Seminera
Almà 12: Fo mafy na malemy


“Almà 12: Fo mafy na malemy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 12,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 12

Fo mafy na malemy

Almà sy Amioleka ary Zezrôma

Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe manana fo mafy na fo malemy amin’ny Tompo? Rehefa nanomboka nametraka fanontaniana tamin-kitsim-po tamin’i Almà sy i Amioleka i Zezrôma dia nampianatra i Almà fa ireo izay tsy manamafy ny fony no afaka mianatra ny zavatr’ Andriamanitra. Nampianatra ny drafitry ny fanavotana i Almà ary namporisika ny olona hanombana ny fon’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanombana ny fonao sy ny fahavononanao handray ny tenin’ Andriamanitra.

Amporisiho hisaintsaina ny mpianatra. Omeo fotoana hisaintsainana ny zavatra ianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany ny mpianatra. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ny fomba anehoana ny heriny ao amin’ny soratra masina sy eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanome ny mpianatra tsirairay ny tahadika anankirain’ny fanombanan-tena ao amin’ity lesona ity. Asao izy ireo hanombana ny tenan’izy ireo sy hisaintsaina ny fiantraikan’ny valin-tenin’izy ireo amin’izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Mampitaha ny fo amin’ny tanimanga

Hevero ny hangataka mpianatra roa hanao zavatra iray amin’ny tanimanga ao anatin’ny iray minitra. Raha azo atao, omeo tanimanga malemy ny mpianatra iray ary omeo tanimanga maina na mafy ny anankiray hafa. Raha misy tanimanga betsaka, dia azonao atao ny manome kelikely avy ny mpianatra tsirairay hanaovana io sahanasa io.

  • Inona no fiantraikan’ny fampiasana tanimanga malemy na mafy amin’ny fahafahanao manome endrika izany?

Hevero ny hanao fo tahaka ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe.

sarina fo mafy sy fo malemy voasoritra amin’ny tsipitsipika

Manaova sarina fo roa ao amin’ny diary fandalinanao, ka asio soratra hoe “fo mafy” ny iray ary “fo malemy” ny iray. Mety hanampy ny fahafantarana fa ao amin’ny soratra masina ny fo dia matetika no tandindon’ny “saina sy finiavan’”ny olona iray (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fo,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Ampitahao amin’ny tanimanga ny fontsika ary ny Tompo amin’ny olona mamolavola izany. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia katsaho ny fanampian’ny Tompo mba hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no dikan’ny hoe manana fo mafy na fo malemy? Nahoana no zava-dehibe ny toetran’ny foko?

  • Amin’ny lafiny inona no ananako fo mafy na fo malemy?

  • Raha mafy ny foko dia ahoana no ahafahako mikatsaka ny fanampian’ny Tompo hanalefaka azy?

Mety hanampy raha atao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo mba hahafahan’ny mpianatra manoratra ny valin-tenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo mandritra ny lesona. Tsy tokony hantenaina hamaly ireo fanontaniana ireo ny mpianatra amin’izao tapany amin’ny lesona izao.

Rehefa mianatra ianao, dia hevero ny hanoratra fanamarihana eo ambanin’ny fo tsirairay nataonao ao anatin’ny diary fandalinanao.

Fo mafy sy fo malemy

Rehefa manomboka miara-mandalina ny Almà 12 ianareo, dia mety hanampy raha anontaniana ny zavatra tadidin’izy ireo momba an’i Zezrôma sy ny fifandraisany tamin’i Almà sy Amioleka ny mpianatra.

I Zezrôma sy ny hafa dia niezaka namitaka sy nanimba ny lazan’i Almà sy Amioleka tamin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana izay natao hamandrihana azy ireo (jereo ny Almà 11:21). Namaly tamin’ny alalan’ny Fanahy i Amioleka, sady nijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Fitsarana Farany (jereo ny Almà 11:26–46). Nanazava i Almà fa nahafantatra ny fitak’i Zezrôma tamin’ny alalan’ny Fanahy izy sy i Amioleka (jereo ny Almà 12:3–6).

Vakio ny Almà 12:7–8 hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’i Zezrôma.

  • Inona no andian-teny milaza aminao fa niova i Zezrôma?

  • Inona araka ny eritreritrao no fahasamihafana nentin’ny toe-tsain’i Zezrôma teo amin’ny fahafahany mandray valiny?

Satria te hahalala mafy momba ny Fitsarana Farany i Zezrôma, dia nampiasain’i Almà io fahafahana io mba hampianarana momba ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fanavotana. Na izany aza dia nampitandrina an’i Zezrôma aloha i Almà fa nila mahitsy teo anatrehan’ Andriamanitra ny fony.

Rehefa mamaky ny Almà 12:9–11 ianao dia asio marika ny teny na andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny zavatra mitranga noho ny toetran’ny fontsika. Mety hanampy ny mahafantatra fa “ny misterin’ Andriamanitra dia ireo fahamarinana ara-panahy tsy hay fantarina afa-tsy amin’ny alalan’ny fanambarana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Misterin’ Andriamanitra,” scriptures.churchofJesusChrist.org).

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany. Soraty eny amin’ny solaitrabe izay fitsipika rehetra zarain’izy ireo.

Ny fitsipika roa mety ho hitanao dia ny hoe (1) raha tsy manamafy ny fontsika isika ary mihaino am-pahazotoana ny tenin’ Andriamanitra, dia afaka ny ho tonga amin’ny fahalalana ny misterin’ Andriamanitra isika sy ny hoe (2) raha manamafy ny fontsika isika, dia handray kelikely kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra isika mandrapahatongantsika ho tsy mahalala na inona na inona momba ny misterin’ Andriamanitra. Hevero ny hanoratra ny fahamarinana tsirairay eo akaikin’ny fo izay nataonao sary ao amin’ny diarinao.

Mba hahazoana fahatakarana lehibe kokoa momba ny dikan’ny hoe mafy fo na ny zavatra azontsika atao mba hanalefahan’ny Tompo ny fontsika, dia vakio ny sasany amin’ireto andininy ireto. Eo akaikin’ny fo mifandray amin’izany ao amin’ny diary fandalinanao dia soraty ny zavatra ianaranao na ny andian-teny manan-danja avy amin’ireo andininy ireo sy ireo andininy novakinao tao amin’ny Almà 12:7–11.

Asao ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ireo fo roa ny zavatra nianaran’izy ireo na andian-teny avy ao amin’ireo andininy ireo. Eo akaikin’ilay fo malemy dia azon’ny mpianatra aroso ny sasany amin’ireto hevitra manaraka izay mitondra mankany amin’ny fo malemy ireto: “mitalaho amin’ny Tompo” (1 Nefia 2:16); “manadina … amim-pahazotoana” momba ny filazantsara (Almà 12:8); mampiseho “fitandremana sy fahazotoana” amin’ny zavatra omen’ny Tompo antsika (Almà 12:9); ary manao zavatra izay manasa ny Fanahiny ho eo amintsika (jereo ny Almà 24:8).

Asao hifanakalo hevitra momba ny antony maha manan-danja ny toetran’ny fontsika ny mpianatra. Ny fomba iray anaovana izany dia mety hoe ny fanasana mpianatra visivitsy hanolo-tena hamaly fanontaniana ao amina vondrona iray manao fifanakalozan-kevitra. Afaka mipetraka amin’ny seza eny alohan’ny efitrano izy ireo. Hevero ny hanoratra ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe. Azon’ny kilasy atao ny manontany ilay vondrona ireo fanontaniana ireo na hafa mba hifanakalozana hevitra momba ny lanjan’ny toe-pontsika.

  • Mety hanao ahoana araka ny eritreritrao ho an’ny olona iray izany hoe mametraka fanontaniana amin’ny fo mafy izany? Mety hanao ahoana izany hoe mangataka amin’ny fampisehoana “fitandremana sy fahazotoana” (Almà 12:9) amin’ny Tompo?

  • Nahoana isika no alaim-panahy hanamafy ny fontsika indraindray?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka mampisy fahasamihafana eo amin’ny fiainantsika ny toe-pontsika manoloana ny Tompo?

Ny drafi-panavotan’ Andriamanitra

Satria nanomboka nanana faniriana tamin-kitsimpo ny hahatakatra ny fitsanganana amin’ny maty sy ny Fitsarana Farany i Zezrôma, dia nampianatra azy momba ny drafitr’ Andriamanitra momba ny fanavotana i Almà. Nampianariny fa ity fiainana ity dia “fotoana hiomanana hihaona amin’ Andriamanitra” ary nampianatra momba ny anjara asa manan-danja sahanin’ny Mpamonjy amin’ny fandresena ny fahotana sy ny fahafatesana ihany koa izy (jereo ny Almà 12:16–18, 24–28, 33). Notsindriany ny maha zava-dehibe ny tsy hanamafisana ny fontsika.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanakimpy ny mason’izy ireo rehefa manao ity manaraka ity izy ireo.

Makà fotoana hakana sary an-tsaina ny hoe mety hanao ahaona izany mijoro eo anoloan’ Andriamanitra amin’ny Fitsarana Farany izany rehefa avy niaina tao anatin’ny hamafin’ny fo. Alaivo sary an-tsaina ihany koa hoe mety hanao ahoana izany rehefa avy niaina tao anatin’ny halemen’ny fo.

Vakio ny Almà 12:12–15, 33–37, hitadiavana ny fomba ahafahan’ny fonao miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny Fitsarana Farany. Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masinao.

Ny fonao

Ampio hanao tombana manokana ny fon’izy ireo ny mpianatra. Tokony ho zavatra iainana manokana ho an’ny mpianatra tsirairay izany. Azonao atao ny mampiasa ity tombana manaraka ity na afaka mamorona iray anao manokana ianao. Azonao aseho eny amin’ny solaitrabe ny toromarika sy zavatra ambara, ary azon’ny mpianatra atao ny mirakitra an-tsoratra ao amin’ny diarin’izy ireo ny valin-tenin’izy ireo.

Mba hanampiana anao hanombana ny fonao dia valio amina ambaratonga manomboka amin’ny 1 ka hatramin’ny 5 ireto fanontaniana manaraka ireto, ka ny 1 dia midika hoe “tsy marina amiko mihitsy” ary ny 5 dia midika hoe “marina amiko mandrakariva”.

  • Mila ny tari-dalan’ny Ray any An-danitra aho amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainako.

  • Vonona hankatò ny Ray any An-danitra aho.

  • Manaiky fanitsiana aho.

  • Mahatsapa aho fa mila ny fanampian’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainako.

  • Vonona hitodika amin’ny Tompo sy hibebaka aho.

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianaran’izy ireo tato amin’ity lesona ity, dia zarao ity rafi-tantara manaraka ity ary amporisiho hampiasa ny soratra masina amin’ny valin-tenin’izy ireo ny mpianatra.

Alaivo sary an-tsaina hoe nahatsapa ho mafy fo tamin’ny lafiny sasany ny olona iray ary nila ny fanampian’ny Tompo hanalefaka izany. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny zavatra nianaranao androany mba hanampiana azy? Azonao atao ihany koa ny mizara ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy ny zavatra niainanao manokana.

Hevero ny hamarana amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana ato amin’ity lesona ity sy momba ny fahafahan’ny Tompo manalefaka ny fontsika mba handray misimisy kokoa ny teniny.