Seminera
Almà 8–12: Topimaso ankapobeny


“Almà 8–12: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 8–12,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 8–12

Topimaso ankapobeny

Nampihatra finoana i Almà sy Amioleka ary niantso ny vahoakan’i Amônihà hibebaka. Nifanehatra tamin’olona nampiasa fitaka izy ireo hanakanana azy ireo, ary nampahafantarin’ny Fanahy Masina azy ireo izany fitaka izany. Rehefa nanomboka nametraka fanontaniana tamin-kitsimpo tamin’i Almà sy i Amioleka i Zezrôma mpahay lalàna, dia nampianatra i Almà fa ireo izay tsy manamafy ny fony no afaka mianatra ny zavatr’ Andriamanitra. Nampianatra ny drafitry ny fanavotana ihany koa izy ary namporisika ny olona hanombana ny fon’izy ireo.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Almà 8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra handre sy hankatò ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Almà 9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hamantatra sy hahatsiaro ireo fitahiana nomen’ny Tompo azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra haka iray na roa minitra hanoratana ohatra maro amin’ireo fitahiana azon’izy ireo tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Votoatiny haseho: Ilay tabilao mampitaha ny Lamanita amin’ny vahoakan’i Amônihà, na aseho na adika eny amin’ny solaitrabe; ireo fanontaniana eo ambanin’ny lohateny hoe “Inona no nomen’ny Tompo anao?” mba hosaintsainin’ny mpianatra.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Eo am-pamaranana ny lesona dia hevero ny hanasa ny mpianatra hiresaka momba ny vitsivitsy amin’ireo fitahiana azon’izy ireo sy ny fomba iray hiezahan’izy ireo mitadidy izany. Azonao atao ny mametraka mpianatra iray hisahana izany sy manasa azy hiantso mpianatra hafa araka ny filaharana isehoan’izy ireo eo amin’izany efijerin’ny mpianatra izany. Ataovy mazava fa azon’ny mpianatra atao ny mampitapita io fahafahana io raha mahatsapa ho tsy mahazo aina izy ireo. Hevero ny hizara ihany koa ireo eritreritrao.

Almà 10–11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra handray kokoa ny Fanahy Masina mba hahalala ny fahamarinana sy hahafantatra ny fitaka saro-pantarin’ny fahavalo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hisaintsaina fomba mety hiezahan’i Satana mamitaka azy ireo ny mpianatra.

  • Votoatiny haseho: Ilay tabilao mombana fampianaran-diso, na aseho na adika eny amin’ny solaitrabe

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra (tsy voatery hatao): Soratra hovakina mifototra amin’ny Almà 11:26–37, 40–41, omena ny mpianatra roa mba hahafahan’izy ireo mamaky na milalao ny resaka nifanaovan’i Amioleka sy i Zezrôma (Raha misafidy io safidy io ianao dia esory ny andian-teny toy ny hoe: ”Ankehitriny dia hoy i Zezrôma” [Almà 11:28] sy ny hoe “Ary namaly izy” [Almà 11:29].)

  • Horonan-tsary:Mitandrema amin’ny ratsy ao ambadiky ny maso mitsiky” (9:52; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 0:30 hatramin’ny 2:35)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny zavatra niezahan’i Zezrôma hanaovana tsolotra tamin’i Amioleka dia hevero ny hanasa azy ireo hikaroka amin’ny internet mba hahitana hoe ohatrinona no mety ho azon’ny olona iray manana asa be karama toy ny mpahay lalàna ao amin’ny vondrom-piarahamonina misy anao raha miasa enina herinandro.

Almà 12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanombana ny fon’izy ireo sy ny fahavononan’izy ireo handray ny tenin’ Andriamanitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanome ny mpianatra tahadika iray amin’ilay fanombanan-tena ao amin’ity lesona ity. Asao izy ireo hanombana ny tenan’izy ireo sy hisaintsaina ny fiantraikan’ny valin-tenin’izy ireo amin’izy ireo.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tanimanga hovolavolain’ny mpianatra hanaovana zavatra mba hanampiana azy ireo hieritreritra momba ny fo mafy sy fo malemy (ny fanomezana tanimanga maina na mafy ny mpianatra dia mety hanampy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fo mafy sy malemy.)

  • Sary: Sarina fo malemy sy fo mafy eny amin’ny solaitrabe (Azonao atao ny manampy fanamarihana eo amin’ireo sary ireo mandritra ny lesona.)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa mialoha ny mpianatra vitsivitsy hiomana hampiseho zavatra malefaka sy zavatra mafy avy any an-tranon’izy ireo. Angataho ireo mpianatra ireo hanazava ny fomba mety hanampian’ireo zavatra ireo azy ireo hahatakatra ny lanjan’ny fananana fo malemy sy hisoroka ny fihamafisan’ny fon’izy ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanao tsianjery andian-teny manan-danja avy ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary hikatsaka fahatakarana misimisy kokoa amin’ny alalan’ny fametrahana sy famaliana fanontaniana nentanim-panahy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hifantina iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 izay tian’izy ireo ho fantatra misimisy kokoa. Amporisiho izy ireo ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ilay andalan-tsoratra masina nosafidin’izy ireo sy fanontaniana iray farafahakeliny izay tsapan’izy ireo fa mety hanampy azy ireo hahafantatra misimisy kokoa momba izany andalan-tsoratra masina izany.

  • Taratasy zaraina:Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ao amin’ny chat ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nofantenan’izy ireo sy iray amin’ireo fanontaniana noeritreretin’izy ireo. Avy eo dia azonao atao ny mamporisika azy ireo hifamaly ny fanontanian’ny tsirairay.

Hamoaka printy