Seminera
Jakoba 2:22–35: Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena


“Jakoba 2:22–35: Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Jakoba 2:22–35,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Jakoba 2:22–35

Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

Sary
zatovovavy

Miala amin’ny fenitry ny fahadiovam-pitondrantena izao tontolo izao, saingy ny fenitry ny Tompo amin’ny fahadiovana ara-nofo dia tsy miova. Rehefa avy nahazo ny iraka hataony avy amin’ny Tompo i Jakoba, dia nampianatra ny olony momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izy. Mbola mihatra ny fampianaran’i Jakoba ankehitriny. Afaka manampy anao ho finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena tahaka ny Tompo ity lesona ity.

Mivavaha mba hahatakarana ny zavatra ilain’ny mpianatra. Ao anatin’ny ezaka ataonao mba hifantoka amin’ny mpianatra tsirairay, dia mivavaha ho an’ny mpianatra amin’ny anaran’izy ireo. Angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahatakatra ny zavatra ilain’izy ireo sy ireo fomba azonao ampianarana ka hahavaly ireo zavatra ilaina ireo. Henoy ireo bitsika voarainao izay mifono hevitra momba ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatra tsirairay.

Fiomanan’ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanontany ny ray aman-drenin’izy ireo na mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana momba ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fankatoavana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Azonao atao ihany koa ny mifandray amin’ny ray aman-dreny mba hampahafantarana azy ireo fa hianatra momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny mpianatra mba hahafahan’ny ray aman-dreny manohy ny fifanakalozan-kevitra any an-trano raha tian’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fampitandreman’i Jakoba

Hevero ny hanao kisary mitovitovy amin’ny ohatra etsy ambany eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia manolora fanasana hanao fifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny fampiasana fanontaniana tahaka ireo izay hita aorian’ilay kisary.

ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Tabilaon’ny fenitra
  • Ahoana no hamaritanao ny zavatra asehon’io kisary io momba ny fenitry ny Tompo sy ny fenitr’izao tontolo izao?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahitanao ny fenitr’izao tontolo izao ho manalavitra ny fenitry ny Tompo?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara fomba iray analaviran’izao tontolo izao ny fenitry ny Tompo:

Mitaky finoana ny miaina ao anatin’ny fahadiovam-pitondrantena rehefa manindrahindra izao tontolo izao fa efa lany andro ny lalàn’ Andriamanitra momba ny fahadiovam-pitondrantena. (Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 104)

  • Inona no ohatra maneho izany izay hitanao?

Raha manana fanontaniana mombana fitondrantena manokana mahakasika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny mpianatra, dia amporisiho izy ireo hitady valiny amin’ny alalan’ny firesahana amin’ny ray aman-drenin’izy ireo na mpitarika ao amin’ny fiangonana sy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ireo fampianaran’ireo mpaminany velona. Aoka ianao haneho fahatakaran-tsaina an’ireo mpianatra izay mety ho efa nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ampahatsiahivo azy ireo ny herin’ny Tompo mamela heloka ary amporisiho izy ireo hiresaka amin’ny evekan’izy ireo.

Aoka ianao haneho fahatakaran-tsaina an’ireo mpianatra izay mety ho niharana herisetra. Raha toa ka ohatra ny miresaka aminao mombana fahatafidirana amina fanararaotana atao amin’ny tenany manokana na ao amin’ny fianakaviana ny mpianatra iray, dia hazavao fa takina hanao tatitra ny fiampangana rehetra ianao. Aoka ianao hanana faharetana, hahay hipetraka eo amin’ny toeran’izy ireo, hampahery ary amporisiho hiresaka amin’ny evekany izy ireo. Raha mitatitra fanararaotana ny mpianatra iray, dia mifandraisa amin’ny laharana manolotra fanampiana izay an’ny Fiangonana na ny mpanolotsaina mikasika ny lalàna eo amin’ny faritra misy anao.

Mazava ary tsy miova ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny Tompo. “Ny fahadiovam-pitondrantena dia fahadiovana ara-nofo. Ireo izay madio ara-pitondrantena dia madio ao amin’ny eritreritr’izy ireo, ny fitenin’izy ireo ary ny fihetsik’izy ireo. Ny fahadiovam-pitondrantena dia midika ho tsy fanaovana firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana. Midika ho fanehoana fahatokiana tanteraka amin’ny vady mandritra ny fanambadiana ihany koa izany” (Sujets de l’Évangile, “Chasteté”).

Rehefa mandalina ny Jakoba 2 ianao, dia tadiavo ny fahatsapan’ny Mpamonjy momba ny fahadiovam-pitondrantena.

Tia ny olony i Jakoba. Tamin’ny alalan’ny herin’ny Tompo dia fantatr’i Jakoba ny eritreritry ny olona sy ny faharatsian’ny fon’izy ireo (jereo ny Jakoba 1:15; 2:5–6). Fantany fa “nanomboka niaina tao amin’ny fahotana izay miharihary fa fahavetavetana… amin’ Andriamanitra” izy ireo (Jakoba 2:5). Rehefa avy nampitandrina ny Nefita momba ny fahotana avy amin’ny avonanavona i Jakoba (jereo ny Jakoba 2:12–21), dia nampitandrina ny Nefita momba ny “heloka iray makadiry kokoa [na goavana kokoa]” (Jakoba 2:22) izay nosaintsainin’ny olony izy.

Vakio ny Jakoba 2:22–24, hitadiavana ny fomba namaritan’i Jakoba io ota goavana kokoa io. (Ny fijangajangana dia rehefa manao firaisana ara-nofo amin’ny olona iray ankoatra ny vadiny ny olona iray.)

ChurchofJesusChrist.org

  • Inona no anjara asan’ny eritreritsika eo amin’ny fankatoavantsika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena (jereo ny Matio 5:28)?

Finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena ny Tompo.

Ny sasany tamin’ireo lehilahy Nefita dia nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena tamin’ny alalan’ny fakana vady mihoatra ny iray, rehefa nomelohin’ny Tompo talohan’ny nialan’i Lehia tany Jerosalema io fomba io (Jakoba 2:34). Saintsaino ny zavatra ataonao eo amin’ny fiainanao hanoherana fakam-panahy izay mifandray amin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Vakio ny Jakoba 2:25–28 hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Jakoba ny Nefita mba hanampiana azy ireo hanohitra ny fakam-panahy hanao fahotana ara-piraisana ara-nofo.

  • Ahoana ny fomba fijerin’ny Tompo ny fahadiovam-pitondrantena?

Ampio ny mpianatra hitady ilay fahamarinana hoe finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena ny Tompo. Mety hahazo tombony amin’ny fanasiana marika ilay fahamarinana ao amin’ny andininy 28 ny mpianatra.

I Jakoba dia niresaka tamina lehilahy izay ny ankamaroany dia nandresy lahatra vehivavy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Noho izany izy dia niresaka momba ny hoe finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny vehivavy ny Tompo. Finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny zanany rehetra ny Tompo, na lehilahy na vehivavy.

Omeo tahadikan’ny Ho zatovo mahery (kiboky, 2022) ny mpianatra tsirairay na ampio hitady izany amin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika izy ireo. Asaivo mamaky ny fizarana ao amin’ny “Masina ny vatanao” samirery amim-pahanginana izy ireo, ka hitady ny antony mahatonga ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena tokony hahatonga ny tena ho finaritra ny tena.

ChurchofJesusChrist.org.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena ny Tompo?

  • Inona no mety ho porofo eo amin’ny fiainan’ny olona iray izay maneho fa finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena izy?

  • Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay anampian’ny fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena antsika ny mba hananana azy?

Vakio ny Jakoba 2:31–35 hitadiavana ny fiantraikan’ny safidy mifono faholotoam-pitondrantena nataon’ny Nefita tamin’ny fianakavian’izy ireo.

  • Inona avy no olana miseho rehefa tsy mijery ny fahadiovam-pitondrantena amin’ny fomba ijeren’ny Tompo izany isika?

  • Ahoana no mety hiovan’izao tontolo izao raha mijery ny fahadiovam-pitondrantena amin’ny fomba fijerin’ny Tompo izany avokoa ny rehetra?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fahazoana fahafinaretana amin’ny fahadiovam-pitondrantena miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ny Tompo sy ny hafa?

Sary
tempoly

Iray amin’ireo fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny hoe “Moe ve ianao mankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?”

Asao hisaintsaina mangina ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra:

  • Inona avy no eritreritra sy fahatsapana anananao rehefa mieritreritra ny hamaliana izany fanontaniana izany amin’ny evekanao ianao?

  • Inona no azonao atao mba hahafahan’ny Tompo ho finaritra ny amin’ny fahadiovam-pitondrantenanao?

Saintsaino ny zavatra ataonao mba hiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fiantraikan’izany tsara eo amin’ny fiainanao. Raha nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ianao, dia miresaha amin’ny evekanao. Afaka manampy anao hibebaka izy. Te hamela ny helokao ny Mpamonjy. Afaka mahita famelan-keloka, fiadanana, fanasitranana, ary tanjaka hiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ianao ao Aminy.

Ny ampahany manaraka amin’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fampianaran’i Jakoba momba ny fampakarana vady maro.

Ireo fampianaran’i Jakoba momba ny fampakarana vady maro

Rehefa avy nampianatra ny olony tsy hanambady mihoatra ny iray ao anatin’ny fotoana iray i Jakoba (jereo ny Jakoba 2:27), dia nohazavainy ireo fepetra mety hanomezan’ny Tompo lalana ny ffampakarana vady maro (jereo ny Jakoba 2:30).

  • Inona no zavatra nampianarin’i Jakoba momba ny fampakarana vady maro ao amin’ny andininy 30?

Tsy mahazo lalana ny fampakarana vady maro raha tsy rehefa didin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny ihany, dia ny Filohan’ny Fiangonana izany, fa tsy amin’ny alalan’olon-kafa na iza na iza (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:45–48). Nisy fotoana sy toerana teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao izay nandidian’ny Tompo ny olony mba hanao fampakarana vady maro. Ohatra, ny fampakarana vady maro dia nataon’i Abrahama, i Saraha, ary i Hagara (jereo ny Genesisy 16:1–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34–35). I Jakoba zafikelin’i Abrahama ihany koa dia nanao fampakarana vady maro (jereo ny Genesisy 29–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:37). Nisy fotoana nampiharana izany nandritra ny fanombohan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny, nanomboka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Tsy ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana intsony ny fampakarana vady maro (jereo ny Fanambarana Ôfisialy 1).

Hamoaka printy