Seminera
Almà 5:33–62: “Miantso anareo ilay mpiandry tsara”


“Almà 5:33–62: ‘Miantso anareo ilay ampiandry tsara,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 5:33–62,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 5:33–62

“Miantso anareo ilay mpiandry tsara”

Sary
I Kristy amin’ny maha-mpiandry ondry Azy

Rehefa avy namporisika ny mpikamban’ny Fiangonana tany Zarahemlà hisaintsaina lalina ny fijoroany eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Almà (jereo ny Almà 5:1–32), dia nanasa azy ireo hanatona an’i Kristy tamin’ny alalan’ny fampiasana sary maneho fitiavana toy ny “sandrin’ny famindram-po mitolotra” (Almà 5:33), “Mibebaha dia handray anareo Aho” (Almà 5:33), ary ny hoe “miantso anareo ilay mpiandry tsara” (Almà 5:38). Ity lesona ity dia afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao hanatona an’i Jesoa Kristy sy handray ireo fitahiana omeny anao.

Mifantoha amin’ireo anjara asan’i Jesoa Kristy. Ampio ny mpianatra ho tonga amin’ny fahalalana sy hitia ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny famantarana ny fomba anatanterahany ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra azy ireo Azy. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ny fomba nanehoan’i Jesoa Kristy ny fitiavany sy fikarakarany azy ireo manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao handalina ny Almà 5:33–34 ny mpianatra ary ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny Mpamonjy tao amin’ireo andininy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Mibebaha dia handray anareo Aho

Hevero ny hampiseho sary vitsivitsy izay mety hahaliana ny mpianatra ary asao hifanakalo hevitra amin’ny antony mety hahamarina ity fomba fiteny manaraka ity ny kilasy.

Hoy ny fomba fiteny fahiny hoe: “Sary iray mifono teny arivo”.

Asehoy amin’izay ireto sary manaraka ireto ary asao hizara ny zavatra ampitain’izany ny mpianatra.

Sary
I Kristy miaraka amin’ny tanany mitsotra
Sary
I Kristy miaraka amin’ny tanany mitsotra

Mety ho tadidinao fa ny Almà 5 dia ahitana ireo fampianaran’i Almà ny mpikamban’ny Fiangonana tao Zarahemlà, izay lasa niavonavona sy lavo tao amin’ny fahotana ny sasany (jereo ny Almà 4:8–12). Rehefa avy nametraka andiam-panontaniana tamin’ireo olona ireo mba hanampiana azy ireo hanombana ny fandrosoan’izy ireo ara-panahy i Almà, dia nampianatra fahamarinana manan-danja momba ny Mpamonjy.

Vakio ny Almà 5:33–34, hitadiavana ny zavatra tian’i Almà ho takatry ny vahoakany momba an’i Jesoa Kristy.

Mety ho fahafahana tsara hanasana ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fanomanana ny mpianatra izany.

  • Inona no teny na andian-teny nanan-danja indrindra taminao tao amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

  • Inona no fitovitoviana hitanao teo amin’ireo andininy ireo sy ny sarin’ny Mpamonjy nojerenao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fitsipika ao amin’ireo andininy ireo manova ny fomba fahitan’ny olona iray an’i Jesoa Kristy?

Raha mahasoa ny mpianatra ny fandalinana lalindalina kokoa momba ny fanasan’ny Mpamonjy hanatona Azy dia hevero ny hanasa azy ireo handalina ny sasany na ny rehetra amin’ireto soratra masina manaraka ireto, angamba miaraka amina namana iray na vondrona kely: Matio 11:28–30; 2 Nefia 26:33; 3 Nefia 9:14; ary ny Etera 12:27. Azon’ny mpianatra atao andinin-tsoratra masina mifandray amin’ny Almà 5:33–34 ihany koa ireo andalan-tsoratra masina ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Rehefa mahavita ny fandalinana ireo andalan-tsoratra masina fanampiny ireo ny mpianatra, dia manasà mpianatra manolo-tena hizara hevi-baovao fanampiny azon’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo.

Eritrereto ny fanirianao amin’izao fotoana izao hanaiky ny fanasan’i Jesoa Kristy hibebaka sy hanatona Azy ary raha miatrika sakana izay mahasarotra ny fanarahana Azy ianao. Rehefa manohy mandalina ianao, dia tadiavo ireo fampianarana izay afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao handresena ireny sakana ireny sy hanarahana an’i Jesoa Kristy.

Mihaino ny feon’ilay Mpiandry tsara

Rehefa avy nampianatra momba ny fanasan’ny Mpamonjy hibebaka sy hanatona Azy i Almà, dia nizara fampianarana hafa momba an’i Jesoa Kristy mba handresen-dahatra ny vahoakany hanaraka ny Mpamonjy.

Vakio ny Almà 5:37–39 ary tadiavo ny hafatr’i Almà tamin’ny vahoakany.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra amina namana iray momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Almà ho fantatry ny vahoakany sy ho tsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy (ilay Mpiandry tsara) avy amin’io fampitahana io?

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Almà ho fantatry ny vahoakany sy ho tsapan’izy ireo momba ny tenan’izy ireo (ilay ondry) avy amin’io fampitahana io?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe tsy maintsy mihaino ny feon’ilay Mpiandry tsara isika vao atao hoe ondriny.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara ity famaritana manaraka ity ho an’ny teny hoe mihaino:

Ny dikan’izany dia “mihaino ombam-pikasana ny hankatò.” Ny hoe mihaino dia midika hoe “Henoy Izy,” mihaino izay lazain’ny Mpamonjy ary avy eo dia manaraka ny toroheviny. (Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89)

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny Mpamonjy ka mahatonga anao ho te hihaino Azy sy ho anisan’ny ondriny?

Ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny sasany amin’ireo fitahiana omen’ny Mpamonjy antsika rehefa avelantsika ho Mpiandry tsarantsika Izy. Vakio ity fanambarana manaraka ity na jereo ilay horonan-tsary hoe “Fo mifamihina,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 13:56 ka hatramin’ny 14:51.

Raha jerentsika amin’ny fomba fijery ara-pilazantsara izany dia hitantsika fa isika ihany koa dia eo ambany fiahiana feno fitiavana-na mpikarakara feno fangoraham-po iray, izay mikolokolo antsika tsy misy tambiny amin-katsaram-panahy. Fantatr’ilay Mpiandry Tsara amin’ny anarantsika tsirairay avy isika ary manana fiahiana antsika manokana Izy. I Jesoa Kristy Tompo Izy tenany mihitsy no nilaza hoe: “Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy. … Ary Izaho [h]anolotra ny aiko hamonjy ny ondry” [Jaona 10:14, 15].

… Mahita fiadanana maharitra aho noho ny fahafantarako fa “Jehovah no Mpiandry ahy” [Salamo 23:1] ary fantany sy eo ambany fiahiany isika tsirairay avy. Rehefa sendra ireo fitsapana sy olana eo amin’ny fiainana, ary ny aretina sy ny ratra isika dia ny Tompo, ny Mpiandry antsika, ilay Mpikarakara antsika, no hikolokolo antsika amim-pitiavana sy hatsaram-panahy. Hositraniny ny fontsika ary haveriny amin’ny laoniny ny tenantsika. (Gary E. Stevenson, “Fo mifamihina,” Liahona, mey 2021, 23)

  • Inona no manan-danja indrindra aminao momba ny antony itiavantsika hanaraka ilay Mpiandry tsara, i Jesoa Kristy?

Fomba ahafahanao mihaino ny feon’ilay Mpiandry tsara

I Almà dia nandroso fomba maro izay ahafahan’ny vahoakan’i Zarahemlà mihaino ny feon’ny Mpiandry tsara. Vakio ny Almà 5:40–41, 50–51, 57 ary tadiavo ny zavatra natoron’i Almà.

Rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra, dia azonao atao ny manao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo na manasa ny mpianatra hankeny hanoratra ny valin-tenin’izy ireo.

  • Inona no nianaranao tamin’ireo andininy ireo momba ny fomba ahafahanao mihaino ny feon’ilay Mpiandry tsara?

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahantsika “mivoaka hiala amin’ny olon-dratsy” sy “tsy hikasika ny zavany tsy madio”? (andininy 57).

Hevero ny hanasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara zavatra niainan’izy ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo rehefa nanapa-kevitra hihaino ny feon’ny Mpiandry tsara izy ireo sy ny fitahiana tsikaritr’izy ireo tamin’ny fanaovana izany. Azonao heverina ihany koa ny hizara zavatra niainana teo amin’ny fiainanao.

  • Ny sasantsasany amin’ny antony mahatonga ahy ho te hanaraka an’i Jesoa Kristy dia

  • Fomba iray hihainoako ny feony ny

Hamoaka printy