amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto na hafa azonao ampiasaina.

Diffusion 2021: Aimer, faire connaître et inviter” (54:06) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 1:35

Histoires de membres : Jeunes et jeunes adultes” (5:08)

Rehefa mieritreritra fomba hanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy ianao, dia afaka mahazo hery avy amin’ireo fampanantenana sy torohevitra ao amin’ny soratra masina.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:6; 18:15–16 mba hahitana ny zavatra nampanantenain’ny Tompo ireo izay manampy ny hafa hanatona Azy.

Vakio ny Almà 31:34–35 mba hianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Almà tamin’ny faniriana hanampy amin’ny fitarihana ny Zôramita hankamin’i Kristy.

  • Oviana no nahafahanao nanampy olon-kafa hianatra momba an’i Jesoa Kristy?

  • Iza no olona iray tianao hasaina hanatona an’i Kristy? Inona no azonao atao mba hanasana azy ireo? Ahoana no ahafahanao miantehitra amin’ny Mpamonjy mba hanampy anao?

Hamoaka printy