Seminera
Almà 7:1–13: Mba hahafahany manampy ny vahoakany


“Almà 7:1–13: Mba hahafahany manampy ny vahoakany,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 7:1–13,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 7:1–13

Mba hahafahany manampy ny vahoakany

Sary
ny Mpamonjy manolotra fanampiana

Ny asan’ Andriamanitra sy ny voninahiny dia ny “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Mba hanatanterahana izany dia nalefany ny Zanany, i Jesoa Kristy, mba hijaly noho ny fahotantsika ary handresy ny fahafatesana amin’ny alalan’ny Fitsanganany amin’ny maty. Niaritra an-tsitrapo ny zavatra rehetra ho antsika ny Mpamonjy “mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitoky sy hahatsapa fitiavana lehibe kokoa ny Mpamonjy anao.

Ampio ny mpianatra hahafantatra ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Matetika ny Fanahy Masina no mampita zavatra amin’ny alalan’ny fahatsapana fitiavana sy fifaliana ary fiadanana (jereo ny Galatiana 5:22–23). Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ihany koa Izy (jereo ny Jaona 15:26). Mitadiava fahafahana tonga ho azy hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fifandraisana misy eo amin’ny fahatsapan’izy ireo sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ataovy ao an-tsaina fa tsy hitovy daholo ny fahatsapan’ny mpianatra rehetra ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra handalina ny Almà 7:11–13 sy hijery ao amin’ireo andininy ireo ny zavatra niaretan’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny antony niaretany ireo zavatra ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ireo zavatra manan-danja indrindra

Azonareo atao ny manao ity lisitra sy filaharana ity miaraka amin’ny kilasy, na azonao asaina manao lisitra miaraka amina namana iray na vondrona kely ny mpianatra ary hampitaha ny valiny samihafa.

Manaova lisitry ny zavatra heverinao fa anisan’ireo tranga manan-danja indrindra eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, ary avy eo dia alaharo manomboka amin’ny manan-danja indrindra mankany amin’ny tsy manan-danja indrindra izany.

  • Inona no mahatonga ny tranga iray ho manan-danja?

  • Nahoana no mety ho somary sarotra atao ny mandahatra izany arakaraka ny lanjany?

Rehefa niresaka tamin’ny vahoaka tao amin’ny tanin’i Gideona i Almà, dia naminany izy fa “zavatra maro no hitranga; … misy zavatra iray izay manan-danja kokoa” noho ny zavatra hafa rehetra (Almà 7:7).

Vakio ny Almà 7:7, hitadiavana io tranga manan-danja indrindra io. Hevero ny hanisy marika ny zavatra hitanao.

  • Nahoana, araka ny hevitrao, no mahatonga ny fiavian’ny Mpamonjy ho ny zava-nitranga manan-danja indrindra hatrizay?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny eritreritr’izy ireo momba ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Taorian’ny niresahan’i Almà tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà sy nandaminany ny Fiangonana tany amin’izany ampahan-tany izany (jereo ny Almà 6), dia nandeha tany amin’ny tanin’i Gideona izy. Ny Almà 7 dia ahitana fampianarana manan-danja nataon’i Almà tamin’ny vahoakan’i Gideona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Alohan’ny hanombohanao mandalina dia makà fotoana hieritreretana ny fomba ifandraisan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny fiainanao. Inona avy no toe-java-misy atrehinao amin’izao fotoana izao izay ilanao ny fanampiana omen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fampianarana momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izay afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny zavatra nataony ho anao sy ny fomba ahafahany manampy anao.

Mampianatra momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy i Almà

Hevero ny hanasa ny mpianatra handika ity tabilao manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Ho solon’izany dia azonao atao ny mampiseho na mandika izany eny amin’ny solaitrabe mba hahafahan’ny iray kilasy miara-mameno azy.

Ny zavatra niaretan’ny Mpamonjy ho ahy

Ny antony niaretan’ny Mpamonjy ho ahy

Ny Almà 7:11–13 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Vakio ny Almà 7:11–13, hitadiavana ireo fampianaran’i Almà momba ny zavatra niaretan’i Jesoa Kristy na nentiny ho anao tao anatin’ny Sorompanavotany. Raketo an-tsoratra ao amin’ny tsanganana voalohany amin’ny tabilaonao izany. Mety hanampy raha fantatra fa ny teny hoe rofy dia manondro ireo fahalemena sy faharefoana iainantsika amin’ny fiainana an-tany.

Raha nisafidy ny hampiasa ny tabilao eny amin’ny solaitrabe ianao, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny zavatra hitan’izy ireo tamin’ireo andininy ireo ao amin’izany. Avy eo dia asao izy ireo hamaky ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto sy handray an-tsoratra ny antsipiriany hafa ianaran’izy ireo momba ny fijalian’ny Mpamonjy.

Vakio ny 2 Nefia 9:21; Môzià 3:5–8; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19. Ireo andalan-tsoratra masina ireo dia ahitana antsipiriany hafa momba ny fijalian’ny Mpamonjy. Ampidiro ao amin’ny tsanganana voalohany eo amin’ny tabilaonao izay teny na andian-teny rehetra hitanao fa manan-danja. Hevero ny hampiditra andinin-tsoratra masina mifandray na rohy avy amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo mankamin’ny Almà 7:11–13.

  • Inona no eritreritra na fahatsapana nanananao rehefa nianatra momba ny fijalian’ny Mpamonjy ianao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatakatra ny zavatra niaretan’ny Tompo sy nentiny tao anatin’ny sorompanavotana nataony?

Ny antony niaretan’i Jesoa Kristy ireo zavatra ireo

Vakio indray ny Almà 7:11–13 ary amin’ity indray mitoraka ity dia tadiavo ny antony niaretan’ny Mpamonjy ho anao. Mifantoha amin’ireo andian-teny izay manomboka amin’ny hoe “mba hahazoany” na “mba hahatonga” rehefa mamaky ianao. Raketo an-tsoratra ao amin’ny tsanganana faharoan’ny tabilaonao ny zavatra hitanao. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny teny hoe manampy dia midika hoe manome fanampiana.

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny antony niaretan’i Jesoa Kristy ireo zavatra ireo ho anao?

    Azon’ny mpianatra atao ny mirakitra an-tsoratra ny valin-tenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana teo aloha ao amin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe.

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nohalalininao tao amin’ny Almà 7:11–13 ao anaty fehezan-teny iray milaza fahamarinana?

Tao amin’ny Almà 7:11–13 ianao dia mety nahita fahamarinana toy izao: I Jesoa Kristy dia nijaly mba hamonjena ahy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana sy hanampiana ahy amin’ny fanambin’ny fiainana an-tany.

Hevero ny hanoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara ny sasany amin’ireo fanambin’ny fiainana an-tany azon’ny Mpamonjy anampiana antsika: Vakio ity fanambarana manaraka ity na jereo ilay horonan-tsary hoe “Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 3:13 ka hatramin’ny 4:01.

Ny Mpamonjintsika dia niaina sy niaritra ny fahafenoan’ny fotoan-tsarotry ny fiainana rehetra “araka ny nofo” mba hahafantarany “araka ny nofo” ny fomba “hanampiana [izay midika hoe hanamaivana na hamonjy] ny vahoakany arakaraka ny rofiny.” Noho izany dia mahafantatra ny fahasahiranantsika, ny alahelontsika, ny fakam-panahintsika ary ny fijaliantsika Izy, satria niaina izany rehetra izany tamim-tsitrapo ho fanatanterahana ny ampahany lehibe iray amin’ny Sorompanavotany. Koa satria nahavita izany Izy dia manome hery Azy mba hanampiana antsika ny Sorompanavotany—mba hanomezana antsika ny hery hahafahana mizaka ny zava-drehetra. (Dallin H. Oaks, “Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2015, 61–62)

  • Manampy anao hahatakatra na hahatsapa inona momba ny Mpamonjy izany fanambarana izany?

Mampifandray izany amin’ny fiainanao

Ampio hampifandray ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ity lesona ity amin’ny fiainan’izy ireo ny mpianatra. Fomba iray azo hanaovana izany ny fanomezana fotoana azy ireo hisaintsainana sy hamita samirery izao manaraka izao.

Saintsaino kely ny zavatra niaretan’ny Mpamonjy ho anao manokana. Ohatra, inona no fahoriana na fakam-panahy na rofy na fijaliana manokana iainanao na niainanao? Hevero ny hanoratra eo ambanin’ny tabilaonao ny eritreritrao.

Manaraka izany, saintsaino am-bavaka ny fomba nankaherezan’ny Mpamonjy anao na ahafahany mankahery anao amin’ny tsirairay amin’ireo zava-tsarotra ireo. Mangataha amin’ny Ray any An-danitra hanome anao aingam-panahy rehefa manoratra ny eritreritrao sy ny fahatsapanao ianao.

Hevero ny hanasa mpianatra manolo-tena hizara ny sasantsasany amin’ireo hevi-baovao noraketin’izy ireo. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo ampiasaina ihany koa hitarihana fifanakalozan-kevitry ny kilasy. Alohan’ny hametrahana ny fanontaniana voalohany dia hevero ny hizara ny ohatrao manokana avy amin’ny fiainanao. Rehefa mangataka ny mpianatra hizara dia ampahatsiahivo tsy hizara zavatra niainana izay mety ho an’ny tenan’izy ireo manokana na masina loatra izy ireo.

  • Oviana no nahatsapanao ny hery omen’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana?

  • Inona no nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny fandalinanao androany ka tianao hotadidina?

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo androany.

Hamoaka printy