Seminera
Almà 8: Mihaino sy mankatò ny Ray any An-danitra


“Almà 8: Mihaino sy mankatò ny Ray any An-danitra,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 8,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 8

Mihaino sy mankatò ny Ray any An-danitra

Sary
I Almà sy i Amioleka

Mety ho sarotra ny mankatò ny Ray any An-danitra, saingy mitondra mankany amin’ilay fahasambarana lehibe indrindra izany. Rehefa nampihatra finoana i Almà sy i Amioleka ary nanaraka ny toromarik’ Andriamanitra, dia nitahy azy ireo sy ireo nanodidina azy ireo Andriamanitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao handre sy hankatò ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainanao.

Ampio hahatsapa ny mpianatra fa manan-danja ny fandraisan’izy ireo anjara. Ny fihainoana dia mitaky ny mpampianatra mba mifantoka bebe kokoa amin’ny filan’ny mpianatra fa tsy izay manaraka ao amin’ny drafitry ny lesona. Mivonòna hamela izay zavatra nomaninao rehefa bitsihan’ny Fanahy ary henoy ny hevitry ny mpianatra. Ampahafantaro azy ireo amin’ny alalan’ny teninao sy fihetsikao fa mazoto hihaino azy ireo ianao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hivavaka ny mpianatra ary hanontany ny Ray any An-danitra ny zavatra tiany hataon’izy ireo mba hanarahana Azy feno kokoa.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Manaraka ny Ray any An-danitra

Raha toa ka manan-danja kokoa amin’ny mpianatra izany noho ny ohatra eo ambany, dia atombohy amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hizara zava-tsarotra mety hangatahin’ny Tompo hataon’izy ireo.

Eritrereto ny mety ho fahatsapana anananao raha angatahin’ny Ray any An-danitra hanao ity manaraka ity ianao sy ny antony mety hahatsapanao toy izany:

  • Mizara ny filazantsara amin’ny olona iray izay efa nandà ny fanasanao tany aloha.

  • Maka namana sy manampy olona iray ao amin’ny sekoly misy anao izay tsy tian’ny olona na ailikilika.

    Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny mety ho fahatsapany sy ny anton’izany.

  • Inona avy no didy hafa na bitsika mety homen’ny Ray any An-danitra antsika ka mety ho sarotra ekena sy ankatoavina? Nahoana no mety ho tena sarotra ireny toe-java-misy ireny?

Ao amin’ny toko hohalalininao anio Andriamanitra dia nanome toromarika an’i Almà hiatrika toe-javatra mitovitovy amin’ilay rafi-tantara voalohany eo ambony, ary i Amioleka dia niatrika toe-javatra mitovitovy amin’ilay faharoa. Makà fotoana hisaintsainana raha misy didy na bitsika avy amin’ Andriamanitra ka sarotra aminao ny mankatò azy. Rehefa mandalina ianao, dia tadiavo ny fomba nandresen’i Almà sy i Amioleka ny fanamby natrehin’izy ireo sy nanarahan’izy ireo ny didin’ Andriamanitra. Mikatsaha fanampian’ny Ray any An-danitra mba hahalalana ny fomba ahafahanao mihaino sy manaraka Azy tsara kokoa.

Mety hanampy ny mpianatra ny fiarahan’izy ireo miasa amina mpiara-mianatra iray hamaky sy hizara ny tantaran’i Almà sy i Amioleka araka ny ilazana izany eo ambanina lohateny misaraka eo ambany. Na asao hamaky ny tantaran’i Almà ny antsasaky ny mpianatra ary ny antsasany hamaky ny tantaran’i Amioleka. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny miara-miasa amina mpiara-mianatra iray izay namaky ilay tantara hafa ary hifanazava ny zavatra novakin’izy ireo. Asehoy ireo fanontaniana miaraka amin’izany mba hahafahan’ny mpianatra mijery azy ireo rehefa mamaky.

Ny zavatra niainan’i Almà

Vakio ny Almà 8:8–18, hitadiavana ny zavatra nangatahin’ Andriamanitra hataon’i Almà sy ny antony mety ho nahasarotra izany taminy. Miezaha maka sary an-tsaina ilay zava-nitranga rehefa mamaky azy ireo ianao. Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Nafahana tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra i Almà sy Amioleka” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:36 hatramin’ny 2:22, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ary araho ao amin’ny soratra masinao izany.

  • Inona avy no andian-teny ao amin’ny andininy 14 manondro ny fahatsapan’i Almà rehefa nandray io didy io izy?

  • Inona no andian-teny ao amin’ny andininy 18 milazalaza ny fotoana lanin’i Almà nankatoavana izany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nankatò haingana be i Almà na dia teo am-pahatsapana alahelo aza?

Ny zavatra niainan’i Amioleka

Vakio ny Almà 8:19–21; 10:4–11 mba hahitana ny zavatra nitranga manaraka. (Mety hanampy raha fantatra fa i Amioleka dia nitantara ny zavatra niainany ao amin’ny Almà 10:4–11.) Miezaha maka sary an-tsaina ilay zava-nitranga rehefa mamaky azy ireo ianao. Azonao atao ny manohy mijery ilay horonantsary hoe “Nafahana tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra i Almà sy Amioleka” manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:22 hatramin’ny 4:03, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona no ianarantsika momba an’i Amioleka ao amin’ny Almà 10:4–6? Nahoana no mety ho nahasarotra taminy ny fankatoavana an’ Andriamanitra ireny antony ireny?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nanohy nanatona an’i Amioleka ny Ray any An-danitra na dia tsy nankatò aza izy tany amin’ny lasa?

Vakio ny Almà 8:26–32 mba hahitana ny fomba nitahiana an’i Almà sy i Amioleka noho ny zavatra nataon’izy ireo.

  • Inona avy no fitsipika nianaranao avy amin’ny tantaran’i Almà sy i Amioleka?

Mihainoa rehefa mizara ny mpianatra. Soraty eo amin’ny solaitrabe izay mety ho fitsipika rehetra. Anontanio ny antony maha zava-dehibe ny fahatakarana ireo fitsipika ireo. Ampiasao ny tenin’ny mpianatra mba hanoratana eny amin’ny solaitrabe ny fitsipika mitovitovy amin’ilay anankiray etsy ambany.

Iray amin’ireo fitsipika mety ho hitanao ny hoe rehefa mihaino sy mankatò ny Ray any An-danitra isika, dia mitahy antsika sy ny hafa Izy. Misy fomba isan-karazany ahafahantsika mandre ny tenin’ Andriamanitra. Ohatra, i Almà sy i Amioleka dia samy nandre ny tenin’ Andriamanitra avy tamin’ny anjely iray.

Mety hanampy raha ifanakalozana hevitra amin’ny mpianatra ireo fomba samihafa ahafahantsika mandre ny tenin’ Andriamanitra. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ny hoe “Fanambarana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Mihaino Azy

Ny sahanasa etsy ambany dia natao hanampiana ny mpianatra handresy ireo sakana mety hatrehin’izy ireo amin’ny fihainoana sy fankatoavana an’ Andriamanitra. Mety ho tsara kokoa izany raha atao fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny iray kilasy na anatina vondrona kely. Azon’ny mpianatra atao ny mizara hevitra sy manao lisitra izany eny amin’ny solaitrabe. Amporisiho hametraka fanontaniana sy hifanampy amin’ny fitadiavana valiny ny mpianatra. Ao anatin’io sahanasa io dia azonao atao ny mandroso na mampiasa ny hevitra eo ambany.

Hoy i Amioleka: “Nantsoina imbetsaka aho ary tsy te hihaino” (Almà 10:6). Efa nisy fotoana tsy nihainoan’i Almà an’ Andriamanitra ihany koa tany aloha teo amin’ny fiainany (jereo ny Môzià 27:8).

Alaivo sary an-tsaina hoe misy olona iray fantatrao manana olana amin’ny fihainoana sy fankatoavana an’ Andriamanitra. Makà minitra vitsy hiaraha-mandinika ny zavatra mety ho afaka mandrisika izany olona izany hatoky ny Tompo. Ireto manaraka ireto no mety ho hita ao anatin’izany:

  • Ny ohatra momba ny fankatoavana nasehon’i Almà sy Amioleka

  • Ohatra momba ny fankatoavan’ny Mpamonjy ny Ray

  • Tantara hafa ao amin’ny soratra masina izay nihainoan’ny olona iray sy nankatoavany an’ Andriamanitra

  • Fitahiana niainanao rehefa niezaka nankatò an’ Andriamanitra ianao

Hevero ny hijery ilay horonan-tsary hoe “Ny Finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy” manomboka amin’ny mari-potoana 1:40 hatramin’ny 4:25, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ao amin’io horonan-tsary io, ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia milazalaza mombana zatovolahy iray izay nanao zavatra tamim-pahatokiana sy tamim-pankatoavana tamina bitsika iray azony nandritra ny fotoana nampiahiahy azy.

Manasà mpianatra maromaro hizara ny eritreritr’izy ireo. Hevero ny hizara ihany koa ireo eritreritrao.

Makà fotoana hiraketana izay rehetra fahatsapana mety ho azonao tamin’ny Ray any An-danitra. Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanaovana zavatra araka ireo fahatsapana ireo. Mety ho hita ao anatin’izany ny fanoloran-tena hankatò didy manokana na bitsika sy ny dingana rehetra tokony hataonao. Raha sarotra ny mankatò ireo didy ireo, dia hevero ny hivavaka mba hanampian’ny Ray any An-danitra anao.

Asao hizara ny zavatra tian’izy ireo hotsaroana avy amin’ny ohatra nasehon’i Almà sy i Amioleka ny mpianatra.

Zarao amin’ny mpianatrao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa hanampy azy ireo ny Ray any An-danitra rehefa miezaka mihaino sy mankatò Azy izy ireo.

Hamoaka printy