Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:8–9—“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo”


“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:8–9— -Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:8–9,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:8–9

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo”

Sary
Zatovo mivavaka

Tao amin’ny lesona iray tany aloha, ny “2 Nefia 32:8–9,” dia nianatra ianareo fa raha mivavaka mandrakariva isika, dia hanamasina ny asantsika mba hitondra fiadanana ho an’ny fanahintsika ny Ray any An-danitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 32:8–9, sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Mamporisika ny mpianatra hivavaka. Amporisiho ny mpianatra hivavaka isan’andro mba haneho fankasitrahana avy ao am-po sy hikatsaka fanampiana amin’ny andro mahory (jereo ny 3 Nefia 18:19). Hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa ny mpianatra rehefa mahatakatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny vavaka.

Fiomanan’ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hijery fotoana teo amin’ny fiainan’izy ireo na fiainan’ny olona iray fantatr’izy ireo, izay nanampian’ny vavaka tamin-kitsimpo azy ireo hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona “2 Nefia 32:8–9,” izay lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 2 Nefia 32:8–9. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Ampio ny mpianatra hanao tsianjery ny toko sy andininy ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny 2 Nefia 32:8–9. Amporisiho ny mpianatrao hihevitra ny hitadidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana betsaka araka izay azon’izy ireo atao fa aza takina ny hanaovany izany. Afaka manampy azy ireo amin’ny fanaovana tsianjery ny application Maîtrise de la doctrine.

Avereno jerena ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana “2 Nefia 32:8–9” ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina hoe “Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.” Mamoròna tantara fohy mba hampifandraisana ireo tarehimarika ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity amin’ny andian-teny manan-danja—ohatra, “Nivavaka 32 ora isan’andro i Addi.” TSY MANINONA raha tsy lôjika ny zavatra foroninao. Ny tanjona dia ny hanampy anao hampifandray ny toko sy andininy amin’ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Ampio ny mpianatra hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny 2 Nefia 32:8–9. Ataovy azo antoka fa omena fahafahana hizatra hanazava fotopampianarana ny mpianatra tsirairay. Raha miasa tsiroaroa ny mpianatra, dia ho afaka hanao fampiharana ny mpianatra rehetra kanefa tsy maka fotoana be loatra amin’ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny mampiasa ireto rafi-tantara sy torolalana manaraka ireto na mampiasa rafi-tantara iray namboarinao na noforoninao.

Alaovy sary an-tsaina hoe miresaka amina namana iray izay tsy mahatsapa ho mendrika hivavaka ianao. Mampiasà andian-teny avy ao amin’ny 2 Nefia 32:8–9 mba hanampiana azy hahatakatra ny antony ilantsika ny mivavaka mandrakariva. Ampidiro ao amin’ny fanazavanao izay heverinao fa dikan’ny hoe mivavaka mandrakariva.

Fizàrana mampihatra

Ampisehoy ny mpianatra na asao izy ireo hampatsiahy ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Asao ireo mpianatra hisafidy fitsipika iray ary hanoratra betsaka araka izay tadidin’izy ireo momba izany ao anatin’ny iray minitra. Mba hahitana izay zavatra hafa mbola azon’izy ireo ampiana, dia azon’izy ireo atao ny mampitaha ny zavatra nosoratan’izy ireo amin’ny an’ny mpianatra iray hafa izay namerina nijery ilay fitsipika, na azon’izy ireo atao ny mampitaha izany amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Rehefa vita ny famerenana mijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy, dia asao ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fanahiana na fanontaniana mety hananan’ny olona momba ny fivavahana amin’ny Ray any An-danitra. Avy eo dia ataovy misafidy iray ny tsirairay amin’izy ireo ka hizatra ny hampiasa ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanomanana valiny amin’ilay fanahiana. Raha ilaina dia azonao atao ny mampiditra ireo fanontaniana izay tonga aty aoriandrianan’ny lesona mba hanampy anao hitarika ny mpianatra amin’ny fandalinan’izy ireo.

Ho solon’izany dia azonao atao ny mampiasa ny iray amin’ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hanao fampiharana.

  1. Asao ny mpianatra hisafidy iray amin’ireo fanamby voatanisa eny amin’ny solaitrabe ary hamorona rafi-tantara-na zatovo iray miatrika izany fanamby izany. Azon’ny mpianatra atao ny manome anarana io olona io, manome antony iray tsy ivavahany ary mampiditra antsipiriany mifandray amin’izany.

  2. Zarao ity rafi-tantara manaraka ity ary asao ny mpianatra hampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hamaliana ny hoe: Misy namanao iray mandefa hafatra aminao izay milaza hoe: “Teo am-pihainoana ny lahateny tao am-piangonana aho dia tsapako fa raha tokony hanampy ahy hifandray amin’ny Ray any An-danitra ny vavaka ataoko, dia tsy izay no mitranga fa lasa zavatra mahazatra izany. Tsy mahatsapa hoe mahazo valiny amin’ny vavaka ataoko intsony aho. Manomboka manahy ny amin’ny fahatsapan’ny Ray any An-danitra ny momba ahy aho. Tiako hiverina indray izany fifandraisana izany. Nanantena aho fa afaka miresaka isika rahampitso maraina ary angamba ianao afaka ny hanampy ahy hamantatra ny tokony hatao.”

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona avy no loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra ampiasainao hoenti-mamaly?

Mampiasà loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra anankiray mba hanampy anao hanomana valiny. Azonao atao ny mandefa hafatra amina ray na renim-pianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana iray hangatahana fanampiana miaraka amin’izay mety ho valiny. Azonao atao ihany koa ny mizaha ny soratra masina na fitaovana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Raha misy fanahiana dia mety hanampy ity fanambarana nataon’ny Filoha Brigham Young (1801–1877) ity:

Tsy maninona na mahatsapa te hivavaka na tsia izaho na ianao, fa rehefa tonga ny fotoana hivavahana dia mivavaha. Rehefa mahatsapa tsy te hanao izany isika dia tokony hivavaka mandra-pananantsika fahatsapana ny hanao izany. (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Brigham Young [1997], 45)

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka mifandray amin’io fanontaniana na fanahiana io?

  • Inona avy ireo fahamarinana mandrakizay avy ao amin’ny 2 Nefia 32:8–9 afaka manampy ny olona iray amin’io fanontaniana na fanahiana io?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no mety ho sosokevitra arosonao hataon’io olona io mba hanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy? Nahoana?

  • Inona no mety hanasanao io olona io mba hotadidiany ka afaka hanampy azy hanao asa amim-pinoana?

Asao ny mpianatra mba hifanakalo hevitra amin’ny fomba nanampian’ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy azy ireo hanome valin-teny. Amporisiho izy ireo hampiasa ireo fitsipika ireo amin’ny hoavy rehefa misy fanontaniana na fanahiana mitranga amin’izy ireo na amin’ny hafa.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Mandritra ny lesona manaraka, mandania tsy mihoatra ny dimy minitra hamerenana mijery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “2 Nefia 32:8–9: -Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.-” Fomba iray entina manao famerenana ny mampiseho sarin’olona iray mivavaka ary mangataka ny mpianatra hampatsiahy ny andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina rehefa mijery ilay sary izy ireo.

Hamoaka printy