Seminera
Almà 7:14–27: “Ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra”


“Almà 7:14–27: ‘Ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 7:14–27,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 7:14–27

“Ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra”

Sary
olona mandeha amin’ny lalana mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra

Matetika ny mpaminany no manondro ny “lalana ety sy tery” (2 Nefia 31:19), ny “lalan’ny fanekempihavanana,” na “ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (Almà 7:19). I Almà dia nanaiky fa teo amin’izany lalana izany ny vahoakan’i Gideona ary nampianatra azy ireo ny fomba hanohizana amin’izany sy ho tonga tahaka an’ Andriamanitra kokoa. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao amin’ny ezaka ataonao hahazo toetra tahaka ny an’i Kristy rehefa manaraka ny lalana izay mitondra miverina amin’ Andriamanitra ianao.

Ataovy mahazo vahana ny fahatsapana fitiavana sy fanajana. Amporisiho haneho fitiavana tahaka ny an’i Kristy sy fanekena ny olona tsirairay ao amin’ny kilasy ny mpianatra. Ny fanaovana izany dia afaka mampitony ny fon’ny olona ao amin’ny kilasy izay miady mafy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra toetra tahaka ny an’i Kristy izay tian’izy ireo hampivoarina feno kokoa ary ho tonga efa vonona hizara ny anton’izany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Lalana harahina

Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity (na anankiray mitovitovy aminy) eo am-pametrahana ity fanontaniana manaraka ity.

Sary
lalana any anaty ala mikitroka
  • Inona avy ireo tombony amin’ny fananana lalana harahina?

Hevero ny hijery ilay hoe “Famerenana amin’ny laoniny isan’andro” manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:40 hatramin’ny 3:25 mba hahitana ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manazava ny zava-mitranga amin’ny olona izay mandeha tsy manana lalana na mari-pamantaran-toerana azo antoka. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Rehefa avy naminany tamin’ny vahoakan’i Gideona momba ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany i Almà dia nizara teny fampaherezana tamin’izy ireo.

Vakio ny Almà 7:19–20 mba hahitana ny zavatra nolazain’i Almà momba an’ Andriamanitra, sy ny lalany, ary ny vahoakan’i Gideona.

Hevero ny hanisy marika ilay andian-teny hoe “ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” ao amin’ny andininy 19. Anio ianao dia hianatra misimisy kokoa momba io lalana io.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahanao milaza fa eo amin’ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ianao?

Hevero ny hanao ity sary manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy hanisy lohateny izany hoe “Ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra”. Asao hanao sarin-javatra mitovitovy amin’izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra.

Manaova sary mitovitovy amin’ity manaraka ity ary asio lohateny hoe “Ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra”.

Sary
sary tsipitsipika maneho ny lalana mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra

Matetika ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra no antsoina hoe ilay lalana ety sy tery na ilay lalan’ny fanekempihavanana. Eo amin’izany lalana izany isika rehefa manaraka ny ohatra sy ireo fampianaran’i Jesoa Kristy. Ny fanohizana mandeha amin’izany lalana izany dia hitondra antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny 2 Nefia 31:19–20).

Rehefa mandalina ianao dia saintsaino raha toa ka eo amin’ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra no fahitanao ny tenanao? Mitadiava fampianarana izay manampy anao hahatakatra tsara kokoa io lalana io sy ireo fitahiana omen’ny Tompo anao rehefa manaraka izany ianao.

“Ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra”

Namaritra ny fihetsika azontsika atao izay hitondra antsika miverina eo anatrehan’ Andriamanitra i Almà.

Vakio ny Almà 7:14–16, ary avy eo dia raketo an-tsoratra eo amin’ilay lalana ao amin’ny sarinao na eo akaikiny izany fihetsika izany.

  • Ahoana no nanampian’ireo andininy ireo anao hahatakatra ny dikan’ny hoe eo amin’ny lalana izay mitondra mankany amin’ Andriamanitra?

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana teo aloha. Azon’ireo mpianatra ireo atao rehefa avy eo ny manasa ny hafa izay afaka mankeny hanisy faribolana ny valiny iray eo amin’ny solaitrabe izay toa manan-danja manokana amin’izy ireo. Avy eo ilay mpianatra nanisy faribolana ilay valiny dia azo angatahina hanazava ny antony ahatsapany fa fihetsika manan-danja izay manampy antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra izany.

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa mibebaka isika ka manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy mandray ny ôrdônasin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia manaraka ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Ahoana no anampian’ireo hetsika ireo amin’ny fanomanana antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra?

  • Inona avy no fitahiana mety hiainantsika mandritra ity fiainana ity amin’ny alalan’ny fanarahana ny lalan’ Andriamanitra?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara fitahiana niainan’izy ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fanarahana ny lalan’ Andriamanitra. Azonao atao ihany koa ny mizara ohatra avy amin’ny fiainanao manokana.

Mampivelatra toetra tahaka ny an’i Kristy eo am-pandehanana eo amin’ny lalany

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa fitahiana iray amin’ny fanarahana ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra ny hoe “mitondra amin’ny fahatongavana ho tahaka Azy” izany (“Misafidiana ianareo anio,” Liahona, nôv. 2018, 104).

Hevero ny hampiseho ireto sarin’ny Mpamonjy manaraka ireto (na hafa izay safidinao) eo am-pametrahana ireto fanontaniana ireto amin’ny mpianatra. Azonao atao ny mizara ireo toetran’i Jesoa Kristy ankafizinao indrindra alohan’ny hametrahana ny fanontaniana.

Sary
I Kristy sy ilay vehivavy tratra nijangajanga
Sary
I Kristy nampionona an’i Maria sy i Marta
Sary
I Kristy nampitony ny ranomasina
  • Inona no toetra ankafizinao indrindra momba an’i Jesoa Kristy? Nahoana?

  • Amin’ny fomba ahoana no anirianao ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa? Inona no mety hahasarotra izany? Ahoana no mety handresentsika ireny zava-tsarotra ireny amin’ny alalan’ny fanampian’ny Tompo?

  • Oviana no nahatsapanao faniriana lehibe indrindra ho tonga tahaka Azy? Inona no nitranga teo amin’ny fiainanao ka nahatonga anao hahatsapa izany?

I Almà dia nahita ny sasany amin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay tokony hoezahintsika mafy ny hahazo azy rehefa mandeha eo amin’ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra isika.

Vakio ny Almà 7:22–25 ary mitadiava toetra sy fitondran-tena tahaka ny an’i Kristy hitanao fa voalaza na voafaritra. Hevero ny hanisy marika azy ireo ao amin’ny soratra masinao. Mety ho azonao heverina ihany koa ny hitanisa ireo toetra sy fitondran-tena ireo eo amin’ilay lalana eo amin’ilay sary nataonao na eo akaikiny.

Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hianatra misimisy kokoa momba ireo toetra tahaka ny an’i Kristy voalaza ao amin’ny Almà 7:22–25 sy hanao drafitra hampivelarana ny iray na mihoatra amin’ireo toetra ireo. Mety ho tombony ho anao raha vitainao alohan’ny fotoam-pianarana io sahanasa io mba hahatonga anao ho vonona tsara kokoa hanampy ny mpianatra rehefa miasa izy ireo. Ataovy azo antoka fa omenao fotoana ampy hamitany io sahanasa io ny mpianatra.

Hevero ny hampiseho ireto torolalana manaraka ireto.

Misafidiana ombam-bavaka toetra iray voalaza ao amin’ny Almà 7:22–25 izay tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra hampivelarinao, ary avy eo dia vitao ity sahanasa manaraka ity. Raketo an-tsoratra eny ambanin’ny sarinao na amina toerana hafa ao amin’ny diary fandalinanao ireo hevi-baovao hitanao.

  1. Fantaro misimisy kokoa ny momba io toetra io. Hevero ny hampiasa loharano ara-tsoratra masina toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hanamorana izany. Soraty ny zavatra nianaranao.

  2. Tanisao ny fanamby amin’ny fampivelarana ilay toetra nosafidinao sy ny antony heverinao fa amelan’ Andriamanitra anao hiaina izany fanamby izany.

  3. Mitanisà fomba samihafa roa hatramin’ny telo hahatsara kokoa ny fiainanao aorian’ny fahazoana io toetra io.

  4. Mitadiava ohatra iray avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay nanehoany ohatra an’io toetra io. Ho solon’izany dia milazà ohatra iray avy amin’ny fiainan’ny olona iray fantatrao izay nanehoany ohatra an’io toetra tahaka ny an’i Kristy io.

  5. Mitadiava hetsika iray na mihoatra azonao atao ka hanasa ny fanampian’ Andriamanitra rehefa miezaka mafy mampivelatra io toetra io ianao. Manaova drafitra amin’ny fomba hanatanterahana izany hetsika izany eo amin’ny fiainanao. Fomba iray mety ho azonao ezahina mafy hanatanterahana io hetsika io ny firesahana amin’ny Ray any An-danitra ao amin’ny vavaka ataonao isan’andro momba ny fandrosoanao sy ny fangatahana ny fanampiany eo amin’izay tsy vitanao.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely. Azon’ny olona tsirairay ao amin’ny vondrona atao ny manazava fohifohy ny zavatra nianarany sy tsapany momba ilay toetra nosafidiny sy ny antony tiany hampivelarana izany. Azon’izy ireo atao ihany koa ho solon’izany ny mizara ilay toetra nosafidin’izy ireo sy ny ohatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy na ohatra iray avy amin’ny fiainan’ny olona iray fantatr’izy ireo. Amporisiho hanao zavatra araka ny drafitra nataon’izy ireo ny mpianatra. Mijoroa ho vavolombelona fa hanampy azy ireo amin’ny ezaka ataon’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy